Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -

Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

1Makabeo 7 - Baiboly Katolika


Tonga mpanjaka i Demetriosa voalohany, ary naniraka an’i Bakidesa sy i Alsima tany Jodea
(Jereo 2Mak 14,1-10 )

1 Tamin’ny taona faha-151, nitsoaka avy ao an-tanànan’i Rôma i Demetriosa zanak’i Seleokosa, ka teo amin’ny tanàna anankiray amoron-dranomasina no nitodiany nomban’olona vitsivitsy, ary teo izy naka ny anarana hoe mpanjaka.

2 Vao tafiditra teo amin’ny fanjakan’ny razany izy, dia nosamborin’ny miaramila i Antiôkosy sy i Lisiasy, hoentiny mankany aminy.

3 Nony nampandrenesina izany izy, dia hoy izy: «Aza atao mahita tava an’ireo aho.»

4 Ka dia novonoin’ny miaramila ireo, ary i Demetriosa nipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany.

5 Tamin’izany, nirohotra nankao aminy avokoa ny olona tsy marina sy mpankahala ny fivavahana tamin’i Israely, notarihin’i Alsima, izay naniry ho mpisorona lehibe.

6 Nampangain’izy ireo tamin’ny mpanjaka ny vahoaka, nataony hoe: «Novonoin’i Jodasy sy ireo rahalahiny ny sakaizanao, ary noroahiny tamin’ny taninay izahay.

7 Koa ankehitriny, maniraha izay olona mahatoky anao, handeha hizaha ny fanimbana rehetra nataony taminay, sy tamin’ny faritanin’ny mpanjaka, ary hamay ny meloka mbamin’izay rehetra manampy azy.»

8 Dia nofidin’ny mpanjaka tamin’ireo sakaizany i Bakidesa governoran’ny tany any an-dafin’ny ony, lehilahy ambony indrindra teo amin’ny fanjakana, sy niraiki-po amin’ny mpanjaka; ka io no nirahiny miaraka amin’i Alsima, mpankahala ny fivavahana,

9 izay nomeny toky hahazo ny laharam-pisoronana ambony indrindra, sy nodidiany hamaly ny ratsy nataon’ny zanak’i Israely.

10 Nony nandeha izy ireo, ka tonga tany amin’ny tanin’i Jodà nitondra tafika lehibe, dia nandefa iraka nitondra tenim-pihavanana ho any amin’i Jodasy mbamin’ireo rahalahiny hamitahana azy.

11 Saingy tsy nohenoin’izy ireto ny teniny noho izy tonga nomban-tafika lehibe.

12 Nanatona an’i Alsima sy i Bakidesa anefa, ny antoko-mpampiana-dalàna anankiray

13 mba hitady izay rariny, ary ny Asideanina izay lohalaharana teo amin’ny zanak’i Israely koa, nila fihavanana tamin’izy ireo; fa hoy izy:

14 «Mpisorona taranak’i Aarôna no miaraka amin’ny tafika ka tsy mety hanisy ratsy antsika io.»

15 Dia nanao tenim-pihavanana tamin’izy ireo tokoa io, sady nianiana izy hoe: «Tsy mihevitra akory ny hanisy ratsy anareo na ny sakaizanareo izahay.»

16 Ka natoky izany izy ireo, kanjo nasain’io nosamborina ny 60 tamin’izy ireo, ka nasainy novonoina tamin’ny indray andro ihany, araka ny tenin’ny Soratra Masina hoe:

17 «Nanely ny nofo sy nandatsaka ny ran’ireo masinao manodidina an’i Jerosalema izy ireo, ary tsy nisy olona handevina an’ireny akory.»

18 Koa raiki-tahotra sy nivadi-po ny vahoaka rehetra, fa tsy misy intsony izay rariny sy hitsiny amin’izy ireo, hoy ny olona, satria ny fanekena amam-pianianana nataony, nivadihany.

19 Niala tao Jerosalema i Bakidesa dia nandeha nitoby teo Bezeta, nasainy nosamborina ny maro tamin’ireo niendaka tsy hiandany aminy intsony, mbamin’ny sasantsasany tamin’ny vahoaka, dia novonoiny ary navariny tao amin’ilay lava-drano lehibe ny fatin’izy ireo.

20 Ary napetrak’i Bakidesa tamin’i Alsima ny tany, sady namelany miaramila hiaro azy io, dia niverina ho any amin’ny mpanjaka izy.

21 Nanao izay tratry ny ainy i Alsima hahazo ny fahefam-pisoronana.

22 Nivory teo aminy avokoa ireo mpanabataba ny fireneny, dia nahazo nitana ny tanin’i Jodà, ary nampidi-doza lehibe tamin’i Israely.

23 Nony hitan’i Jodasy ny loza nafitsok’i Alsima sy ireo mpiandany aminy tamin’ny zanak’i Israely, izay mangidy noho izay nataon’ny Jentily aza,

24 dia nitety ny tany Jodea manontolo izy, ka namay ny mpivadika sy nisakana azy tsy hiely any ambanivohitra.

25 Nony hitan’i Alsima fa tonga nahery i Jodasy sy ny namany, ka tsy hahaleo an’ireo izy, dia niverina ho any amin’ny mpanjaka izy, sady niampanga azy ireo ho nanao ratsy lozan-tany.


I Nikanôra tany Jodea - Ady tao Kafarsalamà
(Jereo 2Mak 14,12 , 14-30 )

26 Dia nirahin’ny mpanjaka i Nikanôra, iray amin’ireo jeneraliny malaza indrindra, sy feno fahasosorana amam-pankahalana an’i Israely, sady nomeny didy handringana ny vahoaka.

27 Nony tonga tany Jerosalema i Nokanôra nitondra tafika, dia nandefa tenim-pihavanana tamin’i Jodasy sy ireo rahalahiny hisaroroany azy.

28 «Aoka re, hoy izy, tsy hisy ady aminareo sy amiko; mba te ho avy aho miaraka amin’olona vitsivitsy hahita tava anareo amim-pihavanana.»

29 Dia tonga teo amin’i Jodasy izy, ka nifampiarahaba, sy naneho fisakaizana teo izy roalahy, kanjo iretsy fahavalo izany, efa vonon-kisambotra an’i Jodasy.

30 Nisy nampandre an’i Jodasy kosa anefa, fa fikendrena hamadika no nankanesan’i Nikanôra teo aminy, ka natahotra izy, sady nihataka tsy nety nihaona taminy intsony.

31 Fantatr’i Nikanôra tamin’izay fa vaky ny tetikadiny, ka rafitra niaraka tamin’izay, teo akaikin’i Kafarsalamà, ny adin’izy sy i Jodasy.

32 Nahafatesana sahabo ho 5.000 lahy ny tafik’i Nikanôra, ary nandositra nankao an-tanànan’i Davida ny sisa.


Ny nanambanana ny Tempoly
(Jereo 2Mak 14,31-36 )

33 Taorian’izany, niakatra tao an-tendrombohitra Siôna i Nikanôra, ka nivoaka avy eo amin’ny fitoerana masina ny mpisorona sasantsasany nomban’ny maro tamin’ny loholon’ny vahoaka, hiarahaba azy tamim-pihavanana, sy haneho aminy ny sorona dorana, natolotra ho an’ny mpanjaka.

34 Izy kosa anefa namazivazy sy namingavinga azy, nandoto azy, nanao teny avonavona taminy,

35 ary nanao izao fianianana izao tamin-katezerana: «Raha tsy atolotra ho eo an-tananko miaraka amin’izay i Jodasy sy ny tafiny, dia hodorako ity trano ity, raha vao tafaverina amim-piadanana aho.»

36 Sady nivoaka an-katezerana izaitsizy izy. Ka dia niditra ny mpisorona, nitsangana teo anoloan’ny ôtely sy ny fitoerana masina, nanao tamin-dranomaso hoe:

37 «Ianao, ry Tompo, no nifidy ity trano ity, hametrahanao ny Anaranao, mba ho trano fivavahana amam-pitarainana ho an’ny vahoakanao.

38 Koa valio ny ratsy nataon’iny lehilahy iny, mbamin’ny tafiny; aoka ho lavon-tsabatra izy ireo. Tsarovy ny teny manevateva ny fivavahana nataony, ka aza avela hiaina ireo.»


Andron’i Nikanôra Adasà
(Jereo 2Mak 15,22-24 )

39 Niala teo Jerosalema i Nikanôra dia lasa nitoby teo akaikin’i Betsora, ary nisy antoko-miaramila Sirianina iray tonga nitsena azy.

40 I Jodasy kosa nitoby teo akaikin’i Adasà, nomba-miaramila 3.000, dia nivavaka nanao hoe:

41 «Ireo nirahin’ny mpanjakan’ny Asirianina dia nanevateva Anao, ry Tompo, ka tonga ny Anjelinao namono ny 185.000 tamin’izy ireo.

42 Koa aringano torak’izany koa ity tafika eto anatrehanay ity anio, mba hoeken’ny sisa rehetra fa nanao teny manevateva ny fitoerana masina izy, ka tsarao araka ny haratsiam-panahiny.»


(Jereo 2Mak 15,25-36 )

43 Dia rafitra ny adin’ireo tafika tamin’ny andro faha-13n’ny volana Adara, ka montsana mihitsy ny miaramilan’i Nikanôra ary ny tenany aza no nitsingidina voalohany teo amin’ny ady.

44 Rehefa nahita an’i Nikanôra nitsingidina ny miaramila, nariany ny fitafiany, dia vaky nandositra izy.

45 Nenjehin’ny Jody lalana indray andro izy ireo hatrany Adasà ka hatrany akaikin’i Gazàra, ary nampitatatata ny trômpetra avy ato aoriana.

46 Ny olona avy amin’ny tanàna manodidina rehetra tany Jodea nivoaka nanarona ny Sirianina, dia niverina nifanehatra izy samy izy, ka lavon-tsabatra avokoa tsy nisy afa-nandositra na dia iray aza.

47 Nendahan’ireo, ireto resy, nobaboiny izay nananany, ny lohan’i Nikanôra notapahiny mbamin’ny tanany havanana, izay nahinjiny tamim-pireharehana, ka nentiny sy nahantony nanatrika an’i Jerosalema.

48 Feno hafaliana ny vahoaka ary nankalazainy toy ny androm-pifaliana lehibe izany andro izany.

49 Dia naraikitra hankalazaina isan-taona izany andro izany amin’ny faha-13n’ny volana Adara.

50 Ary nandry feizay kelikely ny tanin’i Jodà.

Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.

Malagasy Bible Society
Araho izahay:



dokam-barotra