Tera-kovitra mafy indrindra i Isaaka, ka nanao hoe: «Iza àry ilay efa naka haza, ka nitondra teto amiko? Fa efa nihinanako avokoa izany, talohan’ny nahatongavanao; ary efa nitso-drano azy aho, ka ho voatso-drano tokoa izy.»
1Tantara 17:27 - Baiboly Katolika Sitrakao ny hitso-drano ny fianakavian’ny mpanomponao ankehitriny, haharetany mandrakizay eo anatrehanao, fa izay tsofinao rano, ry Iaveh ô, dia voatso-drano mandrakizay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, TOMPO ô, dia voatahy mandrakizay. DIEM PROTESTANTA Koa dia ho sitrakao ny hitahy ireo taranako mba hitohy mandrakizay eo anatrehanao; satria raha Ianao no mitahy, TOMPO ô, dia ho voatahy mandrakizay izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa dia ho sitrakao ny hitahy ireo taranako mba hitohy mandrakizay eo anatrehanao; satria raha Ianao no mitahy, TOMPO ô, dia ho voatahy mandrakizay izy. Baiboly Protestanta Malagasy dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, Jehovah ô, dia voatahy mandrakizay. Malagasy Bible dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, Jehovah ô, dia voatahy mandrakizay. La Bible en Malgache dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, TOMPO ô, dia voatahy mandrakizay. |
Tera-kovitra mafy indrindra i Isaaka, ka nanao hoe: «Iza àry ilay efa naka haza, ka nitondra teto amiko? Fa efa nihinanako avokoa izany, talohan’ny nahatongavanao; ary efa nitso-drano azy aho, ka ho voatso-drano tokoa izy.»
Ka ny lohan’i Jôaba sy ny lohan’ny taranany hatrany hatrany no hitsingerenan’ny ran’izy roa lahy ireo. Fa ny ho an’i Davida sy ny taranany mbamin’ny fianakaviany aman-tseza fiandrianany kosa, dia fiadanana lalandava avy amin’i Iaveh!»
Fa i Salômôna mpanjaka kosa hambinina ary ny seza fiandrianan’i Davida hatao mafy orina mandrakizay eo anatrehan’i Iaveh.»
Koa ankehitriny, ry Iaveh, Ianao no Andriamanitra, ary nilaza izany teny mahafinaritra izany tamin’ny mpanomponao Ianao.
Tatỳ aorian’izany, nandresy ny Filistinina i Davida, ka nampietry azy, ary nalainy teo an-tanan’ny Filistinina i Geta mbamin’ny tanàna momba azy.
Nofidin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely aho tamin’ny ankohonan’ny raiko rehetra, ho mpanjaka amin’i Israely mandrakizay. Satria i Jodà no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin’ny taranak’i Jodà, ny ankohonan’ny raiko no nofidiny ho mpanjaka, izaho no nankasitrahany hampanjakainy amin’i Israely.
Aoka haharitra mandrakizay ny Anarany! Aoka hiely laza ny Anarany, raha mbola mihiratra koa ny masoandro! Aoka ho aminy no itadiavan’ny olona fanambinana! Aoka ny firenena rehetra hiantso Azy hoe: Sambatra!
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy, amin’ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,
Fa dia hanambina anao i Iaveh Andriamanitrao araka ny efa voalazany taminao; hampisambotra amin’ny firenena maro ianao, fa ianao tsy mba hisambotra kosa; hanapaka firenena maro ianao fa tsy mba hotapahiny.