Ho toy ny ray ho azy Aho, ary ho toy ny zanaka ho Ahy izy, ka tsy hesoriko aminy ny famindram-poko, toy ny nanesorako izany tamin’ilay nanjaka talohanao.
1Tantara 17:14 - Baiboly Katolika Hampitoeriko mandrakizay ao an-tranoko sy amin’ny fanjakako izy, ary hiorina mandrakizay ny seza fiandrianany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin’ny fanjakako mandrakizay izy; ary ho tafaorina mandrakizay ny sezafiandrianany. DIEM PROTESTANTA Hataoko maharitra mandrakizay ao amin’ny tempoliko sy eo amin’ny fanjakako izy; ary ny sezafiandrianany tsy ho voahozongozona mandrakizay.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hataoko maharitra mandrakizay ao amin’ny tempoliko sy eo amin’ny fanjakako izy; ary ny sezafiandrianany tsy ho voahozongozona mandrakizay.» Baiboly Protestanta Malagasy fa hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin ny fanjakako mandrakizay izy; ary hampitoerina mandrakizay ny seza fiandrianany. Malagasy Bible fa hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin'ny fanjakako mandrakizay izy; ary hampitoerina mandrakizay ny seza fiandrianany. La Bible en Malgache Hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin’ny fanjakako mandrakizay izy; ary ho tafaorina mandrakizay ny sezafiandrianany. |
Ho toy ny ray ho azy Aho, ary ho toy ny zanaka ho Ahy izy, ka tsy hesoriko aminy ny famindram-poko, toy ny nanesorako izany tamin’ilay nanjaka talohanao.
Dia niteny tamin’i Davida i Natàna araka izany teny rehetra izany sy io fahitana rehetra io.
Aoka haharitra mandrakizay ny Anarany! Aoka hiely laza ny Anarany, raha mbola mihiratra koa ny masoandro! Aoka ho aminy no itadiavan’ny olona fanambinana! Aoka ny firenena rehetra hiantso Azy hoe: Sambatra!
Efa nianianako indray mandeha tamin’ny fahamasinako, ka tsy handainga amin’i Davida Aho.
fa i Kristy kosa dia toy ny Zanaka manapaka ny tranon’ny tenany, ary isika no tranony, raha tanantsika mafy hatramin’ny farany ny fahasahiana sy ny hafaliana masina vokatry ny fanantenana.