Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 18:30 - DIEM PROTESTANTA

30 Ary rehefa navahanareo izay ampahany tsara indrindra amin’izany rehetra izany, dia hotananareo ho anareo levita ny ambiny, tahaka ny itanan’ny Israelita hafa ny ambin’ny vokatra avy eo am-pamoloany sy ny vokatra avy eo amin’ny famiazany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Ary lazao aminy hoe: Rehefa maka ny tsara indrindra avy amin’izany ianareo dia hisaina ho an’ny levita toy ny vokatra avy eo am-pamoloana sy avy eo amin’ny famiazana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Ary rehefa navahanareo izay ampahany tsara indrindra amin’izany rehetra izany, dia hotananareo ho anareo levita ny ambiny, tahaka ny itanan’ny Israelita hafa ny ambin’ny vokatra avy eo am-pamoloany sy ny vokatra avy eo amin’ny famiazany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

30 Lazao aminy hoe: Raha manokana ny tsara indrindra amin’izany ianareo, dia hisaina ho an’ny Levita ny ampahafolony, ho solon’ny vokatra avy eo am-pamoloana, sy ho solon’ny vokatra avy eo amin’ny famiazana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Dia lazao aminy hoe: Raha maka ny tsara indrindra avy aminy hianareo, dia hisaina ho an’ny Levita toy ny vokatra avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin’ny famiazana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Dia lazao aminy hoe: Raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo, dia hisaina ho an'ny Levita toy ny vokatra avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin'ny famiazana izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 18:30
12 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy i Jakôba tamin’ireo zanany: –Raha izany àry, dia izao no ataovy: Mitondrà an-kitaponareo zavatra tsara vokatry ny tany mba hataonareo fanomezana ho an’ilay Ejiptianina. Mitondrà zava-manitra isan-karazany: menaka manitra, làdana, tantely, voam-boatavo, ary amandy.


Tonga tao Gôrena-Atàda, any am-pitan’i Jôrdàna izy ireo. Tao no nankalazany tamin’ny fomba manetriketrika sy manohina tokoa ny famoizana an’i Jakôba, fa naharitra fito andro ny fisaonan’i Jôsefa an-drainy.


«Hambaranao fa masina ny tratrany sy ny sorony nalaina tamin’ny ondry fanokanana an’i Aharôna ka nahevaheva sy nasandratra teo anatrehako.


Raha biby jamba na mandringa na marary no entinareo hatao sorona amiko, moa heverinareo fa tsy ratsy ve izany? Biby tahaka izany ange aterina ho an’ny governora, dia ho hitanareo raha hahazo sitraka na fitia aminy ianareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


Amin’ny zavatra rehetra azonareo no hanavahanareo tsy misy banga ny ampahany tsara indrindra izay hatokanareo ho Ahy TOMPO.


Mahazo mihinana izany vokatra izany ianareo sy ny fianakavianareo amin’ny toerana izay tianareo, fa karamanareo izany noho ny asa fanompoanareo ao amin’ny Tranolay fihaonana.


Nefa katsaho aloha ny Fanjakàn’Andriamanitra sy ny hanao ny marina nosoritany, dia homeny anareo ho fanampiny ireny rehetra ireny.


Koa tiavo ny TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny herinao manontolo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra