Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -

Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

Jodita 3 - Baiboly Katolika

1 Tamin’izany ny mpanjaka aman’andriandahy amin’ny tanàna rehetra sy amin’ny tany rehetra, dia ny tao Sirian’i Mesôpôtamia, Sirian’i Sobà, Libia ary Silisia, dia naniraka ambasadaoro nankany amin’i Hôlôferina nanao taminy hoe:

2 «Aonòny ny hatezeranao aminay, fa aleo velona aina hanompo an’i Nabokodonozora mpanjaka lehibe sy manaiky anao, toy izay maty, sady efa mifaditra ny ahitra amin’ny fahandevozana indray no hahafatesana.

3 Indro eo anatrehanao avokoa ny tanànanay rehetra, sy izay mety ho fanananay rehetra, ny tendrombohitra rehetra, ny havoanay, ny sahanay, ny andian’ombinay aman’ondry sy osy, ny soavalinay, ny ramevanay, ny harenay, ary ny fianakavianay.

4 Aoka ho eo ambany fifehezanao avokoa izay anananay rehetra.

5 Mpanomponao avokoa izahay sy ny zanakay.

6 Tongava any aminay, toy ny tompo tia fihavanana, ary alamino araka izay itiavanao azy ny fanompoana hataonay.»

7 Dia nidina avy eny an-tendrombohitra i Hôlôferina mbamin’ny mpitaingin-tsoavaliny, tamin-kery lehibe, ka nanjary tompon’ny tanàna rehetra mbamin’ny mponina rehetra amin’ny tany izy.

8 Ny tanàna rehetra dia samy nangalany lehilahy mahery sy izay voatsonga hiady, nataony mpanampy.

9 Ary loza tokoa ny tahotra nanindry ny olona tamin’izany faritany izany, ka ny mponina tamin’ny tanàna rehetra, na ny andriambaventy na ny olona manan-kaja indrindra, na ny sarambabem-bahoaka, raha tamy izy, dia nivoaka hitsena azy avokoa,

10 nitondra satroboninahitra amam-panilo handray azy, nandihy tamin’ny feon’amponga aman-tsodina.

11 Na dia izany aza anefa, tsy hain’izy ireo notonena ny hasiahan’ny fony tamin’izany nataony izany.

12 Noravany ny tanànan’izy ireo, nokapainy ny hazo masiny.

13 Satria didy azony tamin’i Nabokodonozora ny handringana ny andriamanitry ny tany rehetra, mba ho izy irery ihany no antsoina hoe andriamanitra amin’ny firenena rehetra izay azon’ny herin’i Hôlôferina hampanekena.

14 Nony avy nitety an’i Sirian’i Sobà, i Apamea rehetra, mbamin’i Mesôpôtamia manontolo izy, dia tonga teo amin’ny Idomeanina, amin’ny tanin’i Gabaà,

15 ka nony azony ny tanànan’ireo, dia nijanona telopolo andro teo izy, nanangona ny miaramila rehetra tamin’ny tafika nentiny.

Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.

Malagasy Bible Society
Araho izahay:



dokam-barotra