Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 29:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Hanatitra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota. Hataonareo izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro ary ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Hanatitra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota. Hataonareo izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro ary ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Osy lahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ny ota, ho fanampin’ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 29:16
7 Rohy Ifampitohizana  

Nalain’ireo rahalahiny ny akanjon’i Jôsefa ka natsobony tao anaty ran’osy novonoiny.


Miaraka amin’ny zanakondry amin’ny maraina sy ny hariva, dia hitondrana koba telopolo kilao efa voakapoka amin’ny diloilo tsara iray litatra sy sasany sy fanatitra divay iray litatra sy sasany. Ireo dia ho sorona atolotra Ahy TOMPO, ka ho hanitra ankasitrahina ho Ahy.


Vantany vao fantatr’ilay manampahefana ny ota vitany, dia osilahy tsy misy kilema no aoka ho sorona hoentiny.


Sorona dorana manontolo atolotra isan-tsabata izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro sy ny fanatitra divay momba azy.


Hanolotra osilahy iray koa ho an’ny TOMPO ianareo ho sorona fanalana ny ota, ho fanampin’ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro sy ny fanatitra divay momba azy.


«Izao no sakafo dorana izay hatolotrareo ho an’ny TOMPO isan’andro: zanak’ondry roa izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema. Ho sorona dorana manontolo tsy tapaka ho Azy izany.


ary telo kilao isan-janak’ondry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra