Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 15:39 - DIEM PROTESTANTA

39 Hitondra akanjo misy somotraviavy ianareo; koa raha mijery izany ianareo, dia hahatsiaro ny didiko rehetra ary hanatanteraka izany, ka tsy hety havilin’ny fonareo sy ny masonareo amin’ny fanompoan-tsampy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

39 Ho toy izany ny morontongotr’akanjonareo, koa rehefa jerenareo izany dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin’NY TOMPO rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

39 Hitondra akanjo misy somotraviavy ianareo; koa raha mijery izany ianareo, dia hahatsiaro ny didiko rehetra ary hanatanteraka izany, ka tsy hety havilin’ny fonareo sy ny masonareo amin’ny fanompoan-tsampy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

39 Ho sahondra ho anareo izany, ary ny fijerena izany dia hahatsiarovanareo ny didin’i Iaveh rehetra mba hanarahanareo azy rehetra, fa tsy hanarahanareo ny fonareo sy ny masonareo, izay mitarika anareo ho amin’ny fivadihana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

39 Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin’i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo hianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana,–

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

39 Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin'i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana,

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 15:39
21 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny andro faha-15 amin’ny volana fahavalo dia nanatitra sorona teo amin’ny alitara izay naoriny tao Betela i Jerôbohama. Izy ihany no tompon-tsafidy ny amin’io datin’andro io. Ary nataony andro fety ho an’ny Israelita tavaratra izany ka niakatra teo amin’ny alitara mihitsy i Jerôbohama mba handoro ny sorona hanetona.


Fa raha niala tamin’ny lalany ny diako na nanaraka ny filan’ny maso ny foko na nisy tsiny niraikitra tamin’ny tanako,


Nozimbainy tamin’ny nataony koa ny tenany fony izy nivadika tamin’ny Tompo Andriamaniny.


Indro very izay mihataka aminao ary aringanao izay rehetra mandao Anao.


Io fankalazana io dia ho solon’ny marika eo amin’ny sandrinareo sy ny handrinareo, ka hampahatsiaro fa tokony hambaranareo ny lalànan’ny TOMPO satria IZY no namoaka anareo hiala tany Ejipta tamim-pahefana mahery.


Adala izay mitompo teny fantatra, fa izay mandeha amim-pahendrena no ho voavonjy.


Anaka, aza manadino ny fampianarako; ary aoka ho voatandron’ny fonao ny didiko.


Mifalia, ry zatovo, amin’izao fahatanoranao izao; eny, miravoravoa mandritra izany fotoanandro izany. Ataovy izay mahadiavolana ny fonao sy izay mahafinaritra ny masonao. Nefa aoka ho fantatrao fa amin’izany rehetra izany dia hotsarain’Andriamanitra ianao.


Noho izany, hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely, indro hofahanako zava-mahafaty ity vahoaka ity, ary hampisotroiko rano misy poizina.


Hahatsiaro ahy izy eo anivon’ireo firenena nandefasako azy ho babo. Ho tadidiny ny fomba nanapotehako azy, noho izy tsy niraiki-po tamiko fa nivadika nanalavitra Ahy ary nampifantoka fijery tamin’ny sampiny. Dia harikoriko ny tenany izy noho ny asa ratsy rehetra sy fanompoan-tsampy rehetra nataony.


Dia hiray hina ny taranak’i Joda sy ny taranak’i Israely ka hifidy filoha tokana ary hanenika ny taniny: fa ho lehibe ny andron’i Jizrehèla.


dia tsy hety hamela heloka izany olona izany ny TOMPO; fa hanetroka aminy kosa ny fahatezeran’ny TOMPO sy ny fahasarota-piarony, ary hiafitra aminy avokoa ny ozona rehetra izay voasoratra amin’ity boky ity, ka hovonoin’ny TOMPO tsy ho eo amin’izao tontolo izao ny fahatsiarovana azy.


Mitandrema ianareo fandrao manadino ny fanekempihavanana nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo taminareo, ka manao sarin-javatra voasokitra ho sampinareo, araka ny endriky ny zavatra rehetra izay efa nandraran’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.


Amin’izay, dia tandremonareo fandrao hadinoinareo ny TOMPO Izay nampiala anareo tany Ejipta, toera-nanandevozana anareo.


Kanefa tandremo fandrao hadinoinareo ny TOMPO Andriamanitrareo ka tsy tandremanareo ny didy sy ny fitsipika aman-dalàny, izay ampitaiko aminareo anio.


saingy tandremo fandrao hiavonavona ny fonareo ka hohadinoinareo ny TOMPO Andriamanitrareo, Izay nampiala anareo tany Ejipta toera-nanandevozana anareo.


Olona mivadika amin’Andriamanitra ianareo! Tsy fantatrareo ve fa izay misakaiza amin’izao tontolo izao dia fahavalon’Andriamanitra? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia mampahatonga ny tenany ho fahavalon’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra