Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 13:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Jereo ny tany raha lonaka na ngazana, na misy hazo maniry na tsia. Koa mandehana ary mahereza, dia mitondrà amin’ny vokatry ny tany. Fahamasahan’ny voaloboka rahateo tamin’izay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 fantaro ny toetry ny tany, na lonaka, na ngazana, na misy hazo eo na tsia; dia mahereza ianareo ka mitondrà avy amin’ny vokatry ny tany. Fa fotoana fahamasahan’ny voaloboka mialin-taona tamin’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Jereo ny tany raha lonaka na ngazana, na misy hazo maniry na tsia. Koa mandehana ary mahereza, dia mitondrà amin’ny vokatry ny tany. Fahamasahan’ny voaloboka rahateo tamin’izay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 ny toetry ny tany na lali-nofo na marivo nofo, na misy hazo na tsia. Mahereza tsara ary mangalà amin’ny vokatry ny tany.» Voaloham-pahavokaran’ny voaloboka tamin’izay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 ary ny toetry ny tany, na lonaka, na màzana, na misy hazo eo, na tsia; ary mahereza hianareo, ka itondray ny vokatry ny tany. Ary ny andro fahizany dia fahamasahan’ny voaloboka mialintaona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 ary ny toetry ny tany, na lonaka, na màzana, na misy hazo eo, na tsia; ary mahereza ianareo, ka itondray ny vokatry ny tany. Ary ny andro fahizany dia fahamasahan'ny voaloboka mialin-taona.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 13:20
19 Rohy Ifampitohizana  

Koa ankehitriny, anaka, hiaraka aminao anie ny TOMPO ka hanambina anao hanorina trano ho Azy TOMPO Andriamanitrao, araka izay efa voalazany ny aminao.


Nahazo tanàna mimanda sy tany lonaka izy; nahazo trano feno zava-tsoa isan-karazany, lavaka famorian-drano voahady, tany voavoly voaloboka sy ôliva, ary tany misy hazo fihinam-boa marobe. Noho ny hatsaramponao lehibe, dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka faly nanaram-po.


Teo amin’ny zava-tsoa marobe nomenao azy nandritra ny nanjakàny ary teo amin’ny tany malalaka sy lonaka natolotrao ho eo anoloany, dia tsy nanompo Anao ireo sady tsy niala tamin’ny ratsy fanaony.


Hoentiko eny amin’ny tanim-bilona tsara izy, ka hanana kijàna eny an-tendrombohitra avo amin’i Israely. Any no hialany sasatra amin’ny kijàna tsara sy hiraofany amin’ny tanim-bilona milenodenoka.


An-tsokosoko no hidirany ao amin’ireo toerana mahavokatra indrindra ao amin’ny faritany ka hanaovany zavatra tsy mbola nataon’ny rainy na ny razany: hozarainy amin’ireo mpomba azy ny babo sy ny harena voababony tao. Hanao teti-dratsy koa izy hamelezana tanànamimanda. Kanefa fotoana fohy ihany no haharetan’izany.


Indrisy, tahaka ny olona mioty aviavy aorian’ny fiotazam-boankazo aho ka tsy mahita aviavy masaka ifotony izay ankafiziko tokoa; ary tahaka ny olona mitsimpona sampaho aorian’ny fiotazam-boaloboka aho, ka tsy mahita voaloboka firy hohanina!


Jereo ny tany onenan’ireo vahoaka ireo na tsara na ratsy ary ny tanàna ipetrahany na mimanda na tobin-day.


Ary niainga ireo ka niakatra ny faritra havoana, dia tonga tao amin’ny hadilalana Eskôla ary nisafo azy.


Nangalany ny vokatry ny tany ka nentiny nidina tamintsika; ary izao no tatitra nataony ho antsika: «Soa ny tany omen’ny TOMPO Andriamanitsika ho antsika.»


Avy eo dia nofeperan’ny TOMPO i Josoa, zanakalahin’i Nona, ka nilazany hoe: –Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hitondra ny Israelita hiditra ao amin’ny tany izay nianianako taminy homena azy, Izaho mihitsy no hiaraka aminao.


Ka dia sahintsika ny manao hoe: «Ny Tompo no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona no ho azon’olona atao amiko?»


Aoka ho sahy sy hahery ianao, fa ianao no hitarika ireto vahoaka ireto handova ny tany izay nianianako tamin’ny razambeny fa homeko azy.


Moa tsy efa nandidy anao ve Aho mba ho sahy sy hahery? Koa aza matahotra na mivadi-po fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no homba anao amin’izay rehetra alehanao.


Ary i Josoa, zanakalahin’i Nona, dia nandefa mpitsikilo roa lahy mangingina avy tao an-tobin’i Sitima ka niteny taminy hoe: –Ndeha misafo ny tany ianareo, indrindra fa ny tanànan’i Jerikao. Nony tonga tao an-tanàna izy roa lahy, dia niditra tao an-tranon’ny vehivavy mpivaro-tena iray atao hoe Rahaba ka nandry tao.


Koa naniraka tany amin’i Rahaba izy hilaza hoe: –Ireo lehilahy miantrano ao aminao ireo dia tonga mba hitsikilo ny tany manontolo. Koa atolory anay ireo!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra