Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

Tôbita 11 - Baiboly Katolika


10. Ny maso nahiratra

1 Nony niverina izy ireo, ka tonga tao Karàna, tanàna eo amin’ny fisasahan-dalana mankany Niniva, tamin’ny andro faha-11,

2 dia hoy ity Anjely: «Ry Tobia rahalahiko, fantatrao ny toetra nandaozanao an-drainao teo;

3 ka raha sitrakao andeha isika hialoha, fa avelao ny ankizy lahy no handeha kelikely isan’andro ato aoriana, miaraka amin’ivadinao sy ireto biby fiompinao.»

4 Nankasitrahin’i Tobia izany hevitra izany, ka hoy i Rafaely taminy: «Mitondrà eo aminao amin’ny aferon-kazandrano, fa misy hilanao an’izany»; dia naka tamin’izany afero izany i Tobia, ary niainga izy ireo.

5 Tamin’izany i Anà, nandeha isan’andro, nipetraka teo amoron-dalana, tamin’izao havoana kely izao, fa mahatazan-davitra eo.

6 Raha ilay nitily ny hiavian-janany iny indrindra izy dia indrỳ izy tazany tamy mbola lavitra, ka rehefa fantany dia lasa izy nihazakazaka nilaza tamin’ny lahy nanao hoe: «Indrỳ tamy ny zanakao.»

7 I Tobia izany, dia nilazan-dRafaely hoe: «Rehefa tonga any an-trano ianao, ny Tompo Andriamanitrao no tsaohy miaraka amin’izay dia misaora azy, vao manatona an-drainao ianao sy manoroka azy;

8 ary hosory faingana amin’ilay aferon-kazandrano nentinao ny masony, satria fantaro fa hisokatra eo no ho eo ny masony ka hahita ny hazavan’ny lanitra ny rainao, sy ho feno hafaliana amin’ny fahitana anao.»

9 Tamin’izay ilay alika nanaraka azy tany am-pivahiniana, nihazakazaka nialoha azy ireo toa hilaza ny vaovao, nanafosafo tamin’ny rambony, an-kafaliana fatratra.

10 Dia nitsangana ity ray jamba, ka rafitra nihazakazaka, fa tafintohina ny tongony ka noraisin’ny mpanompo anankiray tamin’ny tanany izy handeha hitsena an-janany.

11 Nofihininy tamin’ny tanany sy nohorokorohany izy, ary torak’izany koa no nataon’ny vadiny, dia samy latsa-dranomason-kafaliana izy mivady.

12 Nony avy nitsaoka sy nisaotra an’Andriamanitra izy ireo, dia nipetraka.

13 Niaraka tamin’izay, nalain’i Tobia ny aferon-kazandrano, ka nohosorany tamin’io ny mason-drainy.

14 Niandry sahabo ho antsasak’adiny izy, dia nisy zavatra fotsifotsy hoatra ny hoditr’atody nanomboka niala avy ao amin’ny masony.

15 Noraisin’i Tobia izay, nosintoniny hiala amin’ny mason-drainy, dia nahiratra niaraka tamin’izay izy.

16 Koa nisaotra an’Andriamanitra izy ireo, dia izy sy ny vadiny mbamin’izay rehetra nahalala azy.

17 Hoy i Tobia: «Misaotra Anao aho, ry Tompo Andriamanitr’i Israely, fa nofaizinao aho, dia nositraninao indray; ary indro mahita an’i Tobia zanako aho.»

18 Hafitoana taorian’izany, dia tonga koa i Sarà sy ny mpanompony rehetra samy salama tsara, mbamin’ny biby fiompiny aman-drameva ary ny vola rehetra tamin’ny fanambadiany, sy ilay naverin’i Gabelosa.

19 Notantarain’i Tobia tamin-drainy aman-dreniny ny soa rehetra natolotr’Andriamanitra azy, tamin’ny nataon’ity lehilahy nitari-dalana azy.

20 I Akiora sy i Nabata havan’i Tobia koa tonga namangy azy tamin’ny soa rehetra nataon’Andriamanitra taminy.

21 Ka niara-nihinana sy nirobiroby fatratra izy ireo, nandritra ny hafitoana.

Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.

Malagasy Bible Society
Araho izahay:



dokam-barotra