Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno Tôbita 14 - Baiboly Katolika1 Toy izany no niafaran’ny tenin’i Tobia. Tatỳ aorian’ny nahiratany dia velona 42 taona i Tobia, ka nahita ny zanaky ny zafiny. 13. Niniva 2 Roa amby zato taona no totalin’ny andro niainany, ary nalevina tamim-panajana tany Niniva izy. 3 Fa 56 taona izy, no tonga jamba, ary efa 60 taona izy vao nahiratra indray. 4 Lany tamin’ny hafaliana avokoa ny andro sisa rehetra niainany, ary araka ny nandrosoany tamin’ny fahatahorana an’Andriamanitra no nitomboan’ny fiadanana nankafiziny. 5 Nony efa ho faty izy, nantsoiny ho eo akaikiny avokoa i Tobia zanany sy ny zafiny, zanak’io, fito mirahalahy, ka hoy izy taminy: 6 «Efa akaiky ny faharavan’i Niniva, fa tsy maintsy tanteraka ny tenin’Andriamanitra ary ny rahalahintsika tafaely atỳ, lavitra ny tanin’i Israely dia hiverina any indray. 7 Ka hisy mponina indray ny tanin’i Israely rehetra efa zary efitra teo iny; haorina indray ny tranon’Andriamanitra efa nodorana teo iny, ary hiverina any avokoa izay rehetra matahotra an’Andriamanitra. 8 Handao ny sampiny ny firenena ka ho avy ao Jerosalema sy honina ao. 9 Hifaly ao avokoa ny mpanjakan’ny tany rehetra mitsaoka an’ilay Mpanjakan’i Israely. 10 Koa mihainoa ny rainareo, anaka, manompoa ny Tompo amim-pahamarinana, ary mikeleza aina hanao izay sitrany. 11 Hafatrafaro ny zanakareo hanaraka ny rariny, hanao fiantrana, hahatsiaro an’Andriamanitra, ary hisaotra Azy mandrakariva amim-pahamarinana sy amin’ny heriny rehetra.» 12 «Ankehitriny, anaka, mihainoa ahy, ka aza mitoetra amin’ity tanàna ity, fa amin’ny andro handevenanareo an-dreninareo eo akaikiko, amin’ny fasana iray ihany, dia miaingà hiala atỳ, 13 satria hitako fa hahatarika ny fandravana azy ny tsy fahamarinan’i Niniva.» Ny nahafatesany 14 Koa nony maty ireniny, dia niala tany Niniva i Tobia mbamin’ny vady aman-janany sy ny zafiny ary niverina nankany amin’ny rafozany. 15 Salama tsy marofy sy tratra antitra tsara no nahitany azy, dia izy no nikarakara an’ireo sy nanirina ny masony; nahazo ny lova rehetra tamin’ny tranon-dRagoela, ary nahita ny zanaky ny zanany hatramin’ny taranaka fahadimy izy. 16 Nony efa velona 99 taona tamin’ny fahatahorany ny Tompo izy, dia tamin-kafaliana no nandevenan’ny zanany azy. 17 Naharitra tamin’ny toe-piainana tsara sy fitondran-tena masina, ny fianakaviany aman-taranany rehetra, ka notiavin’Andriamanitra sy ny olombelona ary ny tany ama-monina rehetra. |
Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.
Malagasy Bible Society