1Tantara 23:14 - Baiboly Katolika Ny amin’i Môizy, mpanompon’Andriamanitra kosa, dia nisaina anatin’ny fokon’i Levỳ ihany ny zanany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa ny amin’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra, dia nisaina tamin’ny fokon’i Levy ihany ny zanany. DIEM PROTESTANTA I Mosesy dia lehilahin’Andriamanitra; natao ho anisan’ny fokon’i Levỳ kosa ny zanakalahiny, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Mosesy dia lehilahin’Andriamanitra; natao ho anisan’ny fokon’i Levỳ kosa ny zanakalahiny, Baiboly Protestanta Malagasy Nefa ny amin’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra, dia nisaina tamin’ny firenen’i Levy ihany ny zanany. Malagasy Bible Nefa ny amin'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, dia nisaina tamin'ny firenen'i Levy ihany ny zanany. La Bible en Malgache Nefa ny amin’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra, dia nisaina tamin’ny fokon’i Levy ihany ny zanany. |
Nipetraka teo amin’ny fitoerana fipetrahany araka ny fandaharana, araka ny lalàn’i Môizy, ilay olon’Andriamanitra izy ireo; ary ny mpisorona nandraraka ny ra, noraisiny avy any an-tanan’i Levita.
Ary nitsangana i Jôsoe, zanak’i Josedeka, mbamin’ny mpisorona rahalahiny sy i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, mbamin’ny rahalahiny, ka nanorina ny ôtelin’ny Andriamanitr’i Israely, hanaterana sorona, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy, olon’Andriamanitra.
Vavak’i Môizy, olon’Andriamanitra. Tompo ô, Ianao no aronay amin’ny taona rehetra mifandimby.
Izao no tso-drano nataon’i Môizy, olon’Andriamanitra, tamin’ny zanak’i Israely, talohan’ny nahafatesany.
Nanatona an’i Jôsoe ny taranak’i Jodà tany Galgalà, ary i Kaleba zanak’i Jefone, Kenezeanina, nanao taminy hoe: «Fantatrao izay nolazain’i Iaveh tamin’i Môizy olon’Andriamanitra ny amiko sy ny aminao tany Kadesa-Barne.