Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 2Makabeo 7 - Baiboly KatolikaNy nanaovana martiry azy fito mirahalahy (Jereo Heb 11,35 ) 1 Nisy koa olona fito mirahalahy, nosamborina miaraka amin-dreniny; ary notadiavin’ny mpanjaka hoterena hihinan-kena kisoa, noraran’ny lalàna, izy ireo, ka nokapohina natao hoto tamin’ny kotopia aman-kozatr’omby. 2 Niteny tamin’ny anaran’izy rehetra ny iray taminy nanao hoe: «Inona no tadiavinareo ary inona no tianareo ho fantatra avy aminay? Vonon-ko faty izahay, toy izay hamadika ny lalàn’ny razanay.» 3 Nisafoaka ny mpanjaka, ka nandidy ny hanokoana ny lapoaly amam-bilany. Vantany vao nafana mahamay ireo, 4 dia io niteny tamin’ny anaran’izy rehetra io no nasainy notapahina ny lelany, nohodirana ny lohany, no tapahina eo imason’iretsy rahalahiny sisa sy ny reniny ny tongotra aman-tanany. 5 Nony voabory manontolo toy izany io, nasainy natao teo akaikin’ny afo mbola miaina ihany sy nendasina teo amin’ny lapoaly. Ilay mihahaka lasan-davitra eo ny fofona avy eo amin’ny lapoaly, izy mirahalahy avy mbamin’ity reniny kosa nifamporisika samy ho faty an-kerim-po. 6 «Mahiratra ny Tompo Andriamanitra, hoy izy ireo, ary mangoraka antsika marina tokoa Izy, araka ny voalazan’i Môizy, ao amin’ny tononkira milaza an-kitsiloha mananatra an’i Israely hoe: Hamindra fo amin’ny mpanompony Izy.» 7 Toy izany no nahafatesan’ilay voalohany, dia nampandrosoina hampijaliana ny faharoa. Nohodirana mbam-bolony aloha ny lohan’io, dia nanontaniana izy raha mety hihinana hena kisoa, alohan’ny hampijaliana azy amin’ny rantsam-batany rehetra. 8 Namaly io tamin’ny tenin-drazany nanao hoe: «Tsia,» ka dia niaritra fampijaliana torak’ilay voalohany koa izy. 9 Hoy izy nony efa ho tapitra ny ainy: «Ianao tsy misoro-doza izao manala anay amin’ny fiainana ankehitriny; fa ilay Mpanjakan’izao tontolo izao kosa, hanangana anay ho amin’ny fiainana mandrakizay; fa maty noho ny tsy fivadihana amin’ny lalàny izahay.» 10 Nanarakaraka io, nampijalina indray ny fahatelo. Vao nasain’ny mpanompo nataony, dia natrangany niaraka tamin’izay ny lelany, nahinjiny tsy aman-tahotra ny tanany, 11 ary nolazainy an-kerim-po mahate-hidera izao: «Ny Lanitra no nahazoako ireto rantsam-batako ireto, ary avy aminy no antenaiko hahazoana an’ireto indray, indray andro any.» 12 Na ny tenan’ny mpanjaka, na ireo nanotrona azy, dia samy gaga avokoa tamin’ny herim-pon’io tovolahy io, fa tsy nahoany akory izay fijaliana. 13 Maty io dia fijaliana torak’ireo ihany koa no nahatra tamin’ny fahefatra. 14 Hoy izy, nony efa hiala aina: «Sambatra izay matin’ny tanan’olombelona manam-panantenana avy amin’Andriamanitra, fa hatsangany amin’ny maty! Fa raha ianao kosa, dia tsy mba ho amin’ny fiainana ny fitsangananao amin’ny maty.» 15 Nentina indray ny fahadimy, dia nampijaliana. Fa nibanjina ny mpanjaka io, ka nanao hoe: 16 «Na dia olona mety maty aza ianao, dia manam-pahefana amin’ny olombelona, sy manao izay tianao. Aza ataonao anefa, fa afoin’Andriamanitra ny firenenay. 17 Fa ianao kosa hahita ny fahefany lehibe, sy ny hampijaliany anao mbamin’ny firenenao.» 18 Nanarakaraka an’io, dia nentina ny fahenina. Hoy izy nony efa ho faty: «Aza mamita-tena foana ianao, fa izahay ihany no nitarika izao hanjò ny tenanay, noho ny nanotanay tamin’Andriamanitra ihany, ka niharan’ny loza mahatalanjona. 19 Ianao anefa aza mihevitra ny ho afa-potsiny rehefa sahy niady tamin’Andriamanitra.» 20 Mahagaga mihoatra izay azo lazaina, sy mendrika fahatsiarovana manehoeho ilay reniny, fa nahita ireto zanany fito mirahalahy maty tanatin’ny indray andro monja; nefa notohanan’ny fanantenana ao amin’ny Tompo izy dia nahazaka izany tamin-kerim-po. 21 Samy namporisihiny tsirairay avy izy ireo tamin’ny fitenin-drazany ary feno hevitra mendrika indrindra izy, ka ny halemem-behivavy tao aminy, dia notohanany herim-pon-dehilahy. 22 Dia hoy izy tamin’izy ireo: «Tsy fantatro izay nisehoanareo tao an-kiboko; tsy izaho no nanome fanahy amam-piainana anareo; tsy izaho no nanambatra ny foto-javatra iforonan’ny vatanareo. 23 Noho izany, ny Mpahary izao tontolo izao, izay namorona ny olombelona hatramin’ny nahaterahany, sy manapaka ny fiavian’ny zavatra rehetra, dia mbola hamerina aminareo ny fanahy amam-piainana, noho ny famindram-pony, satria noho ny fitiavanareo ny lalàny no anaovanareo tsy ho zavatra ny tenanareo ankehitriny.» 24 Nataon’i Antiôkosy fa tsiratsiraina izy, ary noheveriny ho fanazimbana azy ireo teny ireo. Raha mbola velona ihany ilay faralahy, dia sady namporisihiny io no nampanantenainy tamim-pianianana, fa hataony tonga sambatra sy manan-karena raha mahafoy ny lalàn’ny razany, dia horaisiny ho sakaiza ary homeny raharaha ambony. 25 Tsy nasian-drazazalahy raharaha akory anefa ireo fanolorana ireo; ka ny reniny no nantsoin’ny mpanjaka sy nasainy nanome hevitra mahavonjy an’ity zatovo. 26 Namporisihiny ela ravehivavy vao nanaiky hitaona an-janany. 27 Nihilana teo aminy izy no sady nanaraby an’itsy mpanjaka masiaka, ka dia niteny tamin’ny fitenin-drazany hoe: «Mamindrà fo amiko anaka, izaho nitondra anao sivy volana tato an-kiboko, nampinono anao telo taona, nikarakara anao, namelona sy nanabe anao hatramin’izao taonanao izao. 28 Ka mihanta aminao aho jereo ny lanitra sy ny tany, diniho izay rehetra eo aminy, ary fantaro fa Andriamanitra no nahary izany tamin’ny tsinontsinona, ary toy izany no nahazoan’ny taranak’olombelona fisiana. 29 Aza matahotra ity mpamono, mbà mendrika an’ireo rahalahinao, ka ekeo ny ho faty mba hahitako anao miaraka amin’ny rahalahinao, raha mby amin’ny andro famindram-po.» 30 Mbola miteny eo izy, dia hoy razazalahy: «Fa inona no andrasanareo? Tsy ekeko ny didin’ny mpanjaka, ny didin’ny lalàna nomen’i Môizy ny razanay no ekeko. 31 Ary ianao izay fototr’izao loza rehetra mamely ny Hebrio izao, dia tsy ho afa-mandositra ny sandrin’Andriamanitra. 32 Fa izahay nijaly, dia noho ny fahotanay, 33 ary ny Tomponay izay velona, na maneho vetivety ny hatezerany aminay aza hahafaizany sy hananarany anay, dia mbola hihavana amin’ny mpanompony indray. 34 Fa ianao kosa, ry ilay mpankahala ny fivavahana sy mahavanon-doza indrindra amin’ny olombelona rehetra, aza dia tafahoatra miavonavona foana, na mitoky foana manao hevi-dravina, raha manainga tanana hamely ny mpanompon’Andriamanitra, 35 fa ianao akory tsy mbola afa-nandositra ny fitsaran’Andriamanitra, mahefa ny zavatra rehetra sy mitandrina azy rehetra. 36 Ny rahalahinay izao, vao avy niaritra fampijaliana mandalo, dia nahazo ny fihavanan’Andriamanitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, fa ianao kosa amin’ny fitsaran’Andriamanitra, dia hivesatra ny sazy tandrifin’ny fiavonavonanao. 37 Raha ny amiko kosa, torak’ireo rahalahiko koa, dia afoiko ny aiko amam-batako noho ny lalàn’ny razako ary ihantako Andriamanitra mba hiantra faingana ny vahoakany, fa hitondra anao amin’ny fijaliana amam-pangirifiriana kosa, hiekenao fa Izy irery no Andriamanitra; 38 ary enga anie ka hianina amiko sy amin’ireo rahalahiko ny fahatezeran’ny Tsitoha, izay mirehitra amin’ny firenenany manontolo an-drariny.» 39 Nentin-katezerana loatra ilay mpanjaka ka nasiany mafy noho ireo taloha aza ity, fa tsy zakany izany vingavingain’olona. 40 Toy izany no nahafatesan’ity zazalahy madio tsy voalotom-panompoan-tsampy akory sy nametraka ny fitokiany rehetra tamin’ny Tompo. 41 Farany, dia maty nanarakaraka ireo zanany koa ireniny. 42 Ampy ireo ny amin’ny fisoronana sy ny halozan’i Antiôkosy safatsiroa aman-tany. |
Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.
Malagasy Bible Society