Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 18:19 - DIEM PROTESTANTA

19 «Omeko ho anjara raikitra ho anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy izay fanatitra masina rehetra avahan’ny Israelita ho Ahy TOMPO. Ho anao sy ho an’ny taranakao dia ho fanekempihavanana maharitra sady tsy azo ovana izany eo anatrehako.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ny fanatitra rehetra izay alaina avy amin’ny zava-masina atolotry ny Zanak’Israely ho an’NY TOMPO dia efa nomeko anao miaraka amin’ireo zanakao lahy sy ireo zanakao vavy ho anjarany; lalàna maharitra izany, dia fanekena mandrakizay asian-tsira eo anatrehan’NY TOMPO, ho anao sy ireo zanakao miaraka aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 «Omeko ho anjara raikitra ho anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy izay fanatitra masina rehetra avahan’ny Israelita ho Ahy TOMPO. Ho anao sy ho an’ny taranakao dia ho fanekempihavanana maharitra sady tsy azo ovana izany eo anatrehako.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Izay rehetra voaavaka avy amin’ny zavatra masina, izay avahan’ny zanak’i Israely ho an’i Iaveh, dia omeko anao sy ny zanako lahy ary ny zanakao vavy miaraka aminao, ho lalàna mandrakizay, fanekena voasira mandrakizay eo anatrehan’i Iaveh izany, ho aminao sy ny taranakao miaraka aminao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ny fanatitra rehetra izay alaina avy amin’ny zava-masina aterin’ny Zanak’Isiraely ho an’i Jehovah dia efa nomeko anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy ho anjara mandrakizay; dia fanekena mandrakizay asian-tsira eo anatrehan’i Jehovah izany ho aminao sy ny taranakao koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ny fanatitra rehetra izay alaina avy amin'ny zava-masina aterin'ny Zanak'Isiraely ho an'i Jehovah dia efa nomeko anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy ho anjara mandrakizay; dia fanekena mandrakizay asian-tsira eo anatrehan'i Jehovah izany ho aminao sy ny taranakao koa.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 18:19
15 Rohy Ifampitohizana  

Tsy nampamoahina ny mpanome karama ny mpiasa satria nahatoky tamin’ny fiasany.


Tsy tokony ho fantatrareo ve fa ny TOMPO Andriamanitr’i Israely efa nanome mandrakizay ny fanjakàn’i Israely ho an’i Davida sy ny taranany? Eny, nataony fanekena tsy azo foanana izany.


Ny olona izay nonina tao Jerosalema dia nasain’i Hezekià nanome ny anjaran’ireo mpisorona sy levita mba hifikirany mafy amin’ny fombam-pivavahana naraikitry ny TOMPO.


«Hambaranao fa masina ny tratrany sy ny sorony nalaina tamin’ny ondry fanokanana an’i Aharôna ka nahevaheva sy nasandratra teo anatrehako.


Manoloana Ahy TOMPO no hitondranao ireo ka handrarahan’ny mpisorona sira eo amboniny ary hatolony ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO.


«Samy asio sira ny fanatitra rehetra atolotrao. Ny sira dia famantarana ny fanekempihavanana nataon’ilay Andriamanitrao; ka aza avela tsy hisy sira ny fanatitrao, fa manolora sira miaraka amin’ny fanatitrao rehetra.


Azony ihinanana ihany anefa ny zavatra atao sorona amiko, na ny zavatra masina dia masina na ny zavatra masina.


Samy hangalana anankiray avy ireo fanatitra isan-karazany ireo hasandratra ho an’ny TOMPO; fa ny mofo sisa kosa dia ho an’ilay mpisorona mamafy ny ran’ny sorom-pihavanana.


Ary ireto koa dia ho anareo: ireo ampahany nalana tamin’ny fanomezan’ny Israelita, dia ny fanatitra rehetra ahevaheva; omeko ho anjara raikitra ho anao sy ny taranakao lahy sy vavy izany. Izay rehetra madio ao amin’ny ankohonanareo dia mahazo mihinana izany.


Niteny tamin’i Aharôna ny TOMPO ka nanao hoe: –Indro efa nampiandraiketiko anao ny fanatitra masina rehetra aterin’ny Israelita ho Ahy; omeko ho anjara raikitra ho anao sy ny taranakao izany.


Halanao amin’ny anjaran’ny mpiantafika izany fanatitra ho AHY izany ka homenao an’i Elehazara mpisorona.


Nomen’i Mosesy an’i Elehazara mpisorona ny hetra natao ho fanatitra ho an’ny TOMPO, araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Kanefa ny zava-masinareo sy ny zavatra nataonareo voady dia ento mankany amin’ny toerana hofidin’ny TOMPO.


Ao no hitondranareo ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana ataonareo, ny fahafolon-karenareo, ny fitia tsy mba hetra foinareo, ny fanalàm-boadinareo, ny fanati-tsitraponareo, ary ny voalohan-teraky ny omby sy ondry aman’osinareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra