Ny volamena amam-bolafotsy sy ny varahina amam-by, izany efa tsy hita isa intsony. Koa mitsangàna, miasà, ary homba anao anie i Iaveh.»
1Tantara 22:11 - Baiboly Katolika Koa ankehitriny, anaka, homba anao anie i Iaveh, mba hiadana ianao, ary hanao ny tranon’i Iaveh Andriamanitrao, araka ny efa nilazany anao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa ankehitriny, anaka, homba anao anie NY TOMPO ka hambinina anie ianao, fa ataovy ny tranon’NY TOMPO Andriamanitrao araka izay nolazainy anao. DIEM PROTESTANTA Koa ankehitriny, anaka, hiaraka aminao anie ny TOMPO ka hanambina anao hanorina trano ho Azy TOMPO Andriamanitrao, araka izay efa voalazany ny aminao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa ankehitriny, anaka, hiaraka aminao anie ny TOMPO ka hanambina anao hanorina trano ho Azy TOMPO Andriamanitrao, araka izay efa voalazany ny aminao. Baiboly Protestanta Malagasy Koa ankehitriny, anaka, ho aminao anie Jehovah, ka hambinina anie hianao, fa ataovy ny tranon’i Jehovah Andriamanitrao araka izay nilazany anao. Malagasy Bible Koa ankehitriny, anaka, ho aminao anie Jehovah, ka hambinina anie ianao, fa ataovy ny tranon'i Jehovah Andriamanitrao araka izay nilazany anao. La Bible en Malgache Koa ankehitriny, anaka, homba anao anie NY TOMPO ka hambinina anie ianao, fa ataovy ny tranon’NY TOMPO Andriamanitrao araka izay nolazainy anao. |
Ny volamena amam-bolafotsy sy ny varahina amam-by, izany efa tsy hita isa intsony. Koa mitsangàna, miasà, ary homba anao anie i Iaveh.»
Ary hoy i Davida tamin’i Salômôna zanany: «Matanjaha! Mahereza! Miasà! Ary aza matahotra na manam-badi-po, fa i Iaveh Andriamanitra, Andriamanitro homba anao; tsy handao anao Izy, na hahafoy anao, mandra-pahavitan’ny asa rehetra momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.
Niorina mafy tamin’ny fanjakana i Salômôna zanak’i Davida; nomba azy i Iaveh Andriamaniny, ka nanandratra azy ho amin’ny ambaratonga ambony indrindra.
Ary notanterahin’i Iaveh ny teny voalazany, fa nisandratra handimby an’i Davida raiko aho, sy mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely, araka ny efa voalazan’i Iaveh, sady efa nanao ny tranon’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.
Ry Iaveh ô, hiantoka fiadanana ho anay Ianao, fa ny asanay rehetra dia Ianao no nanatanteraka azy ho anay.
Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe: «amintsika Andriamanitra.»
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Ho ao amin’ny fanahinao anie i Jesoa Kristy Tompo. Ary ho ao aminareo anie ny fahasoavana.
Dia hoy koa i Davida: «I Iaveh izay efa namonjy ahy tamin’ny liona sy ny orsa, no hamonjy ahy koa amin’ny tanan’io Filistinina io». Ka hoy i Saola tamin’i Davida: «Andeha àry, ary homba anao anie i Iaveh».
dia aoka hoentin’i Iaveh amin’izay ngidiny indrindra i Jônatasy. Ary raha ny hanisy ratsy anao no sitrak’idada dia hampandrenesiko izany koa ianao, ka halefako mba handehananao amim-piadanana, ary homban’i Iaveh anao, toy ny nombany an’idada.