Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 28:30 - DIEM PROTESTANTA

30 Hanolotra osilahy iray koa ianareo mba hanaovana ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 ary osilahy iray, hanaovana fanavotana ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Hanolotra osilahy iray koa ianareo mba hanaovana ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

30 Hataonareo izany, ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra momba azy; ary izay tsy misy kilema no atero, miaraka amin’ny fanatitra araraka momba azy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 ary osilahy iray, hanaovana fanavotana ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 ary osilahy iray, hanaovana fanavotana ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 28:30
11 Rohy Ifampitohizana  

Nalain’ireo rahalahiny ny akanjon’i Jôsefa ka natsobony tao anaty ran’osy novonoiny.


Hisy koa osilahy iray hataonareo sorona fanalana ny ota, ary zanakondrilahy roa samy iray taona hataonareo sorom-pihavanana.


Raha tsy nahy no nanotan’ny fiangonana ka tsy fantany, dia hanolotra amiko TOMPO ombilahy iray ny fiangonana tsivakivolo ho sorona dorana manontolo izay hanetona ho hanitra ankasitrahina ho AHY; hampombaina izany ny fanatitra lafarinina sy divay, araka ny fanao, ary koa osilahy iray ho sorona fanalana ny ota.


Hanolotra osilahy iray koa ho an’ny TOMPO ianareo ho sorona fanalana ny ota, ho fanampin’ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro sy ny fanatitra divay momba azy.


Hanolotra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota, hanaovana ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho anareo.


ary telo kilao isan-janak’ondry.


Hataonareo izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro mbamin’ny fanatitra lafarinina momba azy; ary biby tsy misy kilema no hatolotrareo miaraka amin’ny fanatitra divay momba azy.


Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain’Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen’Andriamanitra noho ny firaisana amin’i Kristy.


I Kristy dia nanavotra anay Jiosy ho afaka amin’ny ozona tanisain’ny lalàna; fa nanjary niharan’ny ozona Izy ho famonjena anay satria hoy ny Soratra Masina hoe: «Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo!»


ny tenan’i Kristy no nitondra ny fahotantsika teo ambony hazofijaliana, mba hitsaharantsika amin’ny fahotana ka hivelomantsika hanao ny marina; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.


Fa i Kristy koa dia efa maty indray mandeha monja ho fanalana ny ota: ny Marina no efa maty hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra. Novonoina tao amin’ny nofo i Kristy, fa novelomina araka ny Fanahy Masina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra