Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

2Makabeo 6 - Baiboly Katolika


Nahazo toerana ny fanompoan-tsampy
(Jereo 1Mak 1,45-51 )

1 Andro vitsivitsy taorian’izany, dia naniraka anti-dahy anankiray avy any Atena ny mpanjaka, hanery ny jody handao ny fivavahan-drazany sy hisakana azy tsy hiaina araka ny lalàn’Andriamanitra,

2 ary handoro ny tempolin’i Jerosalema hanokana azy ho an’i Jopitera Olimpianina, ary ny tempoly any Garizima, ho an’i Jopitera Mpandray vahiny, araka ny toetry ny mponina amin’izany tany izany.

3 Namohehatra sy tsy hay leferina mihitsy, ny nidiran’izany loza izany, na dia ho an’ny ankapobem-bahoaka aza;

4 satria ny tempoly nataon’ny Jentily karandahy sy karam-bavy, feno filerana amam-pahavetavetana, niray tamim-behivavy teo amin’ny kianja masin’ny Tempoly ny lehilahy, sady nitondra ny zavatra voarara, ho eo;

5 ny ôtely aza rakotra sorona natao tamin’ny zavatra maloto, voararan’ny lalàna.

6 Tsy azo natao intsony ny mankalaza ny sabata, na ny fety fanaon’ny razantsika, na ny milaza teny fotsiny hoe Jody aza.

7 Voatery ny Jody ka nangidy taminy izany, ny ho any amin’ny sorona fanao isam-bolana, amin’ny andro nahaterahan’ny mpanjaka; amin’ny fetin’ny Bakanala, noterena izy hamindra any an-dalambe, voaisy fehiloha liera, ho fanajana an’i Bakosa.

8 Nisy didy navoaka noho ny famokisana nataon’i Ptôlemea mba hampihatra izany hevitra izany ihany koa amin’ny Jody ao amin’ny tanàna grika manolotra azy, sady hanao sorona;

9 ary nasaina novonoina ho faty izay mandà tsy hanaraka ny fanao grika. Ka mampalahelo loatra ny zavatra niseho hitan’ny maso.


(Jereo 1Mak 1,60-61–2,32-38 )

10 Ohatra, nisy vehivavy roa namora ny zanany, dia nosamborina nahantona tamin’ny nonony ny zanany, notaritarihina ampahibemaso eran’ny tanàna, dia navarina avy eny an-tampon’ny manda.

11 Nisy koa niara-nankany amin’ny zohy akaiky, hankalaza an-tsokosoko ny andro sabata, fa voampanga tamin’i Filipo, ka nodorana tao, tsy sahy niaro tena akory, noho ny fanajana sy fahamasinan’izany andro izany.


Soa avy amin’ny fanenjehana
(Jereo 2Mak 5,17-20–7,16-17, 32-38 )

12 Mihanta amin’izay hahazo ity boky ity eo an-tanany aho, mba tsy hety ho sanganehana noho izany loza izany; fa aoka hino izy, fa tsy ho fandravana fa ho famaizana ny firenentsika no nisian’ireo fanenjehana ireo.

13 Raha tsy avelan’Andriamanitra hitoetra ela tsy voasazy ny mpanota, fa ampidinina faingana amin’izy ireo ny famaizana, dia mariky ny fahatsaram-po lehibe izany.

14 Ary tokoa, fa raha hamay ny firenen-kafa ny Tompo lehibe indrindra, dia andrasany amim-pandeferana izy hahatratra ny fara fetran’ny faharatsiana; fa tsy toy izany kosa no ataony ho tokony hitondrana antsika

15 mba tsy hisy tokony hamaliany ratsy ny nataontsika, rehefa hahatratra ny fara fetrany ny fahotantsika.

16 Hany ka tsy manala ny famindram-pony amintsika Izy na oviana na oviana; tsy mahafoy ny vahoakany Izy, na mamay azy amin’ny fahoriana aza.

17 Ampy ho anay ny mampahatsiaro izany zava-marina izany, ary manaraka izany teny vitsivitsy izany, dia tokony hiverina amin’ny filazanay ny tantara izahay.


Ny nanaovana martiry an’i Eleazara

18 I Eleazara iray amin’ireo mpampiana-dalàna ambony. izay lehilahy efa nandroso taona, sy niendrika andriana indrindra, dia nosokafana an-keriny ny vavany noterena hihinan-kena kisoa.

19 Kanefa naleony maty be voninahitra toy izay velona ho olo-meloka; naloany ny hena, dia nandroso an-tsitrapo ho any amin’ny fampijaliana izy;

20 toy ny tsy maintsy androsoan’izay manan-kerim-po handoa ny voarara tsy hohanina, noho ny fitiavana ny aina.

21 Nifankahazo tamin’i Eleazara hatry ny ela kosa, ireo voatendry hitarika izany fisoronana manohitra ny lalàna izany, ka nalainy mangingina izy, novokisany hampaka hena azo hanina sy nandrahoin’ny tenany ihany ary hody hihinana ny hena natao sorona, araka ny nandidian’ny mpanjaka;

22 satria rehefa vitany izany, dia ho afaka amin’ny fahafatesana izy, ka hahita soa amin’ny famindram-po ataon’izy ireo noho ny fisakaizany taminy efa ela be.

23 Fa izy kosa nandinidinika tamim-pahendrena araka izay nety, ny taonany sy ny fanajana ambony tandrifin’ny fahanterany, ampian’ny volony fotsy be voninahitra sy ny toe-piainana mendrika indrindra narahiny hatramin’ny fahazazana, ary indrindra ny lalàna masina naorin’Andriamanitra mihitsy; ka noho izany ny handefasana azy faingana any amin’ny fonenan’ny maty, no navaliny.

24 «Tsy mety tokoa, hoy izy, raha olona be taona toa anay izao no hoe manafin-kevitra; fandrao dia heverin’ny zatovo maro fa nanaraka ny fombam-pirenen-kafa tokoa i Eleazara nony efa sivy folo taona.

25 Amin’izany izy ireo, noho ny fanafenako hevitra, sy noho ny sisam-piaina-mandalo, dia ho diso lalana; ka ho voatototra henatra amam-pahafaham-baraka ny fahanterako.

26 Ary na ho afaka amin’ny sazin’olombelona fe ankehitriny aza aho, tsy ho afa-mandositra ny tanan’Ilay mahefa ny zavatra rehetra, na velona aho na maty.

27 Noho izany, raha amin-kerim-po no handaozako ity fiainana ity ankehitriny, dia hiseho ho mendrika ny fahanterako ahay,

28 ary ohatra ambony no havelako harahin’ny tanora amin’ny fahafatesana an-tsitrapo sy amin-kerim-po noho ny lalàna mendrika hohajaina sy masina.» Vao avy niteny izany izy, dia nizotra nankao amin’ny fiasana famonoana.

29 Noheverin’izay nitondra azy hankeny ho hadalana ny teny vao notononiny, ka novany ho halozana ny fitiavany azy vao nasehony taminy teo.

30 Nony efa ho fatin’ny kapoka izy, dia nisento nanao hoe: «Ny Tompo manana ny fahalalana masina no mahita fa rehefa afa-mandositra ny fahafatesana ihany aho, dia miaritra fampijaliana mafy amin’ny nofoko, asiana ny langilangy; fa amin’ny fanahiko kosa, mandefitra izany an-kafaliana noho ny fanajako Azy.»

31 Toy izany no namoizany ny ainy ka ny fahafatesany nataony tonga oha-kerim-po sy tsangam-baton’ny hatsaram-panahy, tsy ho an’ny tanora ihany, fa ho an’ny vahoaka rehetra koa.

Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.

Malagasy Bible Society
Araho izahay:



dokam-barotra