Natokan’i Davida mpanjaka ho an’i Iaveh koa izany, toraky ny nanokanany ny volafotsy sy volamena azony tamin’ny firenena rehetra nohitsahin’ny tongony,
1Tantara 26:27 - Baiboly Katolika Ny babo azo tamin’ny ady no nanokanan’izy ireo izany hoenti-miahy ny tranon’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny zavatra azony babo tamin’ny ady dia nisy nohamasininy hoenti-manamboatra ny tranon’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Tamin’ny fitaovana azon’ireo tamin’ny ady mantsy no nisy nanokanany mba hoenti-miahy ny tranon’ny TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’ny fitaovana azon’ireo tamin’ny ady mantsy no nisy nanokanany mba hoenti-miahy ny tranon’ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Tamin’ny babo izay azony tamin’ny ady nisy nohamasininy ho enti-manamboatra ny tranon’i Jehovah. Malagasy Bible Tamin'ny babo izay azony tamin'ny ady nisy nohamasininy ho enti-manamboatra ny tranon'i Jehovah. La Bible en Malgache Tamin’ny zavatra azony babo tamin’ny ady dia nisy nohamasininy hoenti-manamboatra ny tranon’NY TOMPO. |
Natokan’i Davida mpanjaka ho an’i Iaveh koa izany, toraky ny nanokanany ny volafotsy sy volamena azony tamin’ny firenena rehetra nohitsahin’ny tongony,
Nefa tsy mba nanaovana fitoeran-drano volafotsy, na antsy, na kapoaka, na trômpetra, na fanaka volamena na fanaka volafotsy, hatao ao an-tranon’i Iaveh ny vola naterin’ny olona ao an-tranon’i Iaveh,
Natokan’i Davida mpanjaka ho an’i Iaveh izany, mbamin’ny volafotsy amam-bolamena, nalainy tamin’ny firenena rehetra, dia i Edôma, i Moaba, ny taranak’i Amôna, ny Filistinina ary i Amaleka.
dia i Selemita mbamin’ireo rahalahiny no tonian’ny rakitr’ireo zavatra masina rehetra, izay natokan’i Davida mpanjaka sy ny loham-pianakaviana, mbamin’ny tomponarivo sy tompon-jato, ary ny filohan’ny tafika.
Ny zavatra rehetra natokan’i Samoela mpahita, i Saola zanak’i Kisa, i Abnera zanak’i Nera, i Jôaba zanak’i Sarvià sy ny olon-kafa na iza na iza dia teo am-pelatanan’i Selemita mbamin’ireo rahalahiny avokoa.
Toy izany no nahavitan’ny voa-javatra rehetra nataon’i Salômôna amin’ny tranon’i Iaveh. Dia nalain’i Salômôna ny zavatra rehetra natokan’i Davida rainy, sy ny volafotsy amam-bolamena mbamin’ny fanaka rehetra ka nataony tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh.
Ny volafotsy amam-bolamena rehetra, mbamin’ny fanaka varahina sy vy, dia hatokana ho an’i Iaveh avokoa, ka hiditra amin’ny rakitr’i Iaveh.»