Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -

Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

2Makabeo 4 - Baiboly Katolika


4. FAMPIELEZANA NY HELENISMA SY FANENJEHANA FAHA-ANTIOKOSY EPIFANA Zava-dratsy nataon’i Simôna

1 Io Simôna voalaza teo io, ilay mpitati-bolana ny amin’ny rakitra sy ny tanindrazany, io no nilaza ratsy an’i Oniasa: «Izy io, hoy izy, no namoky an’i Heliodoro, izy no fototry ny loza rehetra.»

2 Sahiny nolazaina ho mpanohitra ny fanjakana, ilay mpanao soa ny tanàna, sy mpiaro ny mpiray tanindrazana aminy, ary mpitandrina mahatoky ny lalàna.

3 Lasa lavitra loatra izany fandrafiana izany, fa vonoana olona aza no vitan’ny iray amin’ny mpiandany amin’i Simôna.

4 Ka nony nodinihin’i Oniasa ny loza avy amin’izany fifampiandaniana izany, sy ny hatezeran’i Apôlôniosy governoran’ny miaramilan’i Sele-Siria sy i Fenisia, izay namporisika ny haratsian’i Simôna, dia lasa izy nankany amin’ny mpanjaka;

5 tsy ny hiampanga ny mpiray tanindrazana aminy no nokendreny, fa ny soa ankapobe sy manokana ho an’ny vahoakany rehetra.

6 Satria hitany fa tsy misy azo andaminana izany toe-javatra izany sy hampiala an’i Simôna amin’io zava-mahameloka efa natombony io, afa-tsy ny fanelanelanan’ny mpanjaka ihany.


I Jasôna mpisorom-be mampiditra ny Helenisma

7 Nony maty anefa i Seleokosy, ka i Antiôkosy, natao hoe Epifana, no nandimby azy, dia nanao izay hisazohany ny fiandrianan’ny mpisorona lehibe i Jasôna rahalahin’i Oniasa.

8 Lasa izy niresaka tamin’ny mpanjaka nampanantena azy talenta volafotsy 360 sy talenta 80 avy amin’ny zavatra niditra hafa koa.

9 Nampanantena koa izy, ny hanao fanekena an-tsoratra fa hanome talenta 150 koa indray, raha omena alalana izy mba hanorina trano fampianarana asa fampahatanjahan-tena, hisy fitoerana voatokana ho an’ny zatovolahy, miankina amin’ny fahefany ihany sy voalahatra araka ny heviny, ary handatsaka ny mponina ao Jerosalema ho isam-bahoakan’i Antiôkosy.

10 Neken’ny mpanjaka avokoa izany. Vao lasan’i Jasôna ny fahefana, dia rafitra nampiditra ny fomba grika teo amin’ny mpiray tanindrazana aminy izy.

11 Nofoanany ny fanafahana nomen’ny mpanjaka nentin’ny halemem-panahy ho an’ny Jody, noho ny nataon’i Joany, zanak’i Eopôlema, izay nalefa ho ambasadaoro hanao fanekem-pihavanana sy fisakaizana amin’ny Rômanina; dia noravany ny sata ara-dalàna, fa ny fomba manohitra ny lalàna no naoriny.

12 Fahafinaretana ho azy, ny nanorina trano fampianarana asa fampahatanjahan-tena, teo ampototry ny Akrôpôla mihitsy, sy nanabe ny zaza avo firazanana indrindra nampanaoviny satroka be sofina.

13 Nandroso fatratra ny fanarahana ny fomba grika, ary hita nifanarototra ny olona hanaraka ny fomban’ny firenen-kafa, voatariky ny haratsiana mihoa-pampana nananan’i Jasôna, lehilahy mpankahala ny fivavahana, fa tsy mpisorona lehibe velively akory,

14 ka ny mpisorona, efa tsy naneho fahazotoana kely akory, amin’ny fanompoana eo amin’ny ôtely intsony; ny tempoly notsiratsirainy, ny sorona nataony tsirambina, fa ny ho isan’ny hanao izay asa tena, raràn’ny lalàna, any an-tokotany fanaovana asa tena no nahamaika azy, raha vao re ny fiantsoana hanao antsipibe.

15 Tsy nasiany raharaha akory ny raharaha be voninahitra teo amin’ny taniny, fa ny ambony tamin’ny Grika no nataony ho zava-dehibe.

16 Noho izany, nidiran-doza lehibe izy, ary ireo indrindra izay narahiny toe-piainana, sy notadiaviny hotahafina amin’ny zavatra rehetra aza no nahitany fahavalo ama-mpampahory.

17 Fa tsy afa-potsiny akory izay mandika ny didin’Andriamanitra; ho hita anefa izany amin’ny zavatra mbola hanaraka.

18 Tamin’ny nanaovana ilay lalao fanao isan-dimy taona tany Tira, izay natrehin’ny mpanjaka,

19 dia nandefa mpizaha, isam-bahoakan’i Antiôkia, avy ao Jerosalema, i Jasôna olo-meloka, nampitondrainy drakma volafotsy 300, hanaovan-tsorona amin’i Herkola: ireo nitondra azy mihitsy no nangataka mba tsy hanaovan-tsorona izay tsy fanao, izany vola izany, fa hoenti-manentsina ny lany amin’ny zavatra hafa.

20 Ka ireo drakma 300 ireo, dia nokendren’ilay nandefa azy hanaovan-tsorona ho fanajana an’i Herkola, nefa nolanîna tamin’ny fanaovan-tsambo misy fivoy intelo miantoana, araka ny fanirian’ireo nitondra azy.


I Antiôkosy Epifana hobina ao Jerosalema

21 Nony nirahina ho any Ejipta i Apôlôniosy zanak’i Menestea, tamin’ny nisehoan’i Ptôlemea Filometora mpanjaka, dia ren’i Antiôkosy fa tsy tia azy, io mpanjaka io, koa nitady hiaro tena aminy mialoha izy, ka nankany Jôpe, dia tany Jerosalema indray nony avy ao.

22 Fatratra ny nandraisan’i Jasôna sy ny tao an-tanàna azy, fa notsilovin’ny fanilo sy narahin’ny hoby no niakarany; dia nentiny ho any Fenisia koa ny foloalindahiny.


I Menelasa tonga mpisorom-be

23 Nony afaka telo taona, nirahin’i Jasôna i Menelasa rahalahin’ilay Simôna teo ambony, hanatitra ny vola tamin’ny mpanjaka sy hanefa ny fandoa amin’ny fanoratana raharaha lehibe amin’ny bokim-panjakana.

24 Kanjo i Menelasa nitady fitahiana tamin’ny mpanjaka sy nanome voninahitra azy tamin’ny nanaovany fihetsiky ny olona ambony, ary nanao izay hanomezana ny tenany ny fiandrianan’ny mpisorona lehibe; nanolotra talenta volafotsy 300, mihoatra noho ny nataon’i Jasôna.

25 Nony voarainy tamin’ny mpanjaka ny taratasy fananganana azy ho mpisorona lehibe, dia niverina ho any Jerosalema izy, tsy nanana na inona na inona nahamendrika azy ny fisoronana, tsy nitondra afa-tsy ny toetry ny mpanapaka masiaka sy ny haromotan’ny biby dia.

26 Noho izany i Jasôna izay efa namitaka ny rahalahiny, dia mba nofitahin’ny hafa kosa indray, ka hany heriny nandositra tany amin’ny tanin’ny Amônita.

27 Ny amin’i Menelasa kosa, nahazo ny fahefana izy, nefa tsy nahatanteraka ny vola nampanantenainy ny mpanjaka tamin’izany,

28 na dia efa nitaky aza i Sôstraty komandin’ny Akrôpôla, tompon’adidy amin’ny fandraisan-ketra; ka dia samy voantso ho any amin’ny mpanjaka izy roa lahy.

29 I Menelasa moa nametraka an’i Lisimàka rahalahiny ho mpisorona lehibe, misolo azy; i Sôstraty kosa nametraka an’i Kôratesy governoran’i Sipra ho solony.


Ny namonoana an’i Oniasa

30 Nandritra ireo zava-niseho ireo, dia mba niodina kosa ny mponina tao Tarsa sy Malasa, satria natolotra natao fanomezana ho an’i Antiôkida, vaditsindranon’ny mpanjaka ireo tanàna roa ireo.

31 Ka niainga faingana ny mpanjaka, hanaketraka izany fikomiana izany; fa i Andrônika, iray amin’ireo mpifehy ambony no navelany hisolo azy.

32 Hitan’i Menelasa fa manambina azy ny toe-javatra ka nalainy ny kapoaka volamena vitsivitsy tao amin’ny tempoly nomeny an’i Andrônika, ary ny sasany hafa koa azony namidy tany Tira sy tamin’ireo tanàna manodidina.

33 Nony fantatr’i Oniasa marina izany heloka vao nataon’i Menelasa izany indray, dia nandefa faniniana azy izy, rehefa tafahataka tao amin’ny toerana fialofana tany Dafne, akaikin’i Antiôkia.

34 Koa nalain’i Menelasa mangingina kosa i Andrônika, ary notereny hamono an’i Oniasa. Dia nankany amin’i Oniasa i Andrônika, nanao hafetsena, nanolotra ny tanany havanana taminy, tamim-pianianana; raha efa izany, na dia nampiahiahy aza, nahatarika azy hivoaka avy ao amin’ny fialofany, dia novonoiny niaraka tamin’izay izy, tsy nasiany raharaha akory izay rariny.

35 Tamin’izany, tsy ny Jody ihany, fa betsaka koa tamin’izay hafa firenena no tezitra tamin’ny famonoana tsy an-drariny an’izany lehilahy izany.

36 Ka nony tonga avy any Silisia ny mpanjaka, na ny Jody tao Antiôkia na ireo Grika mankahala ny fanovana an-keriny koa, dia samy tonga tao aminy, noho ny amin’ny namonoana tsy an-drariny an’i Oniasa.

37 Tafalatsaka lalina tao am-pon’i Antiôkosy ny alahelo an’i Oniasa; nangoraka azy mafy izy, ka nirotsaka ny ranomasony nahatsiahy ny fahononan-tena amam-pitondran-tena hendry fatratra nataon’ity maty.

38 Noho ny hatezerany, nasainy nesorina niaraka tamin’izay ny jaky teny amin’i Andrônika, dia norovitina ny fitafiany, notaritarihina eran’ny tanàna izy, ary naongany teo amin’ny toerana nanatanterahany tamin-kasahiana ny famonoana an’i Oniasa ihany, ilay tsy mifaditrovana, ka dia nasian’ny Tompo tamin’ny sazy tandrify azy izy.


Ny nahafatesan’i Lisimàka nandritra ny fikomiana

39 Ary nisy hala-javatra masina betsaka nataon’i Lisimàka niray tetika tamin’i Menelasa tao an-tanàna, ka niodina tamin’i Lisimàka ny vahoaka, nony efa be sahady no tafahahaka ny kapoaka volamena.

40 Nony nahita ity vahoaka nikomy sy izato fo mirehi-pahatezerana i Lisimàka, dia nomeny fiadiana ny lehilahy sahabo ho telo arivo, ka rafitra namely an-keriny, notarihin’olona anankiray atao hoe Tiràna, lehilahy sady be taona no tsy latsa-paharatsiana koa.

41 Vao nahalala ny famelezan’i Lisimàka anefa ny olona, dia ny sasany naka vato, ny sasany kosa langilangy, misy aza nandroaka lavenona hitany teo, nafafiny tamim-pihorakorahana tamin’ny andanin’i Lisimàka.

42 Ka betsaka no naratrany tamin’ireo mpiandany aminy, maro no matiny ary ny sisa rehetra nataony vaky nandositra, ary ilay mpamotsifotsy ny zavatra masina, dia novonoiny teo akaikin’ny trano firaketan’ny Tempoly.


I Menelasa nafahana, nandoavam-bola

43 Raha efa izany, natomboka ny famotorana momba izany zavatra izany hamelezana an’i Menelasa.

44 Nony tonga tao Tira ny mpanjaka, dia nasehon’ny olona telo lahy, nirahin’ny loholona, taminy, ny fahamarinan’ny fiampangany.

45 Hitan’i Menelasa fa resy izy, ka nampantenainy vola be i Ptôlemea zanak’i Dôrimena, mba hampahazo fitia azy amin’ny mpanjaka.

46 Dia notarihin’i Ptôlemea ho eo ambanin’ny lavarangana manodidina ny mpanjaka, mody hoe haka hatsiatsiaka, kanjo voaovany ny fikasany.

47 Nolazain’ny mpanjaka ho tsy diso araka ny fiampangana nitoriana azy i Menelasa, nefa diso marina tokoa izy io nanao ny heloka rehetra, fa nohelohiny ho faty kosa iretsy fadiranovana, nefa na dia teo anatrehan’ny Sita aza no nitondran’ireo ny fitarainany, dia ho nampodiny tsy manan-tsiny,

48 ka dia niaritra izany fanamelohana tsy marina izany, tsy misy hataka andro akory, ireto olona mitolo-tena niaro ny tanàna sy ny vahoaka ary ny zavatra masina.

49 Hatramin’ny Tirianina avy no tezitra tamin’izany ka nanao fandevenana kanto ho an’ireto novonoina.

50 Fa i Menelasa kosa, noho ny fitiavam-bolan’ny manam-pahefana, dia tafajanona tamin’ny voninahiny ihany, sady nitombo hasomparana aman-kalozana tamin’ny mpiray tanindrazana aminy.

Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.

Malagasy Bible Society
Araho izahay:



dokam-barotra