Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 20:7 - Baiboly Katolika

Naniratsira an’i Israely izy, ka matin’i Jonatàna, zanak’i Samaà, rahalahin’i Davida.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nony nihantsy ny Israely izy dia nahafaty azy i Jonatana, zanak’i Simea, rahalahin’i Davida.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nohantsiny ny Israelita, ka i Jonatàna, zanakalahin’i Simehà izay rahalahin’i Davida, no nahafaty azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nohantsiny ny Israelita, ka i Jonatàna, zanakalahin’i Simehà izay rahalahin’i Davida, no nahafaty azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nony nihaika ny Isiraely izy, dia nahafaty azy Jonatana, zanak’i Simea, rahalahin’i Davida.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony nihaika ny Isiraely izy, dia nahafaty azy Jonatana, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nony nihantsy ny Israely izy dia nahafaty azy i Jonatana, zanak’i Simea, rahalahin’i Davida.

Jereo ny toko



1Tantara 20:7
9 Rohy Ifampitohizana  

i Isaia niteraka an’i Eliaba lahy matoany, i Abinadaba lahy aivo, i Simaà fahatelo,


Ary nisy ady tany Geta. Ka tao no nisy lehilahy avo be anankiray, enin-drantsana isan-tanana aman-tongotra, efatra amby roapolo no totaliny, ka taranak’i Rafà koa izy.


Tarana-dRafà tao Geta ireo lehilahy ireo, ary matin’ny tanan’i Davida sy ny tanan’ny mpanompony izy ireo.


I Jonatàna, rahalahin-drain’i Davida, dia mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sy be fahalalana izy; i Jahiela, zanak’i Hakamonì, no teo amin’ny zanaky ny mpanjaka.


Iza no notsiratsirainao sy nompanao? Hamely an’izay no nanandratanao feo, sy niandranandrànanao maso? -


Dia i Samà indray no nampandalovin’i Isaï, fa hoy i Samoela: «Tsy mbola ilay voafidin’i Iaveh koa ity».


Mbola nanohy ihany io Filistinina io nanao hoe: «Lasa izay ny fihaikako ny miaramilan’i Israely anio, ka amoahy lehilahy anankiray aho dia hikatroka izahay!»


Dia hoy i Davida tamin’ireo olona teo anilany: «Ahoana sy ahoana avy ange no hatao amin’izay mahafaty io Filistinina io, ka mahafa-tondromaso an’i Israely? Zinona izay Filistinina; ilay tsy mifora io no dia hanala baraka ny tafiky ny Andriamanitra velona!»


Efa samy novonoin’ny mpanomponao ihany ny liona sy ny orsa, ka ho tahaka ny iray amin’ireny koa ilay Filistinina, ilay tsy mifora io; fa efa naniratsira ny tafiky ny Andriamanitra velona».