Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 32:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Ny vady aman-janakay sy ny ondry aman’osinay ary ny biby hafa rehetra fiompinay dia hajanonay eto amin’ny tanànan’i Gilehada;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Ny zanakay madinika sy ny vadinay ary ny ondry aman’osinay sy ny biby fiompinay rehetra dia hitoetra ato amin’ny tanànan’i Gileada;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Ny vady aman-janakay sy ny ondry aman’osinay ary ny biby hafa rehetra fiompinay dia hajanonay eto amin’ny tanànan’i Gilehada;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Ny zanakay, ny vadinay, ny biby fiompinay sy ny biby manompo rehetra anananay, dia hitoetra eto amin’ny tanànan’i Galaada;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 ny zanakay madinika sy ny vadinay sy ny ondry aman-osinay ary ny biby fiompinay rehetra dia hitoetra ato amin’ny tanànan’i Gileada;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 ny zanakay madinika sy ny vadinay sy ny ondry aman'osinay ary ny biby fiompinay rehetra dia hitoetra ato amin'ny tanànan'i Gileada;

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 32:26
4 Rohy Ifampitohizana  

Dia niteny tamin’i Mosesy ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Reobena ka nanao hoe: –Hanao araka izay nandidianao izahay, tompoko.


Fa ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo, (fantatro fa be biby fiompy ianareo), dia hitoetra ao amin’ireo tanàna izay nomeko anareo.


Ny vady aman-janakareo ary ny biby fiompinareo dia mahazo mijanona eto amin’ity tany izay nomen’i Mosesy anareo ity. Fa ianareo vatan-dehilahy matanjaka rehetra mirongo fiadiana kosa dia hiampita hialoha ny mpiray firenena aminareo; ary hanampy azy ianareo


Lasa nody tany aminy tokoa ny vatan-dehilahy taranak’i Reobena sy taranak’i Gada ary anisan’ny antsasa-pokon’i Manase. Tao Silao amin’ny tany Kanahàna ry zareo no nandao ny Israelita hafa mba hankany amin’ny tany Gilehada izay zaratany azony araka ny baiko nampitain’ny Tompo tamin’ny alalan’i Mosesy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra