I Sadôka zanak’i Akitoba sy i Akimeleka, zanak’i Abiatara, no mpisorona; i Saraiasa no mpanoratra;
1Tantara 12:28 - Baiboly Katolika Ary i Sadôka zatovo mahery mbamin’ny fianakavian-drainy, dia filohany 22. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Zadoka, zatovo mahery, sy ny fianakaviany, dia mpifehy roa amby roapolo lahy. DIEM PROTESTANTA niampy an’i Jôiadà, filohan’ny taranak’i Aharôna, niaraka tamin’ny 3 700 lahy, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara niampy an’i Jôiadà, filohan’ny taranak’i Aharôna, niaraka tamin’ny 3 700 lahy, Baiboly Protestanta Malagasy ary Zadoka, zatovo mahery, sy ny fianakaviany, dia roa amby roa-polo lahy mpifehy. Malagasy Bible ary Zadoka, zatovo mahery, sy ny fianakaviany, dia roa amby roa-polo lahy mpifehy. La Bible en Malgache i Zadoka, zatovo mahery, sy ny fianakaviany, dia mpifehy roa amby roapolo lahy. |
I Sadôka zanak’i Akitoba sy i Akimeleka, zanak’i Abiatara, no mpisorona; i Saraiasa no mpanoratra;
Tsy mba nety nikambana tamin’i Adoniasa kosa i Sadôka mpisorona, i Banaiasa zanak’i Jôiadasa, i Natàna mpaminany, i Semeià, i Reia, mbamin’ny lehilahy maherin’i Davida.
I Banaiasa zanak’i Jôiadasa no nataon’ny mpanjaka filohan’ny tafika, ho solony, ary i Sadôka no nataon’ny mpanjaka mpisorona, ho solon’i Abiatara.
I Banaiasa zanak’i Jôiadà zanaky ny lehilahy anankiray mahery sy naneho herim-po lehibe matetika, avy any Kabseela. Izy no namely ireo Ariela roalahy avy any Moaba. Indray andro nisy oram-panala izay, dia nidina izy ka namely ilay liona tao amin’ny lavaka famorian-drano.
Izany no nataon’i Banaiasa zanak’i Jôiada, ka nanan-daza tamin’izy telopolo lahy mahery izy.
Nantsoin’i Davida ny mpisorona Sadôka sy i Abiatara, ary ny Levita, i Oriela, i Asaiasa, i Joela, i Semeiàsa, i Eliala ary i Aminadaba.
I Banaiasa zanak’i Jôiadà filohany no lohan’ny antokony fahatelo, ho amin’ny volana fahatelo, ary 24.000 no isan’ny antokony.
i Jekmaama, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Betôrôna, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy;
Fa ireo Levita mpisorona, taranak’i Sadôka kosa, izay nitandrina ny fandaharana momba ny fitoerako masina tamin’ny nivilian’ny zanak’i Israely nanalavitra Ahy, dia izay ireo no hanatona Ahy hanao ny fanompoana amiko, sy hitsangana eo anatrehako, hanatitra ny sabora sy ny ra, - teny marin’ny Tompo Iaveh.