Zanaka lahin’i Moholì: i Eleazara sy i Kisa, Maty tsy nitera-dahy i Eleazara, fa vavy ihany, ary nalain’ny zanak’i Kisa, rahalahiny, ho vady ireo.
1Tantara 23:23 - Baiboly Katolika Zanaka lahin’i Mosì: i Moholì, i Edera ary i Jerimota, telo lahy izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zanakalahin’i Mosy dia i Maly sy i Edera ary i Jeremota; telo izy ireo. DIEM PROTESTANTA Telo ny zanakalahin’i Mosỳ: dia i Mahilỳ sy i Hedera ary i Jeremôta. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Telo ny zanakalahin’i Mosỳ: dia i Mahilỳ sy i Hedera ary i Jeremôta. Baiboly Protestanta Malagasy Ny zanakalahin’i Mosy dia Maly sy Edera ary Jeremota; telo izy. Malagasy Bible Ny zanakalahin'i Mosy dia Maly sy Edera ary Jeremota; telo izy. La Bible en Malgache Ny zanakalahin’i Mosy dia i Maly sy i Edera ary i Jeremota; telo izy ireo. |
Zanaka lahin’i Moholì: i Eleazara sy i Kisa, Maty tsy nitera-dahy i Eleazara, fa vavy ihany, ary nalain’ny zanak’i Kisa, rahalahiny, ho vady ireo.
Ireo no zanaka lahin’i Levì araka ny fianakaviany, ny loham-pianakaviana, araka ny nanisana azy, voaisa isan’olona, voatonona anarana, izay nanao fanompoana tao an-tranon’i Iaveh hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.
Ireo no taranak’i Levỳ, araka ny fianakaviany avy. Izy ireo koa toraka ireo taranak’i Aarôna rahalahiny, dia nanao ny filokàna teo anatrehan’i Davida mpanjaka sy i Sadôka, sy i Akimeleka, mbamin’ireo loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny Levita, dia natao mitovy amin’ny zokiny ela indrindra, ny zandriny vao haingana indrindra.
Samia ianareo miomana, araka ny fianakavianareo sy ny antokonareo avy araka ny fandaharan’i Davida mpanjakan’i Israely sy ny fandaminan’i Salômôna zanany.
Notendreny, araka ny nandaharan’i Davida rainy azy, ny antokon’ny mpisorona ho amin’ny fanompoany, sy ny Levita ho amin’ny anjara raharahany, hankalaza an’i Iaveh sy hanao fanompoana eo anoloan’ny mpisorona, araka ny fandaharana ny andro isany, ary ny mpiandry varavarana ho an’ny isam-baravarana araka ny antokony avy, fa toy izany no nandaharan’i Davida, olon’Andriamanitra, azy.
Zanakalahin’i Merarỳ: i Moholì sy i Mosỳ. Ireo no fianakavian’i Levỳ mbamin’ny taranany avy.