Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 22:34 - DIEM PROTESTANTA

34 Dia hoy i Balahama tamin’ilay anjelin’ny TOMPO: –Nanota aho satria tsy nahafantatra fa ianao no nisakan-dalana ahy. Koa ankehitriny raha tsy tianao ny hankanesako any, dia hiverina hody aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Dia hoy i Balama tamin’ilay Anjelin’NY TOMPO: Efa nanota aho satria tsy fantatro fa Ianao no nijoro nisakana ahy teo an-dalana; koa ankehitriny, raha tsy sitrakao izao diako izao, dia hiverina aho!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Dia hoy i Balahama tamin’ilay anjelin’ny TOMPO: –Nanota aho satria tsy nahafantatra fa ianao no nisakan-dalana ahy. Koa ankehitriny raha tsy tianao ny hankanesako any, dia hiverina hody aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 Ary hoy i Balaama tamin’ny Anjelin’i Iaveh: «Efa nanota aho, fa tsy fantatro hoe teo anoloako ianao, ary ankehitriny raha tsy sitrakao izao, dia hody aho.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Dia hoy Balama tamin’Ilay Anjelin’i Jehovah: Efa nanota aho; fa tsy fantatro fa Hianao no nijanona nisakana ahy teo an-dàlana; koa ankehitriny, raha tsy sitrakao izany, dia hiverina aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Dia hoy Balama tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah: Efa nanota aho; fa tsy fantatro fa Hianao no nijanona nisakana ahy teo an-dalana; koa ankehitriny, raha tsy sitrakao izany, dia hiverina aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 22:34
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Davida tamin’i Natàna: –Nanota tamin’ny TOMPO aho. Ary hoy kosa i Natàna tamin’i Davida: –Ny TOMPO efa namela ny helokao, ka tsy ho faty ianao.


Tsy sitrak’Andriamanitra izany zavatra izany, ka nasiany mafy i Israely.


Fa raha naringana izy, dia nitady an’Andriamanitra, ary mba niverina nikatsaka Azy ihany;


Dia nampiantso an’i Mosesy sy Aharôna ny Farao ka nilaza taminy hoe: –Diso aho tamin’ity indray mandeha ity. Izao sy ny vahoakako no meloka, fa ny TOMPO dia manao ny marina.


Fandrao hitan’ny TOMPO amin’ny maso ratsy izany, ka tsy ho tezitra amin’ny fahavalonao intsony Izy.


Indray andro dia nanao fitarainana tamin’ny TOMPO ireo Israelita. Rehefa nahare izany ny TOMPO, dia tezitra mafy ary nandefa ny afony ka nandoro ny vahoaka sy nandevona ny sisin’ny toby.


Ny ampitso vao maraina, dia niakatra tany an-tendrombohitra izy ireo sady nanao hoe: –Tena nanota tokoa izahay, fa izao kosa dia vonona hiakatra hankany amin’ny toerana voatondron’ny TOMPO.


Ary hoy i Andriamanitra tamin’i Balahama: –Tsy handeha hiaraka aminy ianao ary tsy hanozona koa io vahoaka izay efa notahîko io.


Nahita ahy ny boriky ka intelo nivily ahy. Fa raha toa ka tsy nivily ahy izy, dia ianao no ho novonoiko ho faty teo no ho eo, fa izy kosa notsimbiniko ny ainy.


Ka hoy ny navalin’i Saoly azy: –Efa nanota tokoa aho, satria nandika ny didin’ny TOMPO sy ny teninao. Natahotra ny miaramila manko aho, ka nanaraka ny teniny.


Fa hoy ihany i Saoly hoe: –Efa diso aho, kanefa aoka re mba homenao voninahitra eo anatrehan’ny loholon’ilay Israely vahoakako ihany aho; miverena miaraka amiko mba hahazoako eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrao.


Rehefa vita izany tenin’i Davida tamin’i Saoly izany, dia nanontany azy i Saoly hoe: –Feonao tokoa ve izany, ry Davida zanako ô! Ary dia nigogogogo nitomany i Saoly.


Hoy kosa i Saoly hoe: –Nanota tokoa aho, koa miverena, ry Davida zanako; fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, satria sarobidy taminao ny aiko androany. Nitondra tena toy ny adala aho, ka mahatsiaro ho diso tokoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra