Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 2Makabeo 3 - Baiboly Katolika3. TANTARAN’I HELIODORO 1 Raha mbola tao anatin’ny fandriam-pahalemana tanteraka ny mponina tao amin’ny tanàna masina, sady mbola voatandrina tsara ny lalàna, noho ny fitiavam-bavak’i Oniasa mpisorona lehibe sy ny fankahalany ny ratsy, 2 na ny tenan’ireo mpanjaka aza nety nanaja ny fitoerana masina, sy nandravaka ny tempoly tamin’ny fanomezana kanto; 3 hany ka i Seleokosa mpanjakan’i Asia aza no niantoka ny lany rehetra amin’ny fanaovana ny sorona, avy amin’ny zavatra niditra ho azy. 4 Nisy Simôna anankiray izay anefa, avy amin’ny firenen’i Benjamina, voatendry ho mpanapaka ny Tempoly, rafitra niady tamin’ny mpisorona lehibe, amin’ny momba ny fitandremana ny tsena ao an-tanàna. 5 Tsy afa-nandresy an’i Oniasa izy, ka lasa nankany amin’i Apôlôniosa zanak’i Trasea, governoran’i Sele-Siria sy i Fenesia momba ny foloalindahy tamin’izany andro izany. 6 Nolazainy tamin’io fa ny andro firaketana ao Jerosalema dia feno vola mihoa-pampana, misy harena tsy hita pesipesenina, tsy mifanentana velively amin’ny lany amin’ny zavatra ilaina hanaovana sorona, ary azo afindra ho eo an-tanan’ny mpanjaka avokoa izany rakitra izany. 7 Nony tafaresaka tamin’ny mpanjaka i Apôlôniosa, nampandrenesiny azy izany harena voalaza taminy izany, ka nanendry an’i Heliodoro izay voatendry hitondra ny raharaham-panjakana ny mpanjaka, dia naniraka sy nanome teny an’io haka izany harena voalaza izany. 8 Niainga niaraka tamin’izay i Heliodoro mody hoe hizahazaha ny tanànan’i Sele-Siria sy i Fenesia, kanjo ny hanatanteraka ny hevitry ny mpanjaka no tena fotony. 9 Nony tonga tao Jerosalema i Heliodoro, nandray azy tamim-pitiavana ny mpisorona lehibe tao an-tanàna; dia notantarainy ny zavatra reny; nasehony ny antony nahatongavany; ary nanontaniany na marina tokoa ny zavatra reny, na tsia. 10 Ka nasehon’ny mpisorona lehibe taminy, fa zavatra napetraky ny mpitondratena sy ny kamboty no ao amin’ny rakitra; 11 ny sasany koa an’i Hikàna zanak’i Tobia, lehilahy manan-kaja indrindra; ary tsy izay nolazain’i Simôna mpanendrikendrika mankahala fivavahana akory no tena toe-javatra, fa ny tontalin’ny harena ao dia talenta volafotsy 400, sy talenta volamena 200; 12 sady tsy azo atao velively ny mamabo ny an’ireo natoky noho ny fahamasinan’io fitoerana io, sy noho ny fiambonian’ny tempoly, tsy azo inaikanaikana, hajaina eran’izao tontolo izao. Taitra ny tanàna 13 Nilaza mihitsy anefa izy io, noho ny didy azony tamin’ny mpanjaka, fa tsy maintsy hoentina ho any an-trano firaketan’ny mpanjaka izany vola izany. 14 Koa rehefa noferany ny fotoan’andro, dia handeha hiditra izy hizaha izany harena izany, alohan’ny hanapahany izay hanaovany azy; ka tabataba lehibe no velona tao an-tanàna manontolo noho izany. 15 Niankohoka teo anoloan’ny ôtely ny mpisorona, nitondra ny akanjony fisoronana, niandrandra ny lanitra, nivavaka amin’Ilay nanao ny lalàna momba ny zavatra napetraka, mba hitahirizany tsy misy afaka izany harena izany ho an’izay nametraka azy. 16 Voatsindrona lalina indrindra ny fo, raha nijery ity tarehin’ny mpisorona lehibe, fa niseho tamin’ny endriny sy ny fiovan’ny tarehiny, ny fanahiana nanjò ny fanahiny. 17 Ny fahatrotrahana niseho tamin’ny tenany manontolo sy ny fangovitry ny vatany koa dia nampiharihary ny fahorian’ny fony, teo imason’ny olona rehetra. 18 Nidodododo nanao andiany ny mponina nivoaka ny tranony, dia niara-nivavaka avokoa, mba tsy hihatra amin’ny fitoerana masina izato fanalam-baraka. 19 Ny lalam-be rakotry ny vehivavy, voatafy malailay ny tratrany; izay zazavavy nihiboka dia nidodododo koa, ny sasany nankeny amin’ny manda, ny sasany kosa nijery teo am-baravarankely, 20 samy nanandra-tanana mankany an-danitra nandefa fitarainana. 21 Nampangorakoraka ny hareraham-pon’ireto vahoaka nifanjevo, sy ny fanahian’ity mpisorona lehibe feno tebiteby. 22 Ny Jody tamin’izany nitaraina tamin’ny Tompo mahefa ny zavatra rehetra, hitahiry tsy hahafahana, sady tsy hisy hahakasika azy, ny zavatra napetraka mba ho an’izay nametraka azy. 23 I Heliodoro kosa efa nanatanteraka ny fikasany. Tamin’izy mbamin’ny mpanaraka azy efa mby teo akaikin’ny trano firaketana, Sazin’i Heliodoro 24 no nanaovan’ny Tompon’ny fanahy sy mpanapaka ambonin’ny fahefana rehetra fampisehoana lehibe, hany ka izay rehetra sahy nankeo, azon’ny herin’Andriamanitra, tsy nanan-kery hahavita na inona na inona, sady nivadi-po avokoa. 25 Niseho teo imason’izy ireo ity soavaly taingenan’olona mahatsiravina, ary voarakotra lamba sarobidy, miezaka mirimorimo, nampitsikaroka ny tongony anoloana, teo ambonin’i Heliodoro; ary toa fiadiana volamena no hita teny amin’ilay mpitaingin-tsoavaly. 26 Niaraka tamin’izay koa indreo niseho taminy ny zatovo roa lahy, feno herim-po, namirapira-pahazavana lehibe, nitondra akanjo kanto loatra; teo an-daniny avy izy no nijoro, dia nikapoka azy tsy an-kijanona, nataony vely kary. 27 Niankarapoka tampoka tamin’ny tany i Heliodoro sady voahodidin’ny haizim-pito, dia notakonina natao teo amin’ny filanjana anankiray, 28 ka ilay lehilahy, vao avy niditra tao amin’ny efitrano nisy ny rakitra voalaza, notronin’ny mpihazakazaka sy ny mpiambina mitam-piadiana rehetra, dia indro nobetaina tsy nahazaka tena, hita maso ho nidonan’ny herin’Andriamanitra. 29 Dieny mbola teo ihany izy, nianjeran’ny kapoky ny herin’Andriamanitra, miampatra tsy mahateny, mamoy fo sy tsy manan-kamonjy intsony; 30 ny Jody kosa nisaotra ny Tompo, fa nomeny voninahitra ny fitoerana masina, ary ny tempoly izay vao teo no teo no feno fivadiham-po sy fikorontanana, tonga feno hafaliana amam-piravoravoana, noho ny fanehoana nataon’ny Tompo tsitoha. 31 Niaraka tamin’izay, ny sasany tamin’ireo naman’i Heliodoro nangataka tamin’i Oniasa hivavaka amin’ny Avo indrindra sy hamelona an’itsy mitsitra eroa, efa tsy misy afa-tsy aina kely foana. 32 Ary ny mpisorona lehibe natahotra fandrao ny mpanjaka hihevitra ny Jody ho nitady hamono an’i Heliodoro, ka dia nanolotra sorona ho an’ny ain-dralehilahy. 33 Mbola manolotra ny sorona fifonana eo ny mpisorona, dia niseho tamin’i Heliodoro indray ireo zatovo, nitondra ny akanjony teo ihany, ary nitsangana izy no nilaza taminy hoe: «Omeo fisaorana lehibe i Oniasa mpisorona lehibe, fa noho izy ihany no amelan’ny Tompo anao ho velona. 34 Fa ianao kosa, rehefa nofaiziny toy izao, torio amin’ny olona rehetra ny fahefan’Andriamanitra lehibe.» Nony voalazany ireo teny ireo, dia lasa tsy hita intsony izy. Ny nibebahan’i Heliodoro 35 Nanatitra sorona ho an’ny Tompo i Heliodoro sy nanao voady lehibe tamin’Ilay namelona ny ainy. Raha efa izany, nanome toky an’i Oniasa fa hihavana aminy izy; dia niverina niaraka tamin’ny miaramilany, ho any amin’ny mpanjaka. 36 Ary nataony tsara laza tamin’ny olona rehetra, ny asan’Andriamanitra lehibe hitany maso. 37 Nanontanian’ny mpanjaka an’i Heliodoro, izay olona tokony hirahina ho any Jerosalema indray, ka izao no navaliny azy: 38 «Raha manana fahavalo na rafilahy amin’ny fanjakana ianao, dia izay irahina any, fa ho kotiky ny kapoka izy, vao ho tafaverina atỳ aminao, raha tahiny ka mba afaka ihany; fa misy hery avy amin’Andriamanitra marina amin’io fitoerana io. 39 Ilay manana ny fonenany any an-danitra no miambina io fitoerana io, dia asiany sy ataony levona mihitsy.» 40 Izany no zava-nitranga momba an’i Heliodoro, sy ny nahatanana ny rakitra masina. |
Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.
Malagasy Bible Society