Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -

Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

1Makabeo 5 - Baiboly Katolika


Famelezana ny Idomeanina sy ny Amônita

1 Nisafoaka mafy ireo firenena manodidina, nony nandre fa hoe voavoatra indray ny ôtely ary vita nody amin’ny toerany taloha indray ny fitoerana masina.

2 Koa nanapa-kevitra izy ireo fa handringana ny taranak’i Jakôba nitoetra teo aminy izy, ary niantombohany namonoana maro izy sy nenjehiny


(Jereo 2Mak 10,15-23 )

3 Ny taranak’i Esao tao Idomea amin’ny tanin’ny Akrabatàna aloha, no niadian’i Jodasy fa namely ny zanak’i Israely; nataony resy dia resy tokoa ireo, ka naetriny sy nangalany babo.

4 Tsaroany koa ny haratsiam-pon’ny taranak’i Beana, izay nitsangan-ko fandrika aman-doza ho an’ny vahoaka, nanao otrika hahavoa azy teny an-dalana;

5 ka notemerany tao anatin’ny tilikambony ireo, dia nataony fahirano sy nataony anatema ary nodorany ny tilikambony mbamin’izay rehetra tao anatiny.

6 Raha efa izany, nankany amin’ny Amônita indray izy, ka sehatra tafika iray lehibe sy vahoaka maro, fehin’i Timoteo.

7 Niadiany imbetsaka ireo, ka montsana teo anatrehany ary resy mihitsy.

8 Nalainy ny tanàna Jazera mbamin’ny vohitra momba azy; dia niverina nankany Jodea izy.


(Jereo 2Mak 12,10-31 )

9 Nitambatra ireo firenena any Galaada hamely ny Israelita monina eo amin’ny faritaniny, handringanany azy, fa lasa nialoka tao amin’ny mandan’i Datemàna kosa ireo.

10 Nampitondra taratasy tany amin’i Jodasy mbamin’ireo rahalahiny izy nanao hoe: «Nitambatra hamely anay ho levona ireo firenena manodidina anay.

11 Efa miomana ho avy haka ny manda ialofanay izy ireo izao ary i Timoteo no filohan’ny tafiny.

12 Ka avia hanafaka anay amin’ny tanan’izy ireo, fa efa nahafatesana maro be sahady izahay.

13 Ireo rahalahinay nonina teo amin’ny tanin’i Toba dia voavono avokoa; nentin’ny fahavalo ho babo ny vady aman-janany, lasany ny fananany, efa ho 1.000 lahy no matiny tao.»

14 Mbola vakina eo ny taratasin’izy ireo, no nisy iraka hafa, rovi-pitafiana koa, tonga avy any Galilea, nitondra izao vaovao izao:

15 «Nitambatra handringana anay ny olona avy any Ptôlemaisa, Tira, Sidona, ary avy any Galilean’ny hafa firenena manontolo.»

16 Nony nandre izany teny izany i Jodasy sy ny vahoaka, dia nisy fivoriana lehibe, handinihana izay tokony hataony ho an’ireo rahalahiny tra-pahoriana sy asian’izany fahavalo izany.

17 Hoy i Jodasy tamin’i Simôna rahalahiny: «Mifidiana miaramila ka mandehana manafaka ny rahalahinao any Galilea, fa izaho sy i Jônatasy rahalahiko kosa, ho any Galaada.»

18 Dia i Josefa zanak’i Zakaria sy i Azariasa samy mpifehy vahoaka no navelany teo Jodea miaraka amin’ny miaramila sisa hiambina,

19 sy nomeny didy hoe: «Entonareo ity vahoaka ity, nefa aza mandrafitra ady amin’ny firenena mandra-piverinay.»

20 Telo arivo lahy no notendrena hiaraka amin’i Simôna ho any Galilea, ary 8.000 kosa no hiaraka amin’i Jodasy ho any Galaada.


Famelezana an’i Galilea sy i Galaada

21 Koa nankany Galilea i Simôna dia niady imbetsaka tamin’ny firenena, resy teo anoloany ny firenena,

22 ka nenjehiny hatrany amin’ny vavahadin’i Ptôlemaisa. Sahabo ho 3.000 lahy no maty tamin’ny firenena, sady nentiny ny babo tamin’ireo.

23 Nangoniny avokoa ny Jody tany Galilea sy Arbatà, mbamin’ny vady aman-janany sy izay rehetra nananany dia nentiny ho any Jodea tamin-kafaliana lehibe.


(Jereo 2Mak 12,10-31 )

24 Ry i Jodasy Makabeo sy i Jônatasa rahalahiny kosa nita an’i Jordany dia nandroso lalan-kateloana tany anaty efitra.

25 Nifanojo tamin’ny Nabateana izy ireo, ka noraisin’ireo tamim-pihavanana sy nitantarany ny manjò an’ireo rahalahiny any Galaada hoe:

26 «Maro amin’izy ireo no voatana mihiboka ao Bôsorà, Bôsòra, Alimà, Kasfôra, Makedà ary Karnaima, tanàna lehibe samy mimanda;

27 misy koa mihiboka amin’ny tanàna hafa any Galaada. Ny fahavalony dia efa mioman-kananika ireo manda ireo rahampitso sy hahazo azy ary handringana azy rehetra ireo amin’ny indray andro monja.»

28 Dia niova lalana i Jodasy; ny lalana mankany anaty efitra no nomban’izy sy ny tafiny; ka niseho tampoka teo anoloan’i Bôsôra izy: nalainy ny tanàna, novonoiny tamin’ny lelan-tsabatra avokoa ny lahy tamin’ny mponina, nentiny daholo ny babo avy aminy, ary nodorany tamin’ny afo ny tanàna.

29 Niala teo tamin’ny alina izy, ka nandroso hatrany amin’ny mandan’i Datemàna.

30 Nony maraina, nanopy ny masony izy ireo, ka nahatazana vahoaka tsy tambo isaina nitondra tohatra sy fitaovana hoenti-manafaka ny manda, ary niady tamin’ny Jody.

31 Rehefa hitan’i Jodasy fa efa rafitra ny ady, ary efa niakatra hatrany an-danitra ny akoran’ny mponina niaraka tamin’ny feon-trômpetra, mbamin’ny horakoraka be,

32 dia hoy izy tamin’ny miaramilan’ny tafiny: «Miadia anio ho an’ny rahalahinareo!»

33 Dia nandroso, nizara telo toko, teo ivohon’ny fahavalo izy, dia nampaneno ny trômpetra, sady nivavaka nanao antso mafy.

34 Vantany vao fantatry ny tafik’i Timoteo fa i Makabeo izay, dia rifatra nandositra teo anoloany izy ireo, ka nataony nisy ra mandriaka sy resy mihitsy; sahabo ho 8.000 no lehilahy maty tamin’izy ireo androtr’izay.

35 Avy ao i Jodasy, dia nihodina nankany Masfà; nasiany io dia azony, ka novonoiny ny lahy rehetra tamin’ny mponina, nentiny ny babo taminy, ary nodorany tamin’ny afo ny tanàna.

36 Nandroso nandroso ihany izy, ka azony avokoa i Kasfôna, i Makedà, i Bôsôra, mbamin’ny tanàna hafa any Galaaditida.

37 Taorian’izany, namory tafika hafa indray i Timoteo, dia lasa nitoby teo an-tandrifin’i Rafôna, an-dafin’ny mason-driaka.

38 Naniraka hizaha io tafika io i Jodasy ka izao no filazana natao taminy: «Nitambatra tamin’ny miaramilan’i Timoteo avokoa ny firenena manodidina antsika, ka tonga tafika iray lehibe dia lehibe izy.

39 Nosisihiny vola hanampy azy koa ny Arabo sasany, naoriny erỳ an-dafin’ny riaka ny tobiny, ary efa vonona ny hiady aminao izy izao». Dia nandroso hitsena azy ireo i Jodasy.

40 Ary hoy i Timoteo tamin’ireo lehiben’ny tafiny: «Rehefa tonga eo amin’ny rano mandeha i Jodasy mbamin’ny miaramilany, raha mita izy handroso voalohany ho etỳ amintsika, tsy hahatohitra azy ianareo, fa ho resiny mihitsy isika.

41 Fa raha matahotra ny hita kosa izy, miorin-toby eny an-dafin’ny ony, mità ho eny aminy, fa handresy azy isika.»

42 Nony mby teo amin’ny rano mandeha i Jodasy, nasainy niato teo amoron-drano ny mpanoratry ny tafika, ka nomeny didy hoe: «Aza avela hisy mijanona, fa aoka handroso ho eny amin’ny ady avokoa ny olona.»

43 Dia nandroso nanatona ny fahavalo izy ka nita voalohany, narahin’ny vahoaka rehetra. Torotoro teo anoloany avokoa ny Jentily; narian’izy ireo ny fiadiany rehetra, dia nandositra tao amin’ny tempoly ao Karnaima izy.

44 Fa azon’ny Jody ny tanàna, ka nodorany ny tempoly mbamin’izay rehetra tao aminy, dia voaetry i Karnaima, ary tsy nahaleo an’i Jodasy intsony ny fahavalo.

45 Nangonin’i Jodasy tamin’izay ny Israelita rehetra tany Galaada, hatramin’ny kely indrindra, ka hatramin’ny lehibe indrindra, mbamin’ny vady aman-janany sy ny ananany, izay zavon-tany, hoentiny ho any amin’ny tanin’i Jodà.

46 Dia tonga teo Efrôna, tanàna lehibe manapaka ny vavalalana ho amin’ny tany, sy voamanda mafy; ary tsy nisy azo iviliana na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, fa tsy maintsy mamaky eo afovoany.

47 Nihiboka tao ny mponina, sady notampenany vato ny vavahady. Nandefa tenim-pihavanana tamin’izy ireo i Jodasy nanao hoe:

48 «Aoka mba hahazo mamaky ny taninareo izahay hankanesanay any amin’ny taninay; tsy hisy olona hahatonga faty antoka ho anareo; fa tsy misy angatahinay afa-tsy ny handalo fotsiny ihany.» Tsy nety namoha azy anefa izy ireo.

49 Ka nasain’i Jodasy nilazana ny miaramila, mba samy haka toerana amin’izay nisy azy avy.

50 Dia samy naka toerana ny lehilahy mpiantafika; ka nananika ny tanàna mandritra ny andro sy mandritra ny alina, dia natolotra teo an-tanany ny tanàna.

51 Novonoiny tamin’ny lelan-tsabatra ny lahy rehetra, noravany tsy nasiany niangana ny tanàna, nentiny ny babo teo aminy, ary faty no nodiaviny namaky azy.

52 Raha efa izany, nita an’i Jordany ny Jody, dia tonga teo amin’ny tany lemaka lehibe, tandrifin’i Betsàna.

53 Nijanona tany amin’ny vodilalana i Jodasy nampandroso ny mpitaredretra hahatratra ny namany, namporisika ny vahoaka teny an-dalana rehetra teny, mandra-pahatongany any amin’ny tanin’i Jodà.

54 Dia niakatra tao an-tendrombohitra Siôna, tamim-pifaliana sy firavoravoana izy ireo, sy nanatitra sorona dorana, fa tonga soa aman-tsara, tsy nisy maty na dia iray aza, tamin’izy rehetra.


Fahavoazana tao Jamnià

55 Raha mbola tany amin’ny tany Galaada i Jodasy mbamin’i Jônatasa rahalahiny, ary tany Galilea anoloan’i Ptôlemaisa koa i Simôna rahalahiny,

56 dia ren’i Josefa zanak’i Zakaria, sy i Azariasa, samy lohan’ny tafika, ny herim-po lehibe nafitsok’izy ireo sy ny ady nataony.

57 Ka nifampilaza izy hoe: «Ndao koa isika mba hampaneho laza ny anarantsika, ka andeha hiady amin’ireo firenena manodidina antsika.»

58 Dia nomeny didy ny miaramila amin’ny tafiny, ka nandroso hamely an’i Jamnià izy ireo.

59 Ary nivoaka ny tanàna i Gôrjiasa mbamin’ny miaramilany, ka nandroso hitsena azy hiadiany aminy.

60 Resy i Josefa sy i Azariasa, ka nenjehina hatreo amin’ny sisin-tanin’i Jodea, nahafatesana 2.000 lahy ny vahoakan’i Israely, tamin’izay andro izay. Ny vahoakan’i Israely no voan’izany faharesena lehibe izany.

61 dia noho izy tsy nihaino an’i Jodasy mbamin’ireo rahalahiny, fa nataony ho fanehoan-kerim-po izany.

62 Kanefa izy ireo tsy mba isan-taranak’ireo olona izay nametrahana ny famonjena an’i Israely.


Fahombiazana tany Idomea sy Filistia

63 I Jodasy mahery fo, mbamin’ireo rahalahiny, nahazo voninahitra lehibe, teo anatrehan’i Israely rehetra sy ny firenena rehetra, izay nanonona ny anarany.

64 Nivory nanodidina azy ny olona hiarahaba azy.

65 Nanaraka izany, niainga indray i Jodasy mbamin’ireo rahalahiny, hiady amin’ny taranak’i Esao, eo amin’ny tany atsimo; azony i Hebrôna mbamin’ny tanàna momba azy, noravany ny mandany, nodorany ny tilikambo teo amin’ny manda manodidina azy.

66 Nony avy nangorona ny lainy izy dia nankany amin’ny tanin’ny Filistinina sy namaky an’i Marezà.

67 Tamin’izany andro izany nisy mpisorona maro, maty an’ady fa te-hanampatra ny herim-po fotsiny, ka mba nisosoka niady, tsy amim-pahamalinana, koa.

68 Raha efa izany, nizotra ho any Azota tamin’ny Filistinina i Jodasy, noravany ny ôtelin’ireny, nodorany ny sarin-tsampy voasokitr’ireny, ary nony efa nobaboiny ny tanànany, dia niverina ho amin’ny tanin’i Jodà izy.

Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.

Malagasy Bible Society
Araho izahay:



dokam-barotra