Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 29:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO, ka hanetona ho hanitra hankasitrahiny, dia izao: ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, ho hanitra ankasitrahana: Vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema, no hatolotrareo;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO, ka hanetona ho hanitra hankasitrahiny, dia izao: ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Ho sorona dorana ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh, dia manatera vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray ary zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary izao no atero ho fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah: vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito izay iray taona avy (dia izay tsy misy kilema no haterinareo)

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary izao no atero ho fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay iray taona avy (dia izay tsy misy kilema no haterinareo)

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 29:8
8 Rohy Ifampitohizana  

«Raha omby no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra; eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana no hitondrany azy mba hankasitrahina eo anatrehan’ny TOMPO.


Izay biby rehetra misy kilema dia tsy azonareo aterina, satria tsy hahazoanareo sitraka amiko izany.


Ny hatolotrareo ho an’ny TOMPO, ho sakafo miendrika sorona dorana manontolo, dia izao: ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.


Amin’ny andro voalohany, ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo ka hanetona ho hanitra hankasitrahin’ny TOMPO, dia izao: ombilahy 13 sy ondrilahy roa ary zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.


Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo, ka hanetona ho hanitra hankasitrahin’ny TOMPO, dia izao: ombilahy iray sy ondrilahy iray avy ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.


Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin’ny lafarinina nofetaina tamin’ny menaka, ka lafarinina sivy kilao isan’ombilahy, enina kilao isan’ondrilahy


Raha misy kilemany kosa ny voalohan-teraky ny biby fiompinareo fa mandringa na jamba na voan’ny kilema ratsy hafa, dia aza atolotra ho sorona ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo ireny.


Aza atao sorona ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo ny omby sy ondry aman’osy izay misy kilema maharatsy azy, satria fanimbazimbana an’ilay TOMPO Andriamanitrareo ny manao izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra