Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 27:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Fa tsy nankatò ny didiko ianareo mirahalahy tany an-taniefitr’i Tsina, raha nila ady tamiko ny fiangonana; tsy naneho ny fahamasinako teo anatrehany manko ianareo, fony nitaky rano tamiko izy. Ny amin’ny ranon’i Meribà tany Kadesy, tao an-taniefitr’i Tsina, no lazaina etoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 fa nandà ny teniko ianareo tany an-tany efitra Zina, tamin’ilay nilan’ny fiangonana ady ka tsy nanamasina Ahy teo amin’ny rano teo imasony. Izany no ranon’i Meriba, any Kadesy, any an-tany efitra Zina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Fa tsy nankatò ny didiko ianareo mirahalahy tany an-taniefitr’i Tsina, raha nila ady tamiko ny fiangonana; tsy naneho ny fahamasinako teo anatrehany manko ianareo, fony nitaky rano tamiko izy. Ny amin’ny ranon’i Meribà tany Kadesy, tao an-taniefitr’i Tsina, no lazaina etoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 satria ianareo tany amin’ny efitra Sina, ilay nilan’ny fiangonana ady iny, dia nanohitra ny teny nomeko hanamasinana Ahy teo imasony, ny amin’ny momba ny rano, dia ny ranon’i Meribà, any Kadesy, any an’efitra Sina.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 fa nandà ny teniko hianareo tany an-efitra Zina, tamin’ilay nilan’ny fiangonana ady, ka tsy nanamasina Ahy teo amin’ny rano teo imasony. (Izany no ranon’i Meriba any Kadesy any an-efitra Zina.)

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 fa nandà ny teniko ianareo tany an-efitra Zina, tamin'ilay nilan'ny fiangonana ady, ka tsy nanamasina Ahy teo amin'ny rano teo imasony. (Izany no ranon'i Meriba any Kadesy any an-efitra Zina.)

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 27:14
12 Rohy Ifampitohizana  

Nantsoina hoe Masà sy Meribà io toerana io, izany hoe «fakana fanahy» sy «filàna ady» satria nila ady tamin’i Mosesy ny Israelita, ary naka fanahy ny TOMPO tamin’ny nitenenany hoe: «Moa eto aminay tokoa ve ny TOMPO sa tsia?»


Dia niakatra izy ireo ka nisafo ny tany nanomboka teo amin’ny taniefitr’i Tsina ka hatrany Rehôba akaikin’i Lebô-Hamata.


Tonga tao amin’ny taniefitr’i Tsina ny fiangonan’i Israely iray manontolo tamin’ny volana voalohany; ary nijanona tao Kadesy ny vahoaka. Tao no nahafatesan’i Miriama sady nandevenana azy.


–Efa hampodina any amin’ny razany i Aharôna, fa tsy hiditra any amin’ny tany izay nomeko ny Israelita satria tsy nankatò ny teniko teo amin’ny ranon’i Meribà ianareo.


Nahoana no nampialanareo tany Ejipta izahay ka nentinareo atỳ amin’ny tany ratsy atỳ, izay tsy azo amafazana akory sady tsy misy aviavy na voaloboka na ampongabendanitra na rano hosotroina akory?


Dia niteny tamin’ny TOMPO i Mosesy hoe:


Olona mafy hatoka, mpikomy sady mpanetsin-tadîny ianareo! Toherinareo lalandava ny Fanahy Masina; dia ny razanareo navela mihitsy ianareo.


Ianareo ihany koa no nitezeran’ny TOMPO ahy, ka nanaovany hoe: «Ianao koa tsy hiditra amin’io tany io;


Ho faty amin’ity faritany ity aho fa tsy hita an’i Jôrdàna; ianareo kosa no hita azy ka hanana izany tany soa izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra