Nomery 20:20 - DIEM PROTESTANTA20 Fa novalian’ny mpanjakan’i Edôma hoe: –Tsy mahazo mandalo eo ianareo. Dia nivoaka nitsena azy niaraka tamin’ny vahoaka marobe nirongo fiadiana ny Edômita. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201120 Hoy anefa ny navaliny: Tsy mahazo mandalo eto ianao! Ary niainga hisakana azy ny Edomita ka nitondra vahoaka betsaka sady nampiseho hery be. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara20 Fa novalian’ny mpanjakan’i Edôma hoe: –Tsy mahazo mandalo eo ianareo. Dia nivoaka nitsena azy niaraka tamin’ny vahoaka marobe nirongo fiadiana ny Edômita. Jereo ny tokoBaiboly Katolika20 Hoy ny navaliny: «Tsy handalo ianao» sady nivoaka hitsena azy i Edôma, nombam-bahoaka be sy tafika mahery. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy20 Fa hoy izy: Tsy mahazo mandalo atỳ hianao. Ary nivoaka hisakana azy ny Edomita nitondra vahoaka betsaka sady nanao tàna-mahery. Jereo ny tokoMalagasy Bible20 Fa hoy izy: Tsy mahazo mandalo atỳ ianao. Ary nivoaka hisakana azy ny Edomita nitondra vahoaka betsaka sady nanao tàna-mahery. Jereo ny toko |
Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Edôma, fa indrindra ity anankiray ity: Nenjehiny hotrobarana sabatra ny Israelita rahalahiny sady tsy nananany antra akory; tsy nisy fetra ny fahatezerany namiravira, ary nitahiry lolom-po mandrakariva izy. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy: