Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 14:43 - DIEM PROTESTANTA

43 Eo anoloanareo ny Hamalekita sy ny Kanahanita, ka ho fatin’ny sabany ianareo. Efa niodina tamin’ny TOMPO ianareo, ka tsy homba anareo IZY.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

43 mba tsy ho resy eo anoloan’ny fahavalonareo ianareo. Fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo anoloanareo ka ho lavon-tsabatra ianareo. Satria niala tamin’ny fanarahana NY TOMPO ianareo dia tsy homba anareo Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

43 Eo anoloanareo ny Hamalekita sy ny Kanahanita, ka ho fatin’ny sabany ianareo. Efa niodina tamin’ny TOMPO ianareo, ka tsy homba anareo IZY.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

43 Eo anoloanareo eo ny Amalesita sy ny Kananeanina, ka ho lavon’ny sabatra ianareo, satria nivily tsy hanaraka an’i Iaveh ianareo, ka tsy homba anareo i Iaveh.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

43 fandrao ho resy eo anoloan’ny fahavalonareo hianareo; fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo anoloanareo, ka ho lavon-tsabatra hianareo; satria niala tamin’ny fanarahana an’i Jehovah hianareo, dia tsy homba anareo Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

43 fandrao ho resy eo anoloan'ny fahavalonareo ianareo; fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo anoloanareo, ka ho lavon-tsabatra ianareo; satria niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah ianareo, dia tsy homba anareo Izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 14:43
14 Rohy Ifampitohizana  

«Ianao kosa, ry Salômôna zanako, fantaro ilay Andriamanitra notompoin’ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo manontolo sy amin’ny fanahy mazoto; fa ny TOMPO dia mpandinika ny fon’ny olona rehetra ary mpahafantatra ny fieritreretana rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.


ka niainga hitsena an’i Asà izy ary nanao taminy hoe: –Mihainoa ahy, ry Asà mbaminareo Jodeanina sy i Benjaminita rehetra. Miaraka aminareo ny TOMPO, raha miaraka aminy ianareo. Raha mitady Azy ianareo, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy ianareo, dia hilaozany.


Kinanjo Ianao nanary sy nanafo-kenatra anay, tsy mandeha miaraka amin’ny tafikay intsony.


Saingy nikomy tamin’ny Tompo ireo ka nanome alahelo ny Fanahiny Masina; dia tonga fahavalon’ireo Izy sady niady taminy mihitsy.


Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hoesoriko aminy ireny, ka tsy hisy miangana. Eny, hahita loza koa izy amin’ny handaozako azy.


Dia hohandriniko ianareo ka ho resy eo anoloan’ny fahavalonareo; ireo mpankahala anareo no hanapaka anareo; ary handositra ianareo, na dia tsy misy mpanenjika aza.


Ny Hamalekita no monina amin’ny faritra atsimo; ny Hetita sy ny Hivita ary ny Jebosita sy ny Amôrita no any an-tendrombohitra, fa ny Kanahanîta kosa no mipetraka amoron-dranomasina Mediteranea sy amoron’i Jôrdàna.


fa ny Hamalekita sy ny Kanahanita kosa honina amin’ny lemaka. Koa rahampitso, miverena indray ianareo ka mankanesa any an-taniefitra amin’ny lalana mankany amin’ny Ranomasin’ny Volotara.


Aza miakatra mankany satria tsy momba anareo ny TOMPO fandrao horesen’ny fahavalonareo ianareo.


Mbola nikiry niakatra hankeny an-tampon-tendrombohitra ihany ireo Israelita; nefa na i Mosesy na ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO dia samy tsy nihetsika teo an-toby.


Hatolotry ny TOMPO horesen’ny fahavalo ianareo; ka raha lalana iray no handrosoanareo hiady aminy, dia lalana fito kosa no handosiranareo hiala eo anoloany. Ho zava-mahatsiravina ny nihatra taminareo ho an’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany.


Dia tonga tany amin’ny taranak’i Reobena sy taranak’i Gada ary antsasa-pokon’i Manase tany Gilehada ireo iraka ireo ka niresaka taminy


Izany no tsy hahazoan’ny Israelita hanohitra ny fahavalony; fa handositra eo anoloan’ireo ny Israelita, satria efa voaozona ho ringana. Tsy homba anareo intsony Aho raha tsy fongotra teo aminareo izay nasaiko nolevonina.


Ary nihiaka mafy i Delilà hoe: –Ry Samsôna a, tonga hamely anao ny Filistinina! Dia nifoha i Samsôna ary nihevitra ny ho tafavoaka toy ny teo aloha, satria tsy fantany fa efa nanaisotra ny fanampiany azy ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra