Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -

Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

1Makabeo 4 - Baiboly Katolika


Ny ady tao Emaosy
(Jereo 2Mak 8,23-29 )

1 Nitondra miaramila 5.000 i Gorjiasy, sy mpitaingin-tsoavaly voafantina 1.000,

2 ka niainga alina hanatona ny tobin’ny Jody sy hamely azy tampoka; ny miaramila avy amin’ny trano mimandan’i Siôna no nitari-dalana azy.

3 Nony nandre izany i Jodasy dia niainga izy sy ireo lehilahy mahery, hamely ny tafiky ny mpanjaka izay ao Emaosy,

4 fony mbola tafaely tany ivelan’ny toby ny miaramila.

5 Dia tonga tamin’ny alina, tao an-tobin’i Jodasy, i Gorjiasy, nefa tsy nahita olona, ka lasa nikaroka azy ireo tany an-tendrombohitra, fa hoy izy: «Nandositra antsika izy ireo.»

6 Vao nipoaka ny andro, dia niseho teo amin’ny tany lemaka i Jodasy nitondra miaramila 3.000; izy ireo anefa tsy mba nanana izay fitaovana niriny, na ny hiarovany tena na ny hamelezany.

7 Raha nahita ny tobin’ny firenena voaaro mafy izy ireo, ny miaramila misarona amin’ny fiarovan-tratra, ny miaramila an-tsoavaly misafo eny manodidina azy, izay samy zatra ady avokoa,

8 dia hoy i Jodasy tamin’ireo miaramila momba azy: «Aza matahotra izay hamaroan’ireo, na mivadi-po amin’izay famelezany,

9 fa tsarovy ny namonjena ny razantsika tao amin’ny Ranomasina Mena, fony izy nenjehin’i Faraôna nomban-tafika lehibe.

10 Koa ankehitriny miantsoa mitaraina amin’ny lanitra isika, ary matokia fa hamindra fo amintsika Izy, hahatsiaro ny fanekeny tamin’ny razantsika ary handrava io tafika io anio eo imasontsika Izy;

11 dia ho fantatry ny firenena rehetra fa manana olon-kanafaka sy hamonjy azy i Israely.»

12 Tamin’izay nanopy ny masony ireo hafa firenena, ka nahatazana azy ireto tamy hamely azy,

13 dia nivoaka ny toby hiady. Notsofin’ireo nomba an’i Jodasy niaraka tamin’izay, ny trômpetra;

14 dia rafitra ny ady, ka resy ny firenena sy nandositra teny amin’ny tany lemaka,

15 lavon-tsabatra avokoa ny vodilalana, ary nenjehin’ny jody hatrany Gazàra, sy hatrany amin’ireo tany lemak’i Jodea sy i Azota azy i Jamnià, ka nahafatesany efa ho 3.000 lahy.

16 Izay i Jodasy sy ny tafiny, vao niverina nijanona tsy nanenjika intsony, ary hoy izy tamin’ny vahoaka:

17 «Aza liana ny hamabo ianareo, fa mbola misy ady miandry antsika.

18 Ato an-tendrombohitra akaikintsika ato izao i Gorjiasy sy ny miaramilany, ka tohay mafy aloha ny fahavalontsika, reseo izy, vao izay no hahazo maka ny babony tsy aman-tahotra ianareo.»

19 Mbola miteny eo i Jodasy no indro niseho ny antoko-miaramilan’i Gorjiasy nivoaka avy ao an-tendrombohitra.

20 Hitan’ireo fa ny namany nandositra, ny toby nodoran’ny Jody, satria tazana ny setroka maneho izay natao.

21 Raiki-tahotra mafy izy nahita izany; nony tazany koa amin’izay ny tafik’i Jodasy, nilahatra teo amin’ny tany lemaka, voaoman-kiady,

22 dia nandositra any amin’ny Filistinina avokoa izy rehetra.

23 Fa i Jodasy kosa niverina nandraoka ny babo tao an-toby, ka volamena sy volafotsy betsaka mbamin’ny lamba jaky volomparasy sy jaky mena mangatrakatraka ary harem-bevava no nentiny.

24 Hira no nataony nony nody, fiderana ny Tompo no nasondrony ho any an-danitra: Fa tsara Izy, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony.

25 Nahazo famonjena lehibe i Israely tamin’izany andro izany.


Fanafihana voalohany nataon’i Lisiasy

26 Nilaza ny nanjò rehetra tamin’i Lisiasy ireo hafa firenena izay afa-nandositra,

27 ka nalahelo sady kivy io, nony nandre izany vaovao izany, fa ny fikasany hamely an’i Israely maty afo, ary ny didin’ny mpanjaka tsy tanteraka.

28 Tamin’ny taona manaraka, namory tafika iray indray i Lisiasa, miaramila an-tongotra voafantina 60.000, ary an-tsoavaly 5.000, hoenti-mandresy ny kirin’ny Jody.

29 Dia nandroso nankany Jodea izy ireo, ka niorin-toby teo akaikin’i Betorôna. Ary nandeha hanohitra azy i Jodasy, nitarika miaramila 10.000.

30 Nony nahita ity tafika mahatahotra izy, dia nivavaka nanao hoe: «Ry Mpanafaka an’i Israely ô, isaorana Ianao, Ianao ilay nanorotoro ny herin’ilay lehilahy goavana be, tamin’ny tanan’i Davida mpanomponao, sy nanolotra ny tobin’ny Filistinina teo an-tanan’i Jônatasy zanak’i Saola, sy ny dekàny.

31 Fiazo eo an-tanan’i Israely vahoakanao io tafika io; ary aoka hifanaritaka izy ireo mbamin’ny miaramilany an-tongotra sy an-tsoavaly.

32 Ataovy raiki-tahotra izy, ketraho ny hasahiany be ebo; ary aoka ny fahareseny hampikorontana azy.

33 Ataovy lavon’ny sabatr’ireto tia Anao izy ireo, ary aoka izay rehetra mahalala ny Anaranao hanao hira fierana Anao avokoa.»

34 Dia natombok’izy ireo ny ady, ka nisy 5.000 lahy tamin’ny tafik’i Lisiasy no niampatra teo anoloan’i Jody.

35 Nony hitan’i Lisiasy ity fiparitaky ny tafiny, sy izato fahasahian’ny miaramilan’i Jodasy, izay nitomban-ko velona na ho faty amim-boninahitra, dia nody ho any Antiôkia izy, ka naka miaramila tamin’ny hafa firenena; ny hiverina ho any Jodea indray no nampoiziny rehefa nampitomboiny ny miaramilany.


Nanadiovana ny Tempoly sy nitokanana azy
(Jereo 2Mak 10,1-8 )

36 Ary hoy kosa i Jodasy sy ireo rahalahiny: «Efa resy ity ny fahavalontsika, ka ndeha amin’izao hiakatra hanadio ny tempoly sy hitokana azy indray.»

37 Dia nivory ny tafika manontolo, ka niakatra ho any an-tendrombohitra Siôna.

38 Nony hitan’izy ireo ity fitoerana masina foana, ny ôtely voaloto, ny varavarana may, ny hazo madinika maniry tao amin’ny kianja, toy ny anaty ala na eny an-tendrombohitra, ary ny efitrano voarava,

39 dia norovitiny ny fitafiany, nigogogogo tamim-pisaonana mafy izy, nohosenany lavenona ny lohany,

40 nahohony tamin’ny tany ny tarehiny, ary raha niara-naneno nikarantsana ny trômpetra, dia nandefa fitarainana tamin’ny lanitra izy ireo.

41 Tamin’izay, dia nakan’i Jodasy antokony iray ny foloalindahy hiady amin’ny Sirianina tao amin’ny trano mimanda mandra-panadio ny fitoerana masina.

42 Raha efa izany, nifidy mpisorona tsy manan-tsiny, miraiki-po amin’ny lalàn’Andriamanitra izy,

43 dia nodiovin’izy ireo ny fitoerana masina, ary notateriny any am-panariana ondana ny vato voaloto.

44 Nifampihevitra ny amin’izay tokony hanaovana ny ôtelin-tsorona dorana izay efa voaloto,

45 ka nahita hevitra tsara izy, dia ny handrava an’io; fandrao mahatonga fahafaham-baraka ho azy, noho izy efa voaloton’ny Jentily, dia noravany ny ôtely,

46 ary napetrany teo amin’ny tendrombohitry ny tempoly amin’ny fitoerana mety tsara ny vato, mandra-pahatongan’izay mpaminany, hanapaka izay tokony hanaovana azy.

47 Dia naka vato tsy voapaika, araka ny lalàna, izy ireo ary nanangana ôtely anankiray vaovao, araka ny marik’ilay taloha.

48 Naoriny indray ny fitoerana masina mbamin’ny atin’ny tempoly, ary nohamasininy ny kianja.

49 Nanao fanaka vaovao indray izy; dia napetrany tao amin’ny tempoly indray ny fanaovan-jiro, ny ôtely fandoroan-java-manitra, ny latabatra.

50 Nodorany hanetona eo ambony ôtely ny emboka, nampirehetiny ny lalampy teo amin’ny fanaovan-jiro, ary notsilovin’ireo ny tempoly.

51 Napetrany teo ambony latabatra ny mofo, ary nahantony ny efitra lamba. Nony vitan’izy ireo ny asa rehetra nataony,

52 dia nifoha maraina koa izy, tamin’ny andro faha-25n’ny volana faha-9, izay volana atao hoe Kasleo, tamin’ny taona faha-148,

53 ka nanatitra sorona, araka ny lalàna, teo ambonin’ny ôtelin-tsorona dorana vaovao izay narafiny.

54 Tamin’ny volana sy ny andro nandotoan’ny firenena ny ôtely indrindra no nanamasinana azy indray, tamin’ny hiran’ny Salamo, sy tamin’ny feon’ny harpa aman-dokanga sy kipantsona.

55 Indray nihohoka ny vahoaka, dia nitsaoka ary niandrandra ny lanitra, nisaotra an’Ilay nanambina azy.

56 Naharitra valo andro no nanaovany ny fitokanana ny ôtely, ary an-kafaliana no nanaterany ny sorona dorana sy ny sorom-pisaorana amam-piderana.

57 Noravahany fehiloha aman’ampinga be renty ny anoloan’ny tempoly, namboariny koa ny fidirana amin’ny tempoly sy ny efitrano sady nasiany varavarana.

58 Nisy fifaliana lehibe indrindra teo amin’ny vahoaka, ka afaka ny fahafaham-baraka nafitsoky ny firenena.

59 Ary i Jodasy nifanara-kevitra tamin’ireo rahalahiny mbamin’ny fiangonan’i Israely rehetra, dia nandidy ny hankalazana ireo andro nitokanana ny ôtely, amim-pifaliana sy firavoravoana mandritra ny havaloana isan-taona, miantomboka amin’ny faha-25n’ny volana Kasleo.

60 Tamin’izany fotoana izany ihany, izy ireo nanorina teo amin’ny tendrombohitra Siôna manda avo manodidina, sy tilikambo mafy, mba tsy hahazoan’ny firenena manosihosy ny fitoerana masina intsony, toy ny efa nataony teo aloha.

61 Nametraka miaramila iray toko tao i Jodasy hiambina sy hiaro azy. Nohamafisina koa i Betsora, mba hananan’ny vahoaka fiarovana tandrifin’i Idomea.

Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.

Malagasy Bible Society
Araho izahay:



dokam-barotra