Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 14:23 - DIEM PROTESTANTA

23 koa satria efa nanamavo Ahy izy, dia tsy hisy hahita ny tany izay nampanantenaiko ny razany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 dia tsy hisy hahita ny tany izay nianianako tamin’ny razany homena azy; eny, izay rehetra namingavinga Ahy dia samy tsy hahita izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 koa satria efa nanamavo Ahy izy, dia tsy hisy hahita ny tany izay nampanantenaiko ny razany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 dia tsy hahita mihitsy ny tany nampanantenaiko ny razany tamim-pianianana. Tsy misy hahita izany ireo naniratsira Ahy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 dia tsy hahita mihitsy ny tany izay nianianako tamin’ny razany homena azy; eny, izay rehetra namotsifotsy Ahy dia samy tsy hahita izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 dia tsy hahita mihitsy ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy; eny, izay rehetra namotsifotsy Ahy dia samy tsy hahita izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 14:23
12 Rohy Ifampitohizana  

Nohamaroinao ny taranaky ny razanay ho tahaka ny kintana eny amin’ny habakabaka; ary nentinao izy ho any amin’ny tany izay nolazainao tamin’ny razany fa hidirany hataony fananany.


Koa nanangan-tanana hianiana Andriamanitra fa handringana an’ireo razanay any an-taniefitra,


Koa nianiana tamin-katezerana Aho nanao hoe: Tsy hidiran’ireo ny toeram-pitsaharana nomaniko.»


Nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hiova hevitra Aho amin’ny soa izay nampanantenaiko hatao aminy.


Ary nianiana taminy koa Aho tany an-taniefitra fa tsy hitondra azy hiditra ao amin’ny tany efa nomeko azy, dia tany izay tondra-dronono sy tantely sady mahafinaritra noho ny tany hafa rehetra;


Tamin’izy ireo dia tsy nahitana na iray aza tamin’izay efa voaisan’i Mosesy sy i Aharôna mpisorona tamin’ny fanisàm-bahoaka natao tamin’ny Israelita tany an-taniefitr’i Sinay,


satria ny TOMPO efa nilaza fa ho faty any an-taniefitra ireo. Koa tsy nisy niangana tamin’ireo, afa-tsy i Kaleba zanakalahin’i Jefone ary i Josoa zanakalahin’i Nona.


«Ireo olona izay niakatra avy tany Ejipta ka feno roapolo taona no ho miakatra, dia tsy hisy hahita ny tany izay efa nianianako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa homena azy, satria tsy nanaraka ny teniko izy.


Indro efa natolotro eo anoloanareo io tany io; idiro ka alao ho fanananareo izany fa efa nianianako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo mba homena azy sy ny taranany mandimby azy.»


Fa isika mpino kosa dia hiditra any amin’izany toeram-pitsaharana izany, araka ny voalazan’Andriamanitra hoe: «Tezitra aho, ka nianiana hoe: Tsy hiditra mihitsy ao amin’ny toeram-pitsaharana nomaniko ireo.» Izany no teny nataon’Andriamanitra na dia efa vitany tamin’ny nahariany an’izao tontolo izao aza ny asany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra