Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 21:30 - DIEM PROTESTANTA

30 Kanefa notifirinay zana-tsipîka ny Amôrita. Rava i Hesbôna hatrany Dibôna. Nofoananay avokoa hatrany Nôfà ary hatrany Medebà mihitsy aza.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Notifirintsika tamin’ny zana-tsipìka izy; ringana i Hesbona hatrany Dibona; nolevonintsika izy hatrany Nofa ka hatrany Medeba.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Kanefa notifirinay zana-tsipîka ny Amôrita. Rava i Hesbôna hatrany Dibôna. Nofoananay avokoa hatrany Nôfà ary hatrany Medebà mihitsy aza.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

30 Nolefasantsika zana-tsipîka izy ireo; Rava i Hesebona hatrany Dibôna, Ary nofoanantsika hatrany Nôfe, Sy norehetantsika hatrany Medabà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Notifirintsika izy; ringana Hesbona hatrany Dibona; Nofoanantsika izy hatrany Nofa, izay mipaka an’i Medeba.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Notifirintsika izy; ringana Hesbona hatrany Dibona; nofoanantsika izy hatrany Nofa, izay mipaka an'i Medeba.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 21:30
13 Rohy Ifampitohizana  

Nampahory azy imbetsaka ireo mpitifitra tsipîka, ka nandefa zana-tsipîka hamelivelezana azy.


Saingy nisy namely anay ny mpitifitra zana-tsipîka avy teny amin’ny manda; ka izay no nahafaty ny manamboninahitrao sasany, ary anisan’ireo i Orià ilay Hetita.


Kalesy andiany 32 niampy ny mpanjakan’i Mahekà sy ny olony no voakaramany. Dia tonga ireo ka nitoby tandrifin’i Medebà; ny Hamônita kosa nivoaka ny tanànany avy, dia nivory hiroso hiady.


Tany an-danitra ny TOMPO Avo Indrindra no nampitalakotroka ny varatra sy nampanakoako izany feony;


Ny mponin’i Dibôna dia miakatra eny amin’ny toeram-pivavahany mba hitomany. Any Nebao sy Medebà no idradradradran’i Môaba. Voaharatra avokoa ny loha rehetra ary voaala ny volombava rehetra.


Feno ra ny rano mandalo ao Dibôna, fa hoy ny TOMPO hoe: «Eny, hitondra loza vaovao ao Dibôna Aho, dia liona hamely izay afa-nandositra tao Môaba, sy izay sisa velona amin’izany tany izany.»


Ry mponina mahonena ao Dibôna, midìna avy eo amin’ny toeram-boninahitrareo ka mitoera ao anaty fako ianareo, satria miakatra hanafika anareo ilay mpandrava an’i Môaba ka mandrodana ny mandanareo.


i Dibôna sy i Nebao sy i Bèty-Diblataima,


Toy izany no nitoeran’ny Israelita teo amin’ny tanin’ny Amôrita.


–I Hatarôta sy i Dibôna, i Jahezera sy i Nimrà, i Hesbôna sy i Elehale, i Sebama sy i Nebao ary i Behôna dia tanàna


Ary ny taranak’i Gada nanangana indray ireto tanàna ireto, dia i Dibôna sy i Hatarôta, i Harôhera


isan’izany koa i Hesbôna sy ny tanàna rehetra eny amin’io lembalemba io, dia i Dibôna, i Bamôta-Bahala, i Bety-Bahala-Mehôna,


ny tanin’izy telo tonta dia manomboka eo amin’ny tanàna Harôhera amoron’ny lohasahan-driaka Arnôna sy eo amin’ilay tanàna antenatenan’io lohasaha io, any atsimo; dia mahafaoka ny lembalemba rehetra manodidina an’i Medebà ka hatrany Dibôna;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra