1Tantara 26:28 - Baiboly Katolika Ny zavatra rehetra natokan’i Samoela mpahita, i Saola zanak’i Kisa, i Abnera zanak’i Nera, i Jôaba zanak’i Sarvià sy ny olon-kafa na iza na iza dia teo am-pelatanan’i Selemita mbamin’ireo rahalahiny avokoa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary izay rehetra nohamasinin’i Samoela mpahita sy i Saoly, zanak’i Kisy ary i Abnera, zanak’i Nera sy i Joaba, zanak’i Zeroia, eny, izay rehetra nohamasininy, dia i Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany. DIEM PROTESTANTA Ny zavatra rehetra, natokan’i Samoela mpaminany manam-pahitana sy natokan’i Saoly zanakalahin’i Kisy ary natokan’Abnera zanakalahin’i Nera sy natokan’i Jôaba zanakalahin’i Tseroià ho an’Andriamanitra, dia i Selômôta sy ny havany no mpiandraikitra ny fitahirizana azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny zavatra rehetra, natokan’i Samoela mpaminany manam-pahitana sy natokan’i Saoly zanakalahin’i Kisy ary natokan’Abnera zanakalahin’i Nera sy natokan’i Jôaba zanakalahin’i Tseroià ho an’Andriamanitra, dia i Selômôta sy ny havany no mpiandraikitra ny fitahirizana azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izay rehetra nohamasinin’i Samoela mpahita sy Saoly, zanak’i Kisy, sy Abnera, zanak’i Nera, sy Joaba, zanak’i Zeroia, dia izay rehetra nohamasininy, dia Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany. Malagasy Bible Ary izay rehetra nohamasinin'i Samoela mpahita sy Saoly, zanak'i Kisy, sy Abnera, zanak'i Nera, sy Joaba, zanak'i Zeroia, dia izay rehetra nohamasininy, dia Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany. La Bible en Malgache Ary izay rehetra nohamasinin’i Samoela mpahita sy i Saoly, zanak’i Kisy ary i Abnera, zanak’i Nera sy i Joaba, zanak’i Zeroia, eny, izay rehetra nohamasininy, dia i Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany. |
Tamin’ny Isaarita, dia i Koneniasa mbamin’ireo zanany no voatendry ho amin’ny raharaha ivelany amin’i Israely, ho mpanoratra sy mpitsara.
mbamin’ny marika rehetra izay efa tao an-tsainy, momba ny kianjan’ny tranon’i Iaveh sy ny efitra rehetra amin’ny manodidina, ho an’ny rakitry ny tranon’Andriamanitra sy ny rakitry ny fitoerana masina,
Nony efa nahita an’i Davida nandroso hiady amin’ilay Filistinina i Saola dia nanontany an’i Abnera, lehiben’ny foloalindahy hoe: «Zanak’iza moa iny zazalahy iny, ry Abnera?» Ary hoy i Abnera: «Marina toy ny maha-velona ny fanahinao, raha mba fantatro velively, ry mpanjaka.»
Teo amin’i Israely fahiny ny olona mandeha hanontany amin’Andriamanitra dia nifampilaza hoe: «Handeha isika ho any amin’ny mpahita». Fa mpahita no fiantson’ny taloha ny atao ankehitriny hoe mpaminany.