Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Mpitoriteny 7:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Aleo ny fijaliana toy izay ny fihomehezana; fa na dia manjombona aza ny tarehy, dia mety sambatra ihany ny fo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Tsara ny alahelo noho ny hehy, fa na dia malahelo aza ny tarehy, mety ho tsara ihany ny fo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Aleo ny fijaliana toy izay ny fihomehezana; fa na dia manjombona aza ny tarehy, dia mety sambatra ihany ny fo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Aleo alahelo toy izay hehy; fa ny tarehy malahelo, mahasoa ny fo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Tsara ny alahelo noho ny hehy; fa na dia malahelo aza ny tarehy, mety tsara ihany ny fo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Tsara ny alahelo noho ny hehy; fa na dia malahelo aza ny tarehy, mety tsara ihany ny fo.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 7:3
21 Rohy Ifampitohizana  

Naniasia aho fony tsy mbola azom-pahoriana, fa ankehitriny tandremako ny hafatrao.


Nahasoa ahy ny azom-pahoriana mba hianarako ny lalànanao.


Fahadalana ny fihomehezana, hoy aho; ary tsy mitondra mankaiza ny fifaliana.


Ao amin’ny toerana misy fisaonana no ahitana ny fon’olon-kendry ary ao amin’ny toerana misy fifaliana no ahitana ny fon’olona adala.


sady nanao tamiko hoe: ‹Aza matahotra! Fara-pitia anao Andriamanitra, ka fiadanana ho anao! Mahereza ary mahatanjaha!› Koa arakaraky ny nitenenany tamiko no nampahatanjaka ahy, ka hoy aho taminy: ‹Aoka àry hiteny ianao, tompoko, satria efa nampahery ahy.›


Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa hovokisan’Andriamanitra! Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hampifalîn’Andriamanitra!


Mampalahelo ianareo mihomehy ankehitriny, fa mbola higogogogo hitomany!


satria ny fahoriana maivana sy mandalo mihatra aminay dia miasa manomana voninahitra lehibe mihoa-pampana sady maharitra mandrakizay,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra