I Leheta no lohany, i Zizà no faharoa, i Jaosa sy i Barià vitsy zanaka lahy, ka nisaina ho antokony iray araka ny fianakaviany.
1Tantara 23:12 - Baiboly Katolika Zanaka lahin’i Kaata: i Amrama, i Isaara, i Hebrôna, ary i Oziela, efatra izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zanakalahin’i Kehata dia i Amrama, i Jizara, i Hebrona ary i Oziela; efatra izy ireo. DIEM PROTESTANTA Ny zanakalahin’i Kehata dia efatra: i Hamrama sy i Jitsehara ary i Hebrôna sy i Hoziela. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny zanakalahin’i Kehata dia efatra: i Hamrama sy i Jitsehara ary i Hebrôna sy i Hoziela. Baiboly Protestanta Malagasy Ny zanakalahin’i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; efatra izy. Malagasy Bible Ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; efatra izy. La Bible en Malgache Ny zanakalahin’i Kehata dia i Amrama, i Jizara, i Hebrona ary i Oziela; efatra izy ireo. |
I Leheta no lohany, i Zizà no faharoa, i Jaosa sy i Barià vitsy zanaka lahy, ka nisaina ho antokony iray araka ny fianakaviany.
Zanaka lahin’i Amrama: i Aarôna sy i Môizy. Ary i Aarôna natokana hohamasinina indrindra, izy mbamin’ny taranany mandrakizay, mba hanolotra zava-manitra hanetona eo anatrehan’i Iaveh, hanao ny fanompoany ary hitso-drano ny olona amin’ny Anarany mandrakizay.
Zanak’i Kaata: i Amrama, i Isaara, i Hebrôna ary i Oziela. Telo amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Kaata.
Izao no fokon’i Levỳ: ny fokon’ny Lobnita, ny fokon’ny Hebrônita, ny fokon’ny Moholita, ny fokon’ny Mosita, ary ny fokon’ny Kôreita.
Ny avy amin’i Kaata dia ny fokon’ny Amramita, ny fokon’ny Jesaarita, ny fokon’ny Hebrônita, ary ny fokon’ny Azielita: ireo no fokon’ny Kaatita.