Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 22:1 - Baiboly Katolika

Ary hoy i Davida: «Eto no ho tranon’i Iaveh Andriamanitra, eto no ho ôtely fanaovan’i Israely sorona dorana.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy i Davida: Eto no ho tranon’NY TOMPO Andriamanitra, ary eto no ho alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo ho an’ny Israely.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ka hoy i Davida hoe: «Eto no tranon’ny TOMPO Andriamanitra ary eto no alitara fanoloran’ny Israelita sorona dorana manontolo.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ka hoy i Davida hoe: «Eto no tranon’ny TOMPO Andriamanitra ary eto no alitara fanoloran’ny Israelita sorona dorana manontolo.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy Davida: Eto no ho tranon’i Jehovah Andriamanitra, ary eto no ho alitara fandoroana ny fanatitra dorana ho an’ny Isiraely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy Davida: Eto no ho tranon'i Jehovah Andriamanitra, ary eto no ho alitara fandoroana ny fanatitra dorana ho an'ny Isiraely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy i Davida: Eto no ho tranon’NY TOMPO Andriamanitra, ary eto no ho alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo ho an’ny Israely.

Jereo ny toko



1Tantara 22:1
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia raiki-tahotra izy, ka nanohy hoe: «Endrey mahatahotra ity fitoerana ity! Eto tokoa ny tranon’Andriamanitra, eto no vavahadin’ny lanitra!»


Dia tonga tao amin’i Davida i Gada tamin’izay andro izay, ka nanao taminy hoe: «Miakara ary manangàna ôtely ho an’i Iaveh any am-pamoloan’i Areonà Jeboseanina.»


Angamba ianareo hanao amiko hoe: I Iaveh Andriamanitray no itokianay. Kanefa raha Izy, moa tsy efa nofoanan’i Ezekiasa va ny ôteliny amam-pitoerana avony, ary efa noalazainy tamin’i Jodà sy i Jerosalema fa hoe: Eo anoloan’ity ôtely eto Jerosalema ity no hiankohofanareo.


Tsy tohan’i Davida anefa ny nankeo anoloan’izany ôtely izany, hanaja an’Andriamanitra, fa raiki-tahotra izy, noho ny sabatr’ilay Anjelin’i Iaveh.


Dia natombok’i Salômôna ny fanaovana ny tranon’i Iaveh tao Jerosalema, amin’ny tendrombohitra Moria, izay efa natoro an’i Davida rainy, dia amin’ny toerana efa voaoman’i Davida teo amin’ny famoloan’i Ornàna, Jebôseanina.


Tsy io Ezekiasa io indrindra va no nandrava ny fitoerana avo sy ny ôtelin’i Iaveh, ka nilaza tamin’i Jodà sy i Jerosalema hoe: Eo anoloan’ny ôtely iray monja no hiankohofanareo ary ao no anateranareo zava-manitra.


Tsy nankasitrahiny ny fonenany tao Silô, dia ny lay izay nonenany tao amin’ny olombelona.


Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany, ka nahazo tombom-barotra dimy koa.


Amin’izay fitoerana hofidin’i Iaveh Andriamanitrareo hamponenany ny Anarany no hanateranareo ny zavatra rehetra andidiako anareo, dia ny sorona doranareo, ny soronareo, ny fahafolon-karenareo, ny voatokan’ny tananareo, ary ny fanatitra rehetra voafantina hanalanareo ny voadinareo izay nataonareo tamin’i Iaveh.


fa izay fitoerana izay hofidin’i Iaveh amin’ny fokonao anankiray ihany no hanateranao azy, sy hanaovanao izay rehetra andidiako anao.