Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 31:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Ka hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: –Aoka hivonon-kiatrika ady ny sasany aminareo ary hanafika ny Midianita hahatanteraka ny famaizan’ny TOMPO azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Dia niteny tamin’ny olona i Mosesy hoe: Misia aminareo mandray fiadiana ka hanafika ny Midianita mba hahatanteraka ny famalian’NY TOMPO ny Midianita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Ka hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: –Aoka hivonon-kiatrika ady ny sasany aminareo ary hanafika ny Midianita hahatanteraka ny famaizan’ny TOMPO azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Dia niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe: «Omàny hiantafika ny lehilahy sasany aminareo, ka aoka handroso hanafika an’i Madiàna izy, mba hahatanteraka ny famalian’i Iaveh an’i Madiàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Dia niteny tamin’ny olona Mosesy ka nanao hoe: Miomàna ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian’i Jehovah azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Dia niteny tamin'ny olona Mosesy ka nanao hoe: Miomàna ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian'i Jehovah azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 31:3
12 Rohy Ifampitohizana  

Koa hoy ny TOMPO tamin’i Jehò: –Satria tsara ny nanaovanao izay mahitsy teo imasoko sy ny nampiharanao tamin’ny taranak’i Ahaba ny famaizana noeritreretiko, dia hitoetra eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely hatramin’ny taranaka fahefatra ny taranakao.


Ianao no handringana ny taranak’i Ahaba tomponao fahiny, mba hamaliako ny ran’ireo mpanompoko rehetra izay nalatsak’i Jezebela, na mpaminany izy na olon-kafa.


Ary hoy izy hoe: –Satria ny Hamalekita efa nanainga tanana hanohitra ny sezafiandrianan’ny Tompo, dia hiady amin’izy ireo hatrany hatrany ny TOMPO.


Kanefa, ho an’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao, ity andro ity dia ho andro famaizana mba hanafaizany ny fahavalony. Ka ny sabatra dia handripaka sy hiletra azy ary himamo amin’ny ran’ireo; satria toa sorona vonoina hatolotra amin’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no any amin’ny tany avaratra manamorona ny ony Eôfrata.


Injany ireo mpandositra afa-nitsoaka avy any Babilônia mitondra ny vaovao ao Tsiôna: namaly faty an’i Babilôna ny TOMPO Andriamanitsika, namaly faty azy noho ny tempoliny masina Izy.


Ady no harongatro hamelezana anareo, ho sazin’ny nivadihanareo ny fanekempihavanako. Ary rehefa tafangona hialoka ao anaty tanànanareo ianareo, dia handefasako areti-mandringana eo aminareo ary ho voatolotra eo an-tanan’ny fahavalo ianareo.


–I Pinehasa, zanakalahin’i Elehazara sady zafikelin’i Aharôna mpisorona, no nampiala ny fahatezerako tamin’ny Israelita satria niseho ho saro-piaro momba Ahy teo anivon’izy ireo; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Israelita, na dia saro-piaro amin’ny maha Andriamanitra Ahy aza Aho.


izany fanekempihavanana izany dia hahatonga ny tenany sy ny taranany ho mpisorona hatrany, satria niseho ho saro-piaro momba Ahy i Pinehasa ka nahazo famelan-keloka ho an’ny Israelita.


Mpiady arivo lahy isam-poko no halefanareo hiantafika.


Efa samy vonon-kiantafika ny vatan-dehilahy eto Israely, nanolo-tena hiady ny vahoaka; koa isaory ny TOMPO izany!


Ozòny ny tanàna Merôza, hoy ilay anjelin’ny TOMPO. Ozòny, ozòny ny mponina ao aminy noho izy tsy tonga hikatroka niaraka tamin’ireo mahery fo mba hanampy ny TOMPO hiady.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra