1Tantara 12:37 - Baiboly Katolika Ary ny avy any an-dafin’i Jordany, amin’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase, 120.000 lahy, hary fitaovana enti-miady tsara mihitsy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary avy tany andafin’i Jordana, tamin’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, dia nisy roa alina sy iray hetsy nitana fiadiana isan-karazany. DIEM PROTESTANTA Tamin’i Asera, dia nisy miaramila 40 000, zatra ady sy vonon-kiantafika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’i Asera, dia nisy miaramila 40 000, zatra ady sy vonon-kiantafika. Baiboly Protestanta Malagasy Ary avy tany an-dafin’i Jordana, tamin’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’i Manase, nisy roa alina amby iray hetsy nitana fiadiana samy hafa rehetra. Malagasy Bible Ary avy tany an-dafin'i Jordana, tamin'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, nisy roa alina amby iray hetsy nitana fiadiana samy hafa rehetra. La Bible en Malgache Ary avy tany andafin’i Jordana, tamin’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, dia nisy roa alina sy iray hetsy nitana fiadiana isan-karazany. |
Ireo lehilahy mpiady rehetra ireo, izay samy nahay nilahatra hiady avokoa, dia tonga tao Hebrôna, tamin’ny fo mahitsy hanangana an’i Davida ho mpanjaka amin’i Israely rehetra: ary i Israely sisa rehetra koa, dia niray fo torak’izany hanangana an’i Davida ho mpanjaka.
fa ny foko roa sy ny antsasa-poko efa nomen’i Môizy lova tany an-dafin’i Jordany, fa tsy mba nomeny lova teo amin’izy ireo ny Levita.