Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 28:28 - DIEM PROTESTANTA

28 Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin’ny lafarinina nofetaina tamin’ny menaka ka lafarinina sivy kilao isan’ombilahy, enina kilao isan’ondrilahy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy dia koba tsara toto voaharo diloilo, telo ampahafolon’ny efaha, ampombaina ny ombilahy tsirairay, roa ampahafolon’ny efaha, ampombaina ny ondrilahy,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin’ny lafarinina nofetaina tamin’ny menaka ka lafarinina sivy kilao isan’ombilahy, enina kilao isan’ondrilahy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

28 ary ny hatao fanatitra momba azy, dia lafarina tsara indrindra voadity amin’ny diloilo, telo ampahafolony isan’ombalahy, roa ampahafolony amin’ny ondralahy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon’ny efaha amin’ny isam-bantotr’ombilahy iray, roa ampahafolon’ny efaha amin’ny isan-ondrilahy iray,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan'ondrilahy iray,

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 28:28
8 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay koa no voatendrin’i Jôiadà ny olona hitandrina ny tranon’ny TOMPO ka hofehezin’ireo levita mpisorona, izay efa notsinjarain’i Davida ho antokony mba hanolotra ny sorona dorana manontolo ao an-tranon’ny TOMPO araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy; ka amin-kafaliana sady ombàn-kira no hanatontosany izany, araka ny fepetra nataon’i Davida.


Ny zavatra hatao sorona dorana manontolo dia nomen’ny mpanjaka avy tamin’ny fananany, na ny fanolotra marain-tsy hariva izany na ny fanolotra isan-tsabata sy amin’ny voaloham-bolana ary amin’ny fankalazana hafa, araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’ny TOMPO.


Tamin’izay i Jesoa, zanakalahin’i Jôtsadàka, sy ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy, ary koa i Zerôbabela, zanakalahin’i Sealtiela, sy ireo olona iray tarika aminy no nirotsaka nanorina ny alitaran’Ilay Andriamanitr’i Israely mba hanolorana sorona dorana manontolo, araka izay voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, olon’Andriamanitra.


«Hofoanako tsy hisy ao Môaba, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, ireo miakatra amin’ny toeram-panasinana hanao sorona sy handoro zava-manitra mifangaro ho an’ny andriamaniny.»


Io printsy filohan’i Israely io kosa no hiantoka ny sorona dorana manontolo ary ny fanatitra lafarinina sy divay mandritra ny fety, indrindra fa amin’ny voaloham-bolana sy ny andro sabata ary ny fotoana hafa rehetra fivorian’ny vahoakan’i Israely. Eny, ny printsy filoha no hiantoka ny sorona fanalana ny ota sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana mba hahazoana famelan-keloka ho an’ny vahoakan’i Israely.»


«Amin’ny andro fahavalo, dia ireto avy no zavatra hoentiny; zanakondrilahy roa tsy misy kilema, zanakondrivavy anankiray tsy misy kilema sady vao iray taona, koba lafarinina tsara voaharo menaka sady milanja sivy kilao, ary menaka antsasa-litatra.


Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo hanetona ho hanitra hankasitrahin’ny TOMPO dia izao: ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy.


ary telo kilao isan-janak’ondry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra