Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -

Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

2Makabeo 2 - Baiboly Katolika


Nafenin’i Jeremia ny zava-masina momba ny fivavahana

1 Hita tao amin’ny fitahirizan-taratasim-panjakana, ny nandidian’i Jeremia an’ireo nasesitany, haka ny afo masina araka ny voalaza, sy ny namporisihan’ny mpaminany an’ireo voasesitany,

2 tamin’ny nanolorany azy ny bokin’ny lalàna anankiray mba tsy hanadino ny didin’ny Tompo sy tsy hirebireby saina amin’ny fahitana ny sampy volamena sy volafotsy mbamin’ny ravaka itafian’ireny.

3 Anisan’ny teny toy izany nolazainy tamin’izay ireny, dia ny namporisika azy tsy hampanalavitra ny fony na oviana na oviana ny lalàna.

4 Hita tao anatin’izany taratasy izany koa, ny nampitondran’ny mpaminany niaraka taminy, ny tabernakla, sy ny fiara, araka ny didy azony tamin’Andriamanitra, sy ny nankanesany amin’ny tendrombohitra nanihin’i Môizy sy nitazanany ny lovan’Andriamanitra.

5 Nony mby teo, nahita trano mitarehin-johy i Jeremia, ka napetrany tao ny tabernakla sy ny fiara mbamin’ny ôtely fandoran-java-manitra, dia notampenany ny vavan’io.

6 ary ny sasany tamin’ireo namany niverina hanisy marika famantarana ny làlana, nefa tsy nahazo nahita an’io.

7 Fantatr’i Jeremia izany, ka nomeny tsiny ireo: «Tsy maintsy miafina hatrany hatrany izany fitoerana izany, hoy izy taminy, mandra-pahatongan’ny hamorian’Andriamanitra ny vahoakany, sy hamindrany fo aminy.

8 Amin’izay vao hambaran’ny Tompo ireo zava-masina ireo, sady hiseho ny voninahitry ny Tompo, mbamin’ny rahona, toy ny nisehoany tamin’ny andron’i Môizy, sy fony i Salômôna nanao fivavahana mba ho voahasina amim-boninahitra ny tempoly.»

9 Voatantara ao koa fa izany mpanjaka manana ny fahendrena izany, dia nanatitra ny soron’ny fitokanana amam-pahavitan’ny fitoerana masina.

10 Ary toy ny nivavahan’i Môizy tamin’ny Tompo, ka nilatsaka avy any an-danitra ny afo sy nandevona ny sorona, toy izany koa nivavaka i Salômôna, dia nilatsaka ny afo avy any an-danitra nandevona ny sorona.

11 Hoy i Môizy: «Satria tsy mba nohanina ny sorona noho ny ota, dia nolevonin’ny afo.»

12 Ary toy izany no nankalazan’i Salômôna ny fitokanana nandritra ny havaloana.


Ny tahirim-bokin’i Nehemia

13 Koa dia samy hita voatantara ireo zavatra ireo àry, na amin’ny taratasy fitahiry na amin’ny taratasy fitadidian’i Nehemia; hita ao koa ny nanorenan’i Nehemia fitahirizam-boky, sy nanangonany tao ny boky momba ny mpanjaka, ny mpaminany, sy ny an’i Davida, mbamin’ny taratasin’ny mpanjakan’i Persa, momba ny fanomezan’izy ireo.

14 Toy izany koa i Jodasa nanangona ny boky rehetra niely patrana nandritra ny ady niadiantsika, ka eo an-tananay izany izao.

15 Ka raha misy ilanareo amin’izany, maniraha olona hitondra azy ho atỳ aminareo.


Fanasana hankalazana ny fitokanana

16 Koa amin’izany rehefa hankalaza ny fetin’ny fanadiovana izahay dia mampitondra ity taratasy ity ho atỳ aminareo; mety tokoa ny hankalazanareo izany andro izany.

17 Andriamanitra izay efa namonjy ny vahoakany rehetra, sy efa namerina ho azy rehetra ny lova, ny fanjakana, ny fisoronana, ny fanamasinana,

18 araka ny voalazany tamin’ny lalàna, dia antenaintsika fa hamindra fo amintsika vetivety foana sy hamory antsika avy amin’ny tany rehetra ambanin’ny lanitra, ho ao amin’ny fitoerana masina;

19 satria ny tenantsika efa nesoriny tamin’ny loza lehibe, ary ny tempoly efa nodioviny.


2. SASIN-TENIN’NY MPANORATRA

20 Ny tantaran’i Jodasy Makabeo sy ireo rahalahiny, ny nanadiovana ny Tempoly mendrika hohajaina sy ny nitokanana ny ôtely,

21 ary koa, ny ady tamin’i Antiôkosy Epifana sy i Eopatôra zanany,

22 ny fanampiana malaza avy amin’ny lanitra an’ireo niady tamim-boninahitra hiaro ny fivavahan’ny Jody, fa na dia vitsy isa aza izy ireo dia azony indray ny tany manontolo, nataony vaky nandositra ireo barbarianina sesehena;

23 voaveriny ny fitoerana masina malaza eran’izao tontolo izao, voaoriny indray ny lalàna notadiavin’ny sasany hofoanana, fa nomba azy ny fitahiana rehetra avy amin’ny Tompo:

24 boky dimy no nitantaran’i Jasôna avy any Sirena an’izany rehetra izany; fa boky iray kosa no handramanay hanafohezana azy.

25 Satria nodinihinay ny habetsahan’ny isa ao aminy sy ny fahasahiranana mahazo an’izay te-hamaky hatrany ny filazan’ny tantara, noho ny habetsahan’ny zavatra lazaina ao.

26 Koa nikendry mafy izahay, mba hanjary mahafinaritra ny raharaha ho an’izay hianina amin’ny famakiana fotsiny, mora ho an’izay te-handatsaka amin’ny fitadidiana ny zava-niseho, ary mahasoa ho an’ny be sy ny maro tsy an-kanavaka.

27 Ho anay izay niandraikitra izany asa fanafohezana izany, tsy dia zavatra mora fa asa nilam-pitsembohana sy fiaretan-tory izany.

28 Tsy latsaka noho ny an’izay mandahatra ny fanasana ary mitady hanasoa ny hafa ny hasarotany; kanefa mba ho mendrika ny hankasitrahan’ny maro anay, dia hizaka an-kafaliana izany asa mavesatra izany.

29 Ka ny filazana marina ny zavatra tantaraina tsirairay avy, dia avelanay ho anjaran’ny mpamorona ny tantara, fa ny fitsipika momba ny ventin-teny no hikelezanay aina harahina kosa.

30 Ny mahazo ny rafitra rehetra momba ny trano, dia adidin’ny tompo-mariky ny trano vao atao avokoa, fa ny mihevitra ny momba ny fampihaingoana azy kosa no tsy maintsy imasoan’izay miandraikitra ny handravaka sy hanoso-doko azy; ary torak’izany indrindra no anay izao, araka ny hevitro.

31 Anjaran’ny manao ny tantara ny mamotopototra izay lazainy, ny milaza ny antonanton’ny zavatra rehetra, ny misahirana amin’ny momba ny andinindininy madinika indrindra aza;

32 fa izay tsy mikendry afa-tsy ny hanoratra ny fotopotony kosa, dia tokony homen-dalana mba tsy hanampò afa-tsy ny handahatra amin’ny teny fohy; fa tsy mba ny filazana feno ny zava-niseho no imasoany.

33 Hatombokay amin’izao àry ny fitantaranay, fa tsy hampianay intsony izay voalaza izay, fa hadalana raha alohan’ny hilazana ny tantara, lava teny; nefa amin’ny tena tantara, fohy teny.

Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.

Malagasy Bible Society
Araho izahay:



dokam-barotra