Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

Tôbita 8 - Baiboly Katolika


8. Ilay fasana nototofana

1 Nony vita ny sakafo, dia nentin’izy ireo ho ao amin’i Sarà razazalahy.

2 Tsaroan’i Tobia ny tenin’ny Anjely, ka nangalany ny atin-kazandrano tao an-kitapony, nataony teo ambony vain’afo.

3 Tamin’izay dia nosamborin’ny Anjely Rafaely ilay demony ka nafatony tany an’efitr’i Ejipta ambony.

4 Ary i Tobia kosa namporisika an-drazazavavy nanao taminy hoe: «Mitsangàna, ry Sarà, aoka hivavaka amin’Andriamanitra isika anio sy ampitso ary rahafakampitso; Andriamanitra no iraisantsika mandritra ireo andro telo ireo; rehefa afaka ny alina fahatelo dia ho velona ao amin’ny fanambadiantsika isika.

5 Fa zanaky ny olo-masina, ka tsy mahazo miray araka ny fanaon’ireo firenena tsy mahalala an’Andriamanitra.»

6 Dia nitsangana izy ireo ka niara-nivavaka tamin-kafanam-po mba hanomezany azy ny fahasalamana.

7 Hoy i Tobia: «Ry Tompo Andriamanitry ny razanay, hisaotra anao anie ny tany aman-danitra, ny ranomasina, ny loharano sy ny ony, mbamin’ny zava-boaary rehetra ao aminy.

8 Ianao no nanao an’i Adama, tamin’ny fota-tany sy nanome an’i Eva ho vadiny.

9 Ary ankehitriny, ry Tompo, fantatrao fa tsy mba ny hanarana ny filàn’ny nofoko no angalako an’ity anabaviko ity ho vadiko, fa noho ny faniriako ta hamela taranaka izay hidera ny Anaranao amin’ny toerana rehetra ihany.»

10 Ary hoy i Sarà: «Mamindrà fo aminay, Tompo ô, mamindrà fo aminay, enga anie ka ho tratra antitra ho salama tsy marofy izahay roroa.»

11 Vao maneno akoho dia nasain-dRagoela tonga ny mpanompony ka niara-nandeha taminy hihady fasana ireo,

12 fa hoy izy: «Mety hanjò an’io koa ny nanjò an’ireo fito lahy vadiny izay nandeha hanatona azy.»

13 Nony vita ny fasana, niverina nankao amin’ny vavy i Ragoela, nilaza taminy hoe:

14 «Iraho ny iray amin’ny ankizivavinao, hizaha raha maty izy, mba handevenako azy alohan’ny vaky masoandro.»

15 Dia naniraka ny iray amin’ny ankizivaviny i Anà. Nony niditra tao amin’ilay efitrano io, indreo ry zareo tsy maninon-tsy maninona samy matory avy.

16 Dia niverina izy, nilaza izany vaovao mahafaly izany. Dia nisaotra ny Tompo i Ragoela sy i Anà vadiny nanao hoe:

17 «Misaotra Anao izahay, ry Tompo Andriamanitr’i Israely, fa tsy nihatra ny loza natahoranay.

18 Namindra fo taminay Ianao, fa nampanalavirinao anay ny fahavalo manenjika anay.

19 Efa niantra ireo zanaka samy tokana Ianao, ka ataovy mitombo fisaorana Anao hatrany izy ireo, sy hanolotra sorom-piderana aminao noho ny niarovana azy, ary hahafantaran’ny firenena rehetra fa Ianao no Andriamanitra amin’ny tany rehetra.»

20 Niaraka tamin’izay dia nasain-dRagoela nototofan’ny mpanompony alohan’ny vaky masoandro ilay fasana nataony.

21 Ary nilaza tamin’ny vavy izy hanomana fihinanam-be, sy hanomana ny zavatra rehetra ilain’ny mpivahiny, momba ny vatsiny.

22 Nampamono omby vavy roa matavy koa izy sy ondralahy efatra, hanaovana sakafo ho an’ny manodidina azy rehetra, mbamin’ny sakaizany rehetra.

23 Ary niangavy mafy tamin’i Tobia i Ragoela, mba hijanona eo aminy tapa-bolana.

24 Nomen-dRagoela ho an’i Tobia ny antsasaky ny fananany rehetra, sady nandahatra an-tsoratra koa izy, fa rehefa maty izy ireo, ny antsasany sisa dia tsy maintsy ho lasan-ko fananan’i Tobia ihany koa.

Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.

Malagasy Bible Society
Araho izahay:



dokam-barotra