Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 1Makabeo 16 - Baiboly KatolikaNy nandresen’ireo zanak’i Simôna an’i Sendebe 1 Niakatra avy any Gazàra i Joany, ka tonga nilaza tamin-drainy ny nataon’i Sendebe. 2 Dia nantsoin’i Simôna i Jodasy sy i Joany zanany roa lahy zokiny indrindra, ka hoy izy taminy: «Izaho sy ireo rahalahiko, dia nandresy ny fahavalon’i Israely hatramin’i fahatanoranay ka mandraka androany, ary matetika izahay no nahavatra namonjy an’i Israely tamin’ny tananay. 3 Ankehitriny izaho ity efa antitra, ianareo kosa efa ampy taona noho ny fitahian’Andriamanitra, ka aoka ianareo handimby ahy sy ny rahalahiko; mandehana miady ho an’ny firenentsika, ary homba anareo anie ny fanampiana avy amin’ny lanitra.» 4 Dia nifantina mpiantafika 20.000 sy mpitaingin-tsoavaly tany amin’ny tany izy, ka niainga ireo hamely an’i Sendebe: nitoby alina tao Modìna izy ireo. 5 Nifoha maraina izy ireo dia niroso ho eo amin’ny tany lemaka, ka indro tafika maro be an-tongotra sy an-tsoavaly no tamy hifanehatra aminy; ny lalan’ny ranon-driaka anankiray no nanelanelana azy ireo. 6 Niorin-toby teo an-tandrifin’izy ireo i Joany sy ny tariny. Hitany fa matahotra ny hita ny ranon-driaka ny miaramilany, ka dia izy no nìta voalohany; nony nahita izany ireto mpiantafiny, dia nìta nanaraka azy. 7 Nozarainy ho antokony roa ny tafiny, ary nalahany teo anelanelan’ny miaramila an-tongotra ny an-tsoavaly; ny an-tsoavalin’ny fahavalo izany maro dia maro. 8 Dia notsofin’izy ireo ny trômpetra, ka vaky nandositra i Sendebe sy ny tafiny; maro no nitsingidina maty, ary ny sisa nitady fialofana tao amin’ny trano mimanda. 9 I Jodasy rahalahin’i Joany naratra tamin’izay, fa i Joany kosa nanenjika ny mpandositra ambara-pipakany tany Gedôra izay nohamafisin’i Sendebe. 10 Nandositra hatrany amin’ireo tilikambo teo an-tsahan’i Azota ireo resy; ary izy kosa nandoro ny tanàna tamin’ny afo. 2.000 tamin-dry zareo no maty vao niverina soa aman-tsara ho any Jodea i Joany. Ny namonoana an’i Simôna tao Dôka. I Joany no nandimby azy 11 I Ptôlemea zanak’i Abobôsa dia voatendry ho komandin’ny miaramila eo amin’ny tany lemak’i Jerikô; nanam-bolamena sy volafotsy betsaka izy, 12 fa vinanton’ny mpisorona lehibe ka tonga niavonavona tao am-pony. 13 Naniry ho tonga tompon’ny tany izy, ka nisain-dratsy hamadika an’i Simôna mbamin’ireo zanany, mba hahafaty an’ireo. 14 I Simôna izany nitsiditsidika ireo tanànan’i Jodea, nilozoka tamim-pitandremana lehibe amin’izay hiadanan’izy ireo, ka nidina tany Jerikô izy mbamin’i Matatiasa zanany, sy i Jodasy, tamin’ny taona faha-177, volana faha-11, dia volana Sabata izany. 15 Noraisin’ity zanak’i Abobôsa tamim-kafetsena izy ireo, tao amin’ny trano mimanda kely nampanaoviny, atao hoe Dôka; nanomana fanasana lehibe ho azy ireo izy ary nasiany miaramila niafina tao. 16 Nony mamo i Simôna sy ireto zanany, nitsangana i Ptôlemea sy iretsy miaramilany, noraisiny ny fiadiany, dia niantoraka tamin’i Simôna tao an-trano fanasana izy, ka namono azy sy ireo zanany roa lahy, mbamin’ny mpanompony vitsivitsy. 17 Sady nahavita famadihana lehibe izy tamin’izany no namaly ratsy ny soa. 18 Nanoratra niaraka tamin’izay i Ptôlemea ho any amin’ny mpanjaka, hilaza aminy ny zava-niseho sy nangataka azy handefa miaramila hanampy azy, mba hanolorany aminy ny tany aman-tanànan’ny Jody. 19 Naniraka olon-kafa koa izy ho any Gazàra hamono an’i Joany; ary nandefasany taratasy ireo jeneraly, nantsoiny hanatona azy, homeny volafotsy sy volamena ary fanomezana. 20 Nisy olona hafa koa nalefany hitana an’i Jerosalema sy ny tendrombohitry ny tempoly. 21 Saingy lasa teo aloha ny iraka anankiray, ka tonga nilaza tamin’i Joany tao Gazàra ny namonoana an-drainy mbamin’ireo rahalahiny, sady nanampy teny izy hoe: «Naniraka mpanompo koa izy hamono anao.» 22 Ana foana teo i Joany nony nandre izany vaovao izany; nosamboriny ireo olona tonga hamono azy, dia novonoiny, satria fantany ny fikasany hamono azy. 23 Ny sisa amin’ny tantaran’i Joany, ny ady nataony, ny herim-po nasehony, ny manda nampanaoviny, mbamin’ny zava-nataony rehetra, 24 dia efa voasoratra avokoa, ao amin’ny Tantaran’ny naha-mpisorona lehibe azy, hatramin’ny andro nahatonga azy ho mpisorona lehibe nandimby an-drainy. |
Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.
Malagasy Bible Society