Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -

Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

1Makabeo 9 - Baiboly Katolika


Ady tao Berea sy ny nahafatesan’i Jodasy Makabeo

1 Nony ren’i Demetriosa fa resy tamin’ny ady i Nikanôra sy ny tafiny dia nalefany ho any Jodea indray i Bakidesa sy i Alsima, nitondra ny vazan-tafika havanana.

2 Ny lalana mankany Galgalà no nombany dia niorin-toby tao Malsalôta, izay any amin’ny faritanin’i Arbela izy ireo; azony io tanàna io ary namonoany maro be ny mponina.

3 Tamin’ny volana voalohany, taona faha-152, dia nalahany teo anoloan’i Jerosalema ny miaramilany.

4 Raha efa izany dia nangoron-day izy, dia nankany Berea, nitondra miaramila 20.000 sy mpitaingin-tsoavaly 2.000.

5 I Jodasy kosa niorin-toby tao Eleasà, omba-miaramila voafantina 3.000.

6 Raiki-tahotra mafy izy ireo, nony nahita ireto fahavalo maro be, ka maro no nitsoaka mangingìna niala teo an-toby; 800 lahy sisa tafajanona.

7 Hitan’i Jodasy fa nitsoaka ny miaramilany, ary ny ady efa antomotra, torotoron’ny alahelo ny fony, fa ny fotoana hamoriana ny momba azy tsy misy, ka tsaroany reraka ny tenany.

8 Kanefa izao no nolazainy tamin’ireto sisa tafajanona teo aminy: «Andeha handroso hamely ny fahavalontsika, raha mbola afaka hiady aminy koa isika.»

9 Notohain’izy ireo tsy hanao izany anefa izy, nataony hoe: «Tsy leontsika ka ndeha aloha hanavotra aina sy hiverina ho any amin’ireo rahalahintsika, vao ho avy indray hiady amin’ny fahavalontsika isika.»

10 Fa hoy i Jodasy tamin’izy ireo: «Sanatria ahy izay hanao izany, ka hiamboho handositra! Raha tonga ny fotoana anjarantsika, aoka ho faty amin-kerim-po isika, ho an’ny rahalahintsika, ary aza asiana pentina ny voninahitsika.»

11 Dia nivoaka ny toby ny tafiky ny Sirianina hitsena azy ireo: nizara roa toko ny an-tsoavaly, ny mpandefa antsamotady sy mpandefa tsipìka teo aloha, ny mahery indrindra no loha laharana;

12 I Bakidesa teo amin’ny vazan-tafika havanana, ary nandroso tamin’ny feon-trômpetra teo an-daniny avy, ny antokony.

13 Ry i Jodasy koa, tatsy an-daniny, nampaneno trômpetra, ka nihorohoro ny tany, azon’ny firohondrohon’ny tafika roa tonta, dia rafitra ny ady, ka naharitra hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva.

14 Nony hitan’i Jodasy fa teo amin’ny vazan-tafika havanana i Bakidesa sy ny miaramila mahay indrindra, dia novoriny hanodidina azy ny miaramila mahery fo rehetra,

15 ka noreseny ny vazan-tafika havanan’ny Sirianina, dia notanahiny hatrany an-tendrombohitra Azota.

16 Kanjo hitan’ireo vazan-tafika havia fa resy ny vazan-tafika havanana, ka nifontenany narahiny avy ato aoriana i Jodasy sy ny namany.

17 Nihanangotraka ny ady, ka samy be maty, izy roa tonta.

18 Maty koa i Jodasy dia vaky nandositra ireo namany.


Ny nandevenana an’i Jodasy Makabeo

19 Dia nentin’i Jônatasy sy i Simôna, i Jodasy rahalahin’izy ireo, ka nalevina tao amin’ny fasan-drazany ao Modìna.

20 Nitomanian’i Israely rehetra izy sy nigogogogoany mafy ary naharitra andro maro no nisaonany azy,

21 sy nanaovany hoe: «Ahoana re no dia nahafaty an’ilay mahery, an’ilay nanafaka an’i Israely!»

22 Ny tantaran’i Jodasy sisa, sy ny adiny hafa, sy ny herim-po hafa nasehony ary ny antom-boninahiny, dia tsy voasoratra, satria maro loatra.


I JONATASA TONGA FILOHAN’NY JODY SY MPISOROM-BE (160-142 talohan’i Jesoa Kristy) Ny nandresen’ny antoko grika - I Jônatasy tonga filohan’ny mpanohitra

23 Nony efa maty i Jodasy, dia nitrangatranga eran’ny tanin’i Israely manontolo ny mpankahala ny fivavahana ary niarin-doha ny mpanao ny tsy marina rehetra.

24 Nisy mosary lehibe tamin’izany andro izany, ka nivadika tamin’izy ireo mbamin’ny tany aza.

25 Ny olona mpankahala ny fivavahana no nofidin’i Bakidesa sy notendreny hitondra ny tany.

26 Nokarohin’ireo ny sakaizan’i Jodasy ka nony mahita izy, entiny any amin’i Bakidesa, dia faizin’io sy ataony fihomehezana kosa.

27 Ary lalina loatra ny fahoriana nanjò an’i Israely, fa tsy mbola nisy toy izany hatramin’izay andro tsy nisian’ny mpaminany teo amin’i Israely.

28 Ka nivory izay rehetra sakaizan’i Jodasy nilaza tamin’i Jônatasy hoe:

29 «Hatrizay nahalasanan’i Jodasy rahalahinao izay, tsy misy lehilahy toa azy intsony, nitsangan-kanohitra ny fahavalontsika Bakidesa, mbamin’ireo rehetra mankahala ny firenentsika.

30 Ka dia ianao no fidinay anio ho lehibenay hisolo azy, sy ho komandinay amin’ny adintsika.»

31 Dia noraisin’i Jônatasy ny fanapahana tamin’izany andro izany, ary nitsangana izy nisolo an’i Jodasy rahalahiny.


I Jônatasa tany an’efitra Tekôe - Fotoana nahalatsa-dra betsaka tao Medabà

32 Vao nandre ny nifidianana an’i Jônatasy i Bakidesa dia nitady hamono azy.

33 Nony nandre izany fikasana izany i Jônatasy sy i Simôna rahalahiny, mbamin’izay rehetra nomba azy, dia nandositra tany an’efitr’i Tekôe, sy nitoetra teo akaikin’ny rano amin’ny lava-drano Asfara.

34 Ren’i Bakidesa izany, tamin’ny andro sabata, ka dia niainga izy, mbamin’ny tafiny rehetra, any an-dafin’i Jordany.

35 Nirahin’i Jônatasy i Joany rahalahiny noho izy mpifehy ny vahoaka, ho any amin’ny Nabeteana sakaizany, hiangavy aminy mba havelany hapetraka any aminy ny entany, izay be tokoa.

36 Kanjo nivoaka avy ao Medabà, ny taranak’i Jambrì, ka nisambotra an’i Joany mbamin’ny entana rehetra dia nandeha, nitondra izany babo rehetra izany.

37 Andro vitsivitsy tatỳ aorian’izany, dia nisy tonga nilaza tamin’i Jônatasy sy i Simôna rahalahiny, fa hoe: «Manao fampakaram-bady malaza ny taranak’i Jambrì, ka avy any Nadabata no avoaka amim-boninahitra lehibe razazavavy, izay zanaky ny andriandahy lehibe anankiray, avy any Kanaana.»

38 Tsaroan’izy ireo tamin’izay, i Joany rahalahiny, ka niakatra izy dia nitampify takon’ny tendrombohitra.

39 Nanopy ny masony izy ireo nitsirika, ka injay reny nisy nigorodondròdona be ihany, dia indreny nisy andian’olona maro be, notsenain’ny mpanambady, izay nandroso, otronin’ireo rahalahiny aman-tsakaizany ary nomban’ny feon’amponga tapaka aman-java-maneno, mbamin’ny forongo be dia be.

40 Nahita izany ireto nomba an’i Jônatasy dia niroatra avy ao am-panotrehany, niantoraka tamin’izy ireo hamono azy: maty tamin’ny famelezany ny maro tamin’ireo, nandositra any an-tendrombohitra ny sisa, ary nobaboin’ny Jody izay teny aminy.

41 Ka niova ho fisaonana ny fampakaram-bady, ary ho fidradradradràna, ny feo fifalian’ny mozikany.

42 Nony avy namaly ny namonoana ny rahalahiny i Jônatasy sy i Simôna, dia nihataka ho any amin’ny henihenin’i Jordany izy.


Ny nitana an’i Jordany

43 Nilazana izany i Bakidesa ka tonga hatrany amoron’i Jordany tamin’ny andro sabata nitondra tafika lehibe.

44 Dia hoy i Jônatasy tamin’ireo namany: «Mitsangàna ankehitriny, miadia hiaro ny aintsika! Fa tsy tahaka ny omaly sy afak’omaly intsony ity.

45 Indro, fahavalo mitam-piadiana avokoa no eo anoloantsika sy eo ivohontsika, ranon’i Jordany sy ala aman-keniheny avokoa no eo anindrantsika manodidina, ka tsy misy azo andosirana.

46 Fa ny lanitra no itarainako, hahafahanareo amin’ny tanan’ny fahavalonareo.» Dia rafitra ny ady.

47 Naninji-tanana hikapa an’i Bakidesa i Jônatasy fa nihilana nianòtra io, nisoroka an’izany,

48 ka nivikina niroboka an’i Jordany i Jônatasy mbamin’ireo namany, dia nita nilomano, nefa tsy nita nanenjika azy ny Sirianina.

49 Nisy 1.000 lahy no maty ny nomba an’i Bakidesa androtr’izay. Niverina ho any Jerosalema ilay io,


Nanorina tanàna mimanda maro i Bakidesa. Maty i Alsima

50 dia nanorina tanàna mimanda any Jodea; ny manda eo akaikin’i Jerikô, i Emaosa, i Betôrôna, i Betela, i Tamnatà, i Farà, i Tefona, nasiany manda avo, sy vavahady ary hidiny,

51 dia nametrahany miaramila mpiandry, hiady amin’i Israely.

52 Nohamafisiny ny tanàna Betsora sy Gazàra, ary ny trano mimanda dia nametrahany miaramila sy hanina fitahiry.

53 Nalainy ho antoka ny zanaky ny lohandohany amin’ny tany, dia notanany ho sambo-belona, tao amin’ny trano mimandan’i Jerosalema.

54 Tamin’ny taona faha-153, tamin’ny volana faharoa, nodidian’i Alsima hareza ny rindrin’ny kianja anatiny ao amin’ny fitoerana masina, ka nandrava ny asa nataon’ny mpaminany izy tamin’izay, ary efa nanomboka nanjera sahady.

55 Nokapohin’Andriamanitra i Alsima tamin’izany andro izany ka tsy afa-niteny intsony izy, na dia indraimbava aza, tsy afa-nanome didy ny amin’ny raharaha tao an-tranony akory izy.

56 Dia maty tamim-pijaliana fatratra i Alsima tamin’izany andro izany.

57 Nony nahita ity Alsima maty i Bakidesa dia niverina ho any amin’ny mpanjaka, ka nandry feizay ny tanin’i Jodà, nandritra ny roa taona.


Ny nanafihana an’i Betbasi

58 Tamin’izay nifampidinika ny Jody nivadika rehetra, nanao hoe: «Miadana sy mandry feizay ity ry i Jônatasy sy ny namany, ka ndao hohafarantsika i Bakidesa, fa indray alina monja ireo dia azony avokoa.»

59 Dia lasa tokoa izy ireo nifanaraka tamin’io.

60 Ka niainga i Bakidesa nitondra tafika lehibe, sady nandefa taratasy mangingina izy, ho any amin’ireo rehetra mpiandany aminy any Jodea, mba hisamboran’ireo an’i Jônatasy sy ny namany; kanjo tsy nahavoa ireo, fa fantatr’ireto ny heviny.

61 Ary tamin’ireo mponina amin’ny tany izay lohan’ny teti-dratsy dia 50 lahy no nosamboriny ka novonoiny.

62 Raha efa izany, niainga i Jônatasy sy i Simôna mbamin’ireo nomba azy, nankany Betbasì, any an’efitra; namboariny izay rava tamin’io, dia nasiany manda.

63 Ren’i Bakidesa izany, ka novoriny ny miaramilany rehetra, nantsoiny koa ny momba azy amin’i Jodea,

64 dia tonga niorin-toby teo akaikin’i Betbasì izy, sy nanao fahirano io tanàna io, naharitra andro betsaka, sady nandrafitra milina.

65 Fa navelan’i Jônatasy tao an-tanàna kosa i Simôna rahalahiny, ka nivoaka tany an-tsaha izy, vao niverina nitondra miaramila vitsivitsy.

66 Nasiany tao an-dainy aloha i Odôaresa mbamin’ireo rahalahiny sy ny zanak’i Faserôna, ary dia nandroso namely ny mpanao fahirano sy niady taminy tamin’ny miaramila be ihany.

67 Ry i Simôna sy ny namany koa, tatsy an-daniny, nivoaka sy nandoro ny milina fiadiana.

68 Nifandafaran’izy ireo i Bakidesa ka nataony vaky nandositra ny tafiny ary fahoriana lalina no nampitondrainy azy, fa maty afo ny hevitra nokendreny sy ny fanafihany.

69 Loza ny hatezerany tamin’ireo Jody izay mpankahala ny fivavahana, nanome hevitra azy ho tonga atỳ amin’ny taniny, ka namonoany maro be izy ireo; dia nanapa-kevitra hody any amin’ny taniny izy.

70 Fantatr’i Jônatasy izany, ka nandefa iraka izy hanao raharaham-pihavanana aminy, sy hifanaraka ny amin’ny hamerenana ny sambo-belona aminy.

71 Noraisin’i Bakidesa izy ireo, nekeny ny hevitra naposany taminy, nifanekeny tamin’i Jônatasy tamim-pianianana ny tsy hanisy ratsy aminy, raha mbola velona koa izy;

72 naveriny taminy ny sambo-belona azony taloha teo amin’ny tanin’i Jodà, dia lasa nody any amin’ny taniny izy, ka tsy niverina ho eo amin’ny tanin’i Jodà intsony.

73 Koa nivalona ny sabatra teo amin’i Israely; ary niorim-ponenana tao Makmasa i Jônatasy, dia nanomboka nitsara ny vahoaka sy nanesotra ny mpankahala ny fivavahana teo amin’i Israely.

Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.

Malagasy Bible Society
Araho izahay:



dokam-barotra