Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -

Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

Tôbita 13 - Baiboly Katolika


12. I Siôna

1 Dia nisoka-bava, nisaotra ny Tompo i Tobia rainy ka nanao hoe: «Lehibe Ianao, ry Tompo, ao amin’ny mandrakizay, ary manenika ny taona rehetra ny fanjakanao.

2 Fa mamay Ianao ary mamonjy; mitondra ho any am-pasana Ianao, ary manatsoaka avy ao; ary tsy misy olona afa-mitsoaka eo an-tananao.

3 Mankalazà ny Tompo, ry zanak’i Israely, ary miderà Azy eo anatrehan’ny firenena.

4 Fa nanely anareo ho eo amin’ny firenena tsy mahalala azy Izy, mba hitantaranareo ny asany mahagaga, sy hampahafantaranareo azy ireo fa tsy misy Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra afa-tsy Izy ihany.

5 Nofaiziny isika noho ny tsy fahamarinantsika, ary hovonjeny kosa, noho ny famindram-pony.

6 Diniho ange ny nitondrany antsika, ka misaora Azy amin-tahotra sy hovitra, ary manomeza voninahitra ny Mpanjakan’ny taona rehetra amin’ny asanareo.

7 Raha izaho, dia tiako ny misaotra azy amin’ity tany mahababo ahy ity, satria naharihariny amin’ny firenena meloka, ny voninahiny.

8 Koa mibebaha ianareo, ry mpanota, ary manaraha ny marina eo anatrehan’Andriamanitra, amim-pitokiana fa hamindra fo aminareo Izy.

9 Raha izaho, dia hifaly ao aminy amin’ny foko rehetra aho.

10 Misaora ny Tompo, ianareo rehetra izay vahoaka voafidy. Manaova andro fifaliana, ary mihirà fiderana Azy.

11 Ry Jerosalema, tanànan’Andriamanitra, nofaizin’ny Tompo ianao noho ny asan’ny tananao.

12 Omeo voninahitra ny Tompo amin’ny asa soanao, ary misaora ny Andriamanitry ny taona rehetra, mba haoriny eo aminao indray ny fitoerany masina mba haveriny eo aminao indray ny babo rehetra, dia hifaly amin’ny taona mandrakizay ianao.

13 Hamirapiratra amin’ny hazavana manjopiaka ianao, ka hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra eto an-tany.

14 Ho tonga eo aminao ny firenena avy any an-tany lavitra, hitondra fanatitra ka hitsaoka ny Tompo ao anaty mandanao, sy hihevitra ny taninao ho fitoerana masina;

15 fa hiantso ilay Anarana lehibe eo afovoanao izy.

16 Ho voaozona izay manamavo anao, ho voaheloka izay miteny ratsy anao, ary hotahina izay hanangana anao.

17 Fa ianao kosa hifaly amin’ny zanakao, satria hohasoavina avokoa izy, sady hiangona eo amin’ny Tompo.

18 Sambatra izay rehetra tia anao, sy mifaly amin’ny fiadananao.

19 Ry fanahiko, misaora ny Tompo, satria nanafaka an’i Jerosalema tanànany tamin’ny fahoriany rehetra Izy, ilay Tompo Andriamanitsika.

20 Ho sambatra tokoa aho, raha mba misy tamingako tavela, hahita ny famirapiratan’i Jerosalema.

21 Fa harafitra amin’ny vato safira sy emeraoda ny vavahadin’i Jerosalema, ary amin’ny vato sarobidy avokoa ny mandany rehetra manodidina azy.

22 Vato fotsy madio indrindra no hatao ngorodon’ny tokotaniny, ary hohiraina eny an-dalambeny ny hoe: aleloia!

23 Hisaorana anie ny Tompo, nanome izany voninahitra izany ho an’i Jerosalema, Ary hanjaka eo aminy amin’ny taona mandrakizay anie Izy. Amena!»

Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.

Malagasy Bible Society
Araho izahay:



dokam-barotra