Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -

Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

Jodita 2 - Baiboly Katolika


Fanafihan’i Hôlôferina tany Andrefana

1 Tamin’ny taona faha-13, nanjakan’i Nabokodonozora mpanjaka, tamin’ny andro faha-22n’ny volana voalohany, no nanapahana ny hevitra tao an-tranon’i Nabokodonozora mpanjakan’i Asiria, ny hamaliany.

2 Dia nantsoiny avokoa ny loholony sy ny lehibe rehetra mbamin’ny mpiadiny, dia niara-nihevitra mangingina tamin’ireo izy.

3 Nolazainy tamin’ireo fa ny hampanaiky ny tany rehetra ho ambany fahefany no fikasany.

4 Nankatoavin’izy rehetra izany lahateniny izany, ka nampiantsoin’i Nabokodonozora i Hôlôferina, komandy ben’ny tafika,

5 nilazany hoe: «Miaingà ianao handeha hamely ny fanjakana rehetra any andrefana, indrindra indrindra ireo izay namotsifotsy ny teniko.

6 Aoka ny masonao tsy hitsitsy fanjakana iray akory, ary ampanekeo ahy avokoa ny tanàna mimanda rehetra.»

7 Tamin’izay dia nantsoin’i Hôlôferina ny lehibe sy ny manamboninahitry ny foloalindahin’ny Asirianina, ka naka miaramila hiantafika, araka ny didin’ny mpanjaka izy; 120.000 no isan’ny miaramila an-tongotra, ary 12.000 ny an-tsoavaly mpandefa tsipìka.

8 Rameva maro be tsy hita isa nitondra fitaovana sesehena ho an’ny miaramilany, sy andian’omby aman’ondry tsy tambo isaina, no nampialohainy ny tafiny.

9 Nasainy novonoina eny amin’ny halehany ny vary avy amin’i Siria manontolo.

10 Volamena sy volafotsy tsy hita noanoa no nalainy tao amin’ny tranon’ny mpanjaka.

11 Dia niainga izy sy ny tafiny rehetra, mbamin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly sy mpandefa tsipìka, ka nandrakotra ny tany, mova tsy ny valala.

12 Nony avy namaky ny sisin-tanin’i Asiria izy, dia tonga teo amin’ireo tendrombohitra lehibe any Ange, izay ao avaratr’i Silisia, dia nitsofohany avokoa ny tanàna mimanda, dia afany daholo ny fiarovana rehetra.

13 Nanihiny ka afany i Melitena ilay tanàna malaza, ary nobaboiny avokoa ny mponina tao Tarsa, mbamin’ny taranak’i Ismaely izay nonina teo an-tandrifin’ny efitra, sy teo atsimon’i Selôna.

14 Nita an’i Eofrata izy, dia nankany Mesôpôtamia, ary niadiany an-keriny avokoa ny tanàna mimanda rehetra tamin’izany tany izany, hatramin’ny mason-dranon-driaka Kaborasa ka hatrany amin’ny ranomasina.

15 Manaraka izany, dia azony avokoa ny tany rehetra manolotra an’i Eofrata, hatrany Silisia ka hatrany amin’ny faritanin’i Jafeta, izay mandroso mianatsimo.

16 Nentiny ho babo avokoa ny taranak’i Madiàna, norobainy daholo ny hareny ary novonoiny tamin’ny sabatra izay rehetra nanohitra azy.

17 Avy eo dia nidina teny an-tsahan’i Damasa izy, tamin’ny fotoam-pijinjana, nandoro ny vokatra rehetra sy nampikapa ny hazo amam-boaloboka rehetra.

18 Dia raiki-tahotra ny fiadiany ny mponina rehetra amin’ny tany.

Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.

Malagasy Bible Society
Araho izahay:



dokam-barotra