Ary i Jesbì-Benôba, ny iray amin’ny zana-dRafà - ny lefony dia lanjana 300 sikla varahina ary sabatra vaovao no voafehy teny aminy - dia efa namoaka teny hamono an’i Davida.
1Tantara 20:6 - Baiboly Katolika Ary nisy ady tany Geta. Ka tao no nisy lehilahy avo be anankiray, enin-drantsana isan-tanana aman-tongotra, efatra amby roapolo no totaliny, ka taranak’i Rafà koa izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nisy ady indray tao Gata; ary tao dia nisy lehilahy goavana izay enin-drantsana, efatra amby roapolo no isan’ny rantsantanany sy ny rantsantongony; ary izy koa dia isan’ny taranaky ny Refaìta. DIEM PROTESTANTA Nisy ady koa tao Gata. Tao dia nisy lehilahy anankiray avo be sady enin-drantsana isan-tanana aman-tongotra ka dia 24 no fitambarany; taranak’i Rafà koa izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisy ady koa tao Gata. Tao dia nisy lehilahy anankiray avo be sady enin-drantsana isan-tanana aman-tongotra ka dia 24 no fitambarany; taranak’i Rafà koa izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nisy ady indray tao Gata; ary tao nisy lehilahy vaventibe izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan’ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony; ary izy koa mba isan’ny taranaky ny Refaïta. Malagasy Bible Ary nisy ady indray tao Gata; ary tao nisy lehilahy vaventibe izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan'ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony; ary izy koa mba isan'ny taranaky ny Refaita. La Bible en Malgache Nisy ady indray tao Gata; ary tao dia nisy lehilahy goavana izay enin-drantsana, efatra amby roapolo no isan’ny rantsantanany sy ny rantsantongony; ary izy koa dia isan’ny taranaky ny Refaìta. |
Ary i Jesbì-Benôba, ny iray amin’ny zana-dRafà - ny lefony dia lanjana 300 sikla varahina ary sabatra vaovao no voafehy teny aminy - dia efa namoaka teny hamono an’i Davida.
Ary nisy ady koa indray tany Geta. Ka tao no nisy lehilahy goavam-be anankiray, ka samy enina avy ny rantsan-tananay sy ny rantsan-tongony, dia efatra amby roapolo ny tontaliny; tarana-dRafà koa izy io.
Dia nisy ady tamin’ny Filistinina koa, izay nahafatesan’i Elkanàna zanak’i Jaira, an’i Lakmì rahalahin’i Gôliata, avy any Geta, ilay nanan-defona hoatry ny voditenon’ny mpanenona ny zarany.