Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Obadia 1:16 - DIEM PROTESTANTA

16 «Ianareo, ry Israelita, dia efa nisotro ny fahatezerako teo an-tendrombohitro masina; toy izany koa no hisotroan’ny firenena azy tsy an-kiato: eny, hisotro ny fahatezerako izy ka hivembena, ary dia ho fongana toy ny tsy nisy akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitra masina, dia toy izany koa no hisotroan’ny firenena rehetra mandrakariva, eny, hisotro izy ka hitelina, ary ho toy ny tsy ary izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 «Ianareo, ry Israelita, dia efa nisotro ny fahatezerako teo an-tendrombohitro masina; toy izany koa no hisotroan’ny firenena azy tsy an-kiato: eny, hisotro ny fahatezerako izy ka hivembena, ary dia ho fongana toy ny tsy nisy akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitro masina, no hisotroan’ny firenena rehetra tsy an-kijanona koa; hisotro izy, hitelina izy, ary ho toy ny tsy nisy akory izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitra masina, Dia toy izany koa no hisotroan’ny firenena rehetra mandrakariva, Eny, hisotro izy ka hitelina, Ary ho toy ny tsy ary izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitra masina, Dia toy izany koa no hisotroan'ny firenena rehetra mandrakariva, Eny, hisotro izy ka hitelina, Ary ho toy ny tsy ary izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Obadia 1:16
13 Rohy Ifampitohizana  

Efa hatry ny ela Aho no nangina, ka tsy nanao na inona na inona, hoy ny TOMPO. Fa izao kosa Aho mitaraina toy ny vehivavy miteraka izay sempotsempotra sady tsy avy miaina.


Izao tokoa no lazain’ny TOMPO: «Indro fa izay tsy tokony hisotro amin’ny tsatokaty aza, tsy maintsy nisotro ihany; koa ianao ve no ho afaka, ry Edôma? Tsia, tsy ho afaka ianao, tsy maintsy hisotro amin’ny tsatokaty ianao!


Mifalia sy miravoa ianareo, ry mponin’i Edôma, izay mitoetra ao amin’ny tanin’i Hotsy; saingy handalo aminareo koa ny tsangambavam-panamelohana ka ho mamo sy hiboridana ianareo!


Handroba no ahatongavan’izy rehetra, ka ijereny fatratra ny eo anoloany ary anangonany babo maro tahaka ny fasika.


Tonga ny fotoanandro hiantombohan’ny fitsarana hatrao amin’ny ankohonan’Andriamanitra; ka raha miantomboka amintsika izany, hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy mety mino nyVaovao Mahafaly avy amin’Andriamanitra?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra