Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 5:27 - DIEM PROTESTANTA

27 Rehefa avy nisotro izy, dia izao no hiseho: raha voaloto izy satria nanitsakitsaka tokoa ny vadiny, dia hiditra ao aminy hanjary mangidy ny rano mitondra ozona ka hampibontsina ny kibony sady hahatonga azy ho momba; ary ho ohatry ny fanozonana eo amin’ny fireneny ravehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Koa rehefa nampisotroina ny rano izy, raha voaloto, satria nanao izay nahadiso azy tamin’ny vadiny, dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy ny rano mitondra ozona, ary hivonto ny kibony sady hifezaka ny feny ka ho fiozonana eo amin’ny fireneny Ravehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Rehefa avy nisotro izy, dia izao no hiseho: raha voaloto izy satria nanitsakitsaka tokoa ny vadiny, dia hiditra ao aminy hanjary mangidy ny rano mitondra ozona ka hampibontsina ny kibony sady hahatonga azy ho momba; ary ho ohatry ny fanozonana eo amin’ny fireneny ravehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 Rehefa hampisotroiny azy ny rano, dia izao ny hitranga: raha nanao fahalotoana, ka diso tamin’ny lahy tokoa izy, dia hiditra ao anatiny, mba ho mangidy aminy, ny rano mitondra ozona, hivonto ny kibony, ary hifezaka ny ilany, ka dia fanozona eo amin’ny fireneny izany vehivavy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Ary rehefa nampisotroina ny rano izy, ary voaloto, satria nanao izay nahadiso azy tamin’ny vadiny, dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy ny rano mitondra ozona, ary hivonto ny kibony, sady hifezaka ny feny; ka dia ho fiozonana eo amin’ny fireneny ravehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Ary rehefa nampisotroina ny rano izy, ary voaloto, satria nanao izay nahadiso azy tamin'ny vadiny, dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy ny rano mitondra ozona, ary hivonto ny kibony, sady hifezaka ny feny; ka dia ho fiozonana eo amin'ny fireneny ravehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 5:27
18 Rohy Ifampitohizana  

Ny ozona no tahaka ny lamba itafiany; ka dia hanenika ny tenany tahaka ny rano anie izany ary ho ao anatin’ny taolany tahaka ny tsoka!


Hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy izay toy ny fandrika. Ny fitiavany dia toy ny harato ary ny sandriny toy ny fatorana. Izay lehilahy sitrak’Andriamanitra dia afa-mandositra azy, fa ny mpanota kosa: ho azony.


Eo amin’ny olom-boafidiko dia hatao ohatra ny anaranareo amin’ny fomba fanozonana toy izao: «Hovonoin’ny Tompo ANDRIANANAHARY tahaka an-dRanona na Ranona anie ianao!» Ho fanasoavana ny mpanompoko kosa dia anarana hafa no hotononina aminy.


Hatolotro ho fampihorohoroana ny fanjakana rehetra eto an-tany izy; ka na aiza na aiza hanapariahako azy, dia ho ohatra fandatsana sy fanarabiana ary fanesoana sy fanozonana izy.


Hoenjehiko amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy, ka ho raiki-tahotra ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany raha mahita azy. Any amin’ny firenen-kafa rehetra izay hampielezako azy, dia horaisina ho ohatra izy hoenti-manozona sy hoenti-milaza zava-mahatahotra sy mampihoron-koditra na mahamenatra;


Ny Jodeanina rehetra izay nentina ho babo atỳ Babilôna dia hampiasa ny anaran’izy roa lahy ho oha-panozonana ka hilaza hoe: Hataon’ny TOMPO tahaka izay nanjo an’i Tsedekià sy i Ahaba izay nodoran’ny mpanjakan’i Babilôna tamin’ny afo anie ianao!


Dia niteny indray i Jeremià hoe: –Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Tahaka ny nanosahako ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin’ny mponin’i Jerosalema no hanosahako ny fahavinirako aminareo koa, raha mankany Ejipta ianareo. Dia hatsiravina sy hampahonena ianareo ka ho tonga oha-panozonana sy oha-pandatsana, ary tsy hahita ity toerana ity intsony.»


Halaiko ireo Jodeanina sisa tavela izay nanapa-kevitra handeha hialokaloka any Ejipta, ka ho lany ritra izy rehetra. Any amin’io tany io no hahalavoany sy hahalany ritra azy amin’ny ady sy ny mosary; eny, toy izany no hahafaty azy na ny kely na ny lehibe. Dia hatao ohatra filazàn-javatra maharikoriko sy mampivarahontsana na filazana ozona sy latsa ireo.


Ry fanjakan’i Joda sy i Israely, toy ny nahatongavanareo ho oha-panozonana tany amin’ny hafa firenena, dia toy izany koa ankehitriny no anafahako anareo ka hahatonga anareo ho oha-pitahiana; koa aza matahotra intsony, fa mahereza.»


Fa raha voaloto tamin’ny nanitsakitsahanao ny vadinao kosa ianao, ka niray tamin’olon-kafa ankoatra ny vadinao,


Fa raha tsy voaloto kosa izy fa madio, dia tsy hanan-tsiny ka mbola afaka hiteraka.


Inona àry no vokatra azonareo tamin’ireny zavatra nataonareo fahiny ireny? Mahamenatra anareo izany ankehitriny satria fahafatesana no iafarany.


fofona mahafaty tokoa izany ho an’ny very, fa fofona mahavelona tokoa ho an’ny voavonjy. Koa iza moa no antonona ho amin’izany asa izany?


Ho figagàn’ny olona sy ho ambentinteniny ary ho fihomehezany ianareo any amin’ny firenena rehetra izay hitondran’ny TOMPO anareo.


indrindra fa ireo nizotra nanaram-po tamin’ny filàndratsin’ny maha olona mpanota sy nanamavo ny maha Tompo an’i Kristy. Ireo mpampianatra sandoka ireo dia olona sahy zavatra sy mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hanevateva ireo atao hoe voninahitra;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra