Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

2Makabeo 8 - Baiboly Katolika


5. NY FANDRESEN’NY JODAISMA SY NY NAHAFATESAN’ILAY MPANENJIKA ARY NY NANDIOVANA NY TEMPOLY I Jodasy Makabeo manomboka ny ady masina

1 Tamin’izany i Jodasy Makabeo sy ireo namany, dia niditra an-tsokosoko tamin’ny tanàna, niantso ny havany hiaraka aminy, sy nandray izay tsy nivadika tamin’ny fivavahana Jody, hikambana aminy, ka nahavory miaramila sahabo ho enina arivo.

2 Nitalaho tamin’ny Tompo izy ireo hitsinjo ity vahoakany, hosihosen’ny olona rehetra, hangoraka ity tempoliny lotoin’ny mpankahala ny fivavahana,

3 hiantra izato tanàna ravana, efa hitovy tantana amin’ny tany; hihaino ny feon’ny ra nalatsaka, izay mitaraina aminy.

4 hahatsiaro ny namonoana tsy an-drariny an’ireo zaza tsy manan-tsiny sy ny faniratsirana nafitsoka ny Anarany, ka haneho ny fankahalany an’ireo ratsy fanahy.

5 Nony nahazo miaramila betsaka tarihiny i Makabeo, dia tsy azon’ny firenena noresena izy, satria efa niova ho famindram-po ny hatezeran’ny Tompo.

6 Nosovohiny tampoka ny tanàna amam-bohitra, dia nodorany, ary notanany ireo fitoerana tsara indrindra, ka nataony resy ny fahavalo betsaka.

7 Ny alina indrindra no nofidiny, handreseny moramora kokoa amin’izany karazam-pandresena izany. Niely hatraiza hatraiza ny lazan’ny herim-pony.


Ireo hetsika voalohany
(Jereo 1Mak 3,38–4,25 )

8 Tsy ela dia hitan’i Filipo, ny fandrosoan’ity lehilahy mbamin’ny fandresena mihamatetika azony, ka nanoratra izy ho any amin’i Ptôlemea, komandin’ny miaramilan’i Sele-Siria sy i Fenesia, mba hamonjy ny mpanjaka amin’ny raharahany.

9 Tsy niandry i Ptôlemea fa raikitra nanao ny raharaha teo no ho teo, ka naniraka an’i Nikanôra zanak’i Patrôkla, iray amin’ireo sakaizan’ny mpanjaka voalohandohany nitondra miaramila 20.000, fara fahakeliny, avy amin’ny firenen-tsamihafa, handringanany ny firenen’ny Jody manontolo; nomeny azy ho mpanampy koa i Gôrjiasa, jeneraly zatra fatratra amin’ny zavatra momba ny ady.

10 Natoky mihitsy i Nikanôra fa hahavonona talenta 2.000 ho an’ny mpanjaka amin’ny vidim-babo halaina ao amin’i Jodea izay tetin’ny hetra haloa amin’ny Rômanina.

11 Dodona erỳ izy nandefa fiantsoana amin’ny tanàna amoron-dranomasina, ho tonga hividy andevo Jody, sady nampanantena fa hataony talenta iray amin’izy ireo ny sivy folo aminy, tsy nofisiny akory izay famaliana avy amin’ny Tsitoha vao hanjò azy.

12 Vao nandre ny dian’i Nikanôra i Jodasy dia nampandrenesiny an’ireo namany fa akaiky ny fahavalo.

13 Ka ny sasany, raiki-tahotra sy tsy ampy finoana ny fahamarinan’Andriamanitra, dia nitsoaka nandositra any an-tany hafa;

14 ny sasany nivarotra izay sisa teo an-tanany rehetra, sady nivavaka tamin’ny Tompo koa hanafaka azy amin’i Nikanôra mpankahala ny fivavahana, izay efa nivarotra azy sahady, talohan’ny haharaiketan’ny ady;

15 na dia tsy noho ny amin’izy ireo aza, dia noho ny fiheverana ny fanekena natao tamin’ny razany ahay, ary noho ny Anarany masina sy lehibe efa voaantso tamin’izy ireo.

16 Novorin’i Makabeo ny sisa tafajanona taminy, nisy 6.000 lahy no isany, dia namporisihiny tsy hatahotra, na hihorohoro amin’izay hamaroan’ny firenena tamy hamely azy tsy an-drariny, fa hiady amin-kerim-po,

17 ka hany hatrehina, dia ny fandoroana tsy mendrika nafitsok’ireo ny fitoerana masina, ny fanazimbazimbana ny tanàna noravany, mbamin’ny fanafoanana ny fomba nentin-drazana.

18 «Izy ireo, hoy izy, mitoky amin’ny fiadiana sy ny fikatrohana amin-kasahiana; fa isika kosa, mametraka ny fitokiantsika amin’Andriamanitra, Tompon’ny zavatra rehetra, mahay manakorontana ireo tamy hamely antsika sy izao tontolo izao aza, amin’ny baiko iray monja.»

19 Dia novisavisainy teo anatrehan’izy ireo ny ohatry ny fiarovan’Andriamanitra fahataloha; ny naharingana ny miaramila 18.000 tamin’ny andron’ny Senakeriba;

20 tamin’ny ady tamin’ny Galata, tany Babilônia, 8.000 lahy monja no isan’ny nikatroka, nampiana Masedôniana 4.000, voasokera mafy dia mafy izy ireto; nefa nahafaty fahavalo 120.000, izy 8.000 lahy, noho ny vonjy azony avy amin’ny lanitra sady nahazo vokatsoa be vava.

21 Nony avy nanome toky azy ireo, tamin’izany fampahatsiarovana izany izy, sy namonoan-ko faty azy ireo ho an’ny lalàna aman-tanindrazana, dia nozarainy ho antokony efatra ny tafiny.

22 Napetrany hitarika isan-tokony avy i Simôna sy i Josefa ary i Jônatasy rahalahiny; nomeny miaramila 15.000 avy.

23 Fanampin’izany, nandidy an’i Eleazara izy hanao famakiana ny boky masina; raha efa izany, nomeny ny baiko hoe: «Vonjin’Andriamanitra.», dia nitarika ny antokony voalohany izy namely an’i Nikanôra.

24 Tonga namonjy azy ny Tsitoha ka matiny ny fahavalo mihoatra ny 9.000, naratrany sy noboriany ny ankabeazan’ny miaramilan’i Nikanôra nataony vaky nandositra avokoa.

25 Nalainy koa ny volan’ireo izay tonga hividy azy. Efa lasa lavitra ihany izy nanenjika ny mpandositra,

26 vao niverina, fa voasakan’ny fotoana, satria andro mialoha ny sabata tamin’izay; izany no tsy nanohizany ny fanenjehana azy.

27 Ka nangoniny ny fiadian’ny fahavalo, nobaboiny izay teny aminy, dia nankalaza ny sabata izy, nisaotra inarivo sy nidera ny Tompo, izay namonjy azy tamin’izany andro izany, fa efa nanapa-kevitra haneho taminy ny fiandohan’ny famindram-pony.

28 Nony lasa ny sabata, nizarany tamin’ny babo ireo niharan’ny fanenjehana, ny kamboty sy ny mpitondratena, vao nozarainy tamin’ny samy izy mbamin’ny zanany ny sisa.

29 Vita izany dia rafitra niara-nivavaka izy ireo, nitalaho tamin’ny Tompo mpamindra fo, hihavana tanteraka amin’ny mpanompony indray.


I Timoteo sy i Bakidesa samy resy

30 Mihoatra ny 20.000n-dahy no matiny koa, tamin’ny miaramila niady fehin’i Timoteo sy i Bakidesa ary azony tamin-kerim-po ireo trano mimanda avo. Nozarainy roa mitovy ny babo betsaka azony: ny iray toko azy; ny iray toko an’ireo nenjehina, ny kamboty, ny mpitondratena ary ny antitra koa.

31 Nangoniny ny fiadiana, dia napetrany tamim-pilaminana tao amin’ny fitoerana mety; ary nentiny ho any Jerosalema ny babo sisa.

32 Novonoiny ho faty i Filarka, izay nomba an’i Timoteo, lehilahy ratsy fanahy loatra izy izany, nahavita ratsy be tamin’ny Jody.

33 Raha mbola nankalaza ny fandreseny tao amin’ny renivohiny izy, ry Kalistena mbamin’ny sasany hafa kosa izay nandoro ny varavarana masin’ny tempoly dia nandositra tao an-trano kely anankiray; ka dia nodorany tao ireo, sy nomeny ny valy tandrifin’ny fametavetany ny zavatra masina.


I Nikanôra nandositra sy niaiky

34 I Nikanôra ilay jiolahy safatsiroa, izay nampiavy mpandranto 1.000, hividy ny Jody aminy,

35 dia voaetrin’ireto nataony osa noho izy, noho ny vonjy avy amin’ny Tompo, ka nendahany ny fitafiam-boninahitra teny aminy, dia namakivaky ny saha toy ny mpandositra izy tsy nisy mpanotrona, ary niditra tao Antiôkia honjohonjon’izy irery, sady nivarilavo fa namoy ny tafiny.

36 Ilay izy nampanantena hanefa ny sisan’ny hetra haloa amin’ny Rômanina, amin’ny vidim-babo avy any Jerosalema teo iny indrindra, no nilaza ampahibemaso fa manana an’Andriamanitra ho mpiaro azy ny Jody, ka tsy mety maratra izy amin’izany; satria mankatò ny lalàna nandidiany azy izy ireo.

Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.

Malagasy Bible Society
Araho izahay:



dokam-barotra