Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

2Makabeo 11 - Baiboly Katolika


I Lisiasy manafika voalohany
(Jereo 1Mak 4,26-35 )

1 Andro vitsy foana taorian’izay, i Lisiasy mpiahy sy havan’ny mpanjaka, sady solon’andriana teo amin’ny fanjakana, dia nahatsiaro mangirifiry tamin’ilay zava-nidona teo,

2 ka namory miaramila sahabo ho 80.000, mbamin’ny an-tsoavaly rehetra, dia niroso hamely ny Jody, nanantena mihitsy fa hamponina ny Grika ao amin’ny tanàna masina,

3 sy hampandoa hetra ny Tempoly, toraky ny fitoerana masin’ny firenena masina, ary hivarotra isan-taona ny fiandrianan’ny mpisorona lehibe;

4 tsy noheveriny akory tamin’izany izay fahefan’Andriamanitra fa ny miaramilany an-tongotra alinalina, sy ny an-tsoavaly arivoarivo, ary ny elefantany valopolo no nireherehany fatratra.

5 Nony tafiditra an’i Jodea izy, dia nanatona an’i Betsora, tanàna sarotra hatonina, sahabo ho dimy stady raha eo Jerosalema, ka nanery azy mafy.

6 Vao nandre i Makabeo sy ny namany fa hoe: ataon’i Lisiasy fahirano ny trano mimanda, dia nivavaka tamim-pisentoana aman-dranomaso tamin’ny Tompo izy narahin’ny vahoaka rehetra mba haniraka Anjely tsara hamonjy an’i Israely.

7 Dia i Makabeo no nandray fiadiana voalohany sy namporisika ireto sisa hanao vy very ny ainy miaraka aminy hamonjy ireo rahalahiny.

8 Niroso tamin-kafanam-po sy herim-po avokoa izy rehetra; ary mbola teo am-pahatazànana an’i Jerosalema ihany izy, dia indro nisy mpitaingin-tsoavaly niseho teo alohany, nampandihy fiadiana volamena.

9 Ka dia niara-nisaotra an’Andriamanitra mpamindra fo izy rehetra, sady samy vonon-kiady tsy hoe amin’ny olona ihany, fa amin’ny biby faran’izay masiaka koa, ary hamaky ny manda vy aza.

10 Nandroso tamim-pilaharana hiady izy ireo, nanam-panahy avy any an-danitra, ary ny Tompo nangoraka azy.

11 Niantoraka toy ny liona tamin’ny fahavalo, ka miaramila an-tongotra 11.000, sy an-tsoavaly 16.000 no natsingidiny tamin’ny tany,

12 ary ny sisa nataony vaky nandositra. Ny ankabeazany nandositra efa voaratra sy nanary fiadiana; ny tenan’i Lisiasy aza tsy nahavonjy ny ainy, afa-tsy tamin’ny lositra mahamenatra.


Fihavanana tamin’ny Jody. Taratasy efatra fifanekena
(Jereo 1Mak 6,57-61 )

13 Nefa noho izy nanan-tsaina ihany, dia nandinika ity fahareseny, ary fantany fa tsy azo resena ny Hebrio, satria Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra no miara-miady aminy,

14 ka dia naniraka ho any amin’izy ireo izy, hanolotra fihavanana araka izay famarafarana marina rehetra, ka dia nanolo-tena amin’izay hampanaiky ny mpanjaka ny tokony hihavanany amin’izy ireo.

15 Tsy nikendry afa-tsy ny soa ho an’ny vahoaka i Makabeo ka nanaiky ny hevitra rehetra naposak’i Lisiasy, satria neken’ny mpanjaka avokoa ny famarafaram-panekena nalefan’i Makabeo an-tsoratra tany amin’i Lisiasy momba ny Jody.

16 Toy izao no teny amin’ny taratasy nosoratan’i Lisiasy ho an’ny Jody:

17 «I Lisiasy manoratra ho an’ny Jody: Arahaba! Voatolotr’i Joany sy i Absalôma izay nirahinareo ho atỳ amiko ny fanekena nosoniavinareo ka dia nangataka izy ireo ny hanatanteraka ny zavatra ao amin’ny fanekena.

18 Ary efa nampahafantariko ny mpanjaka, izay rehetra tsy maintsy alefa mankany aminy, ka nekena izay azo ekena.

19 Koa raha mbola maharitra koa ny fankasitrahanareo ny fanjakana, dia hikely aina aho izao sisa izao hanao izay hiadananareo.

20 Ny amin’ny andinidininy sasany dia nohazavaiko tamin’ny irakareo sy ny ahy, ka dia hifampidinika aminareo izy ireo.

21 Ho salama tsara anie ianareo. Tamin’ny taona faha-148, andro faha-24n’ny volana Diôskôrinta.»

22 Toy izao kosa no ao amin’ny taratasin’ny mpanjaka: «I Antiôkosy mpanjaka manoratra ho an’i Lisiasy rahalahiny: Arahaba!

23 Rehefa voafindra any amin’ireo andriamanitra ny rainay, ny irinay dia ny hifotoran’izay eto amin’ny fanjakanay amin’ny fikarakarana ny raharahany tsy hisy mpanelingelina;

24 ary efa renay fa ny Jody dia tsy manaiky ny fomba grika, fa aleony ihany ny fombany manokana, ka mangataka izy, araka izany, havela hiaina araka ny lalàny.

25 Koa noho ny fanirianay ny tsy hisy fitabatabana amin’izany firenena izany intsony, dia mandidy ny hamerenana ny tempoly amin’izy ireo izahay, sy ny hamelàna azy hanaraka ny fomban-drazany.

26 Koa tsara raha maniraka ho any amin’izy ireo ianao, sy mandray tanana azy, mba hahazoany toky sy hifotorany amin’ny fanaovana ny raharaha fanaony, rehefa fantany ny hevitray.»

27 Toy izao no ao amin’ny taratasin’ny mpanjaka ho an’ny firenena Jody: «I Antiôkosy mpanjaka, maniry fiadanana ho an’ny parlemantan’ny Jody sy ny Jody hafa.

28 Raha salama tsara ianareo, dia mifanaraka amin’ny irinay izay; izahay koa dia salama tsara.

29 Nampandrenesin’i Menelasa anay, ny fanirianareo hiverina sy hanao ny raharaha fanaonareo.

30 Koa izay miroso hatramin’ny andro faha-30n’ny volana Ksantìka, dia hahazo mitoetra feizay sy amim-piadanana.

31 Ka aoka ny Jody hihinana izay fihinany sy hanaraka ny lalàny tahaka ny taloha, ka aza misy omena soketa noho izay diso nataony tsy amim-pahalalana.

32 Naniraka an’i Menelasa aho, hanome toky hiadananareo.

33 Ho salama tsara anie ianareo. Tamin’ny taona faha-148, andro faha-15n’ny volana Ksantìka.»

34 Ny Rômanina koa nampitondra taratasy ho an’ny Jody, araka izao: «I Kointosa Memiosa sy i Titosa Manliosa, iraky ny Rômanina, maniry fiadanana ho an’ny Jody.

35 Ireo zavatra efa neken’i Lisiasy havan’ny mpanjaka, taminareo, dia ekenay aminareo koa.

36 Ary ny amin’ireo nataony ho tsy maintsy alefa hodinihin’ny mpanjaka, rehefa voadinikareo tsara, dia aza angatahana andro, fa maniraha olona ho atỳ aminay hampandrosoinay ao amin’ny mpanjaka, araka ny mety hatao ho anareo, fa ho any Antiôkia izahay.

37 Ka faingàna dia alefaso handeha ny irakareo, mba hahalalanay izay irinareo koa.

38 Ho salama tsara anie ianareo. Tamin’ny taona faha-148, faha-15n’ny volana Ksantìka.»

Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.

Malagasy Bible Society
Araho izahay:



dokam-barotra